Mediam-bahoaka Serba: Manohana Ny “Lalànan'i Tijana” Ny Rain'ilay Tanora Maty Nisy Namono

One of the images widely circulated on the Internet in the impromptu social media campaign for Tijana's Law. Drawing by unknown artist.

Iray amin'ireo sary mivezivezy be tao amin'ny haino aman-jery sôsialy ao anatin'ilay fanentanana tsy niomanana ho an'ny Lalànan'i Tijana, miaraka amin'ny fanontaniana apetraky ny rehetra hoe: “Nahoana no mbola tsy lany foana ny Lalànan'i Tijana?”. Sary nataonà mpanakanto tsy fantatra.

Nanohina fatratra ny fiarahamonina Serba ilay famonoana feno habibiana nanjo an'i Tijana Jurić, 15 taona, tany amin'ny fiandohan'ny volana Aogositra 2014 ka nahatonga ny olona sasany hitaky ny famerenana ny famanelohana ho faty. Kanefa i Igor Jurić, rain'ilay tanora, nahita izay heverin'ny maro ho vahaolana tsara indrindra, niaraka tamin'ny fanampian'ireo manampahaizana momba ny lalàna avy amin'ny Anjerimanontolon'i Novi Sad. Tao anatin'ny herinandro vitsy nanaraka ny fahafatesana mahatsiravina nanjo ny zanany vavy, natolotr'i Jurić ho an'ny governemanta ao Serbia ny sosokevitra iray ho an'ny fanaovàna lalàna vaovao iray mety ho nahavonjy ny ain-jànany.

Nomena anarana hoe “Lalànan'i Tijana” ilay sosokevitra hanaovana lalàna vaovao, ary natolotra tamin'ny faran'ny volana Aogositra 2014, saingy tsy mbola lany tao amn'ny governemanta Serba, na noresahana tao amin'ny Parlemanta akory. Efa ho volana efatra aty aoriana,  tondraky ny tenidiezy #podrži (#Tohanoio) ireo tambajotra sôsialy, miampy ireo sary nataon'ireo mpampiasa ao amin'ny tambajotra sôsialy mba hametrahana fanontaniana iraisana : “Nahoana no mbola tsy lany foana ny Lalànan'i Tijana?”

Ankizy miisa firy no ilainareo ho faty vao holanianareo ny Lalànan'i Tijana? Sa ny zanak'iza no tena fanontaniana mety? #podrzi pic.twitter.com/ccpTJp2TuY

Ilay lalàna vaovao dia manoso-kevitra fotsiny hoe vantany vao voalazan'ny ray aman-dreny na ny mpiantoka azy fa nanjavona ny tanora iray tsy ampy taona dia efa tokony hanomboka ny fikarohan'ny polisy ary tokony ho tafiditra amin'izany fikarohana izany avy hatrany ny sampana ao Serbia mpikaroka heloka izay manana ny fitaovana teknolojika avo lenta ho amin'izany. Ity farany dia ahafahan'ny polisy mahita ny toerana misy ny telefôna findain'ireo olona nanjavona ary hatramin'ny serasera natao tamin'ilay telefôna teo amin'ny manodidina ny toerana mety hifandray amin'ireny tranga ireny.

Amin'ny raharaha Tijana Jurić, ilay naka an-keriny sy voalaza ho namono azy, izay niaiky teo anatrehan'ny fitsarana fa nanao ilay heloka noho ny fankahalàna, dia tratra taorian'ny nanarahan'ny polisy ny toerana nisy ny findainy, saingy efa andro maro taty aorian'ny nahafatesany. Nitondra ny findainy tany aminy i Tijana ny alin'ny nakàna azy an-keriny ary azo natao tsara ny nanara-dia ny toerana nisy ny findainy teo anelanelan'ny fotoana nakàna azy an-keriny sy ny namonoana azy. Farafaharatsiny ara-potokevitra, mba nisy lalàna nipetraka izay nanome alàlana ny polisy hihetsika avy hatrany sy ny andianà polisy manana ny teknolojia avo lenta hitsongo dia ara-potoana ny findainy, dia mba nety ho avotra ny ain'i Tijana. Io endrika fihetsehana avy hatrany ataon'ny manampahefana io no tena sosokevitra atolotr'ilay Lalànan'i Tijana.

Nangatahan'i Igor Jurić ampahibemaso ny olona mba hanampy azy hanosika ilay lalàna horaisina ao amin'ny Parlemanta Serba, tamin'ny filazàna fa hataony ho iraka tanterahany mandritry ny andro-piainany io taorian'ny nahafatesan-janany vavy.

Igor Jurić, Tijana's father, holds a sign saying, "Help me get TIJANA'S LAW adopted." This was one of the first images  of the online campaign supporting the proposed law and has been widely circulated on social networks.

Igor Jurić, rain'i Tijana, mitazona takelaka milaza hoe, “Ampio aho hampandàny ny LALANAN'i TIJANA.” Ity no iray amin'ireo sary voalohany tamin'ilay fanentanana ho fanohanana ety anaty aterineto ho an'ilay tolo-dalàna ary navezivezy be tety anaty tambajotra sôsialy.

Raha milaza ny sasany fa efa manana lalàna mifanaraka tsara amin'ny tranga tahàka izany i Serbia, marobe no toa tsy afa-po amin'ireo lalàna efa misy na ny fampiharana azy ireny. Samy hita betsaka ao amin'ny Twitter sy Facebook ilay fanentanana #podrži. Nisy pejy Facebook iray noforonina tamin'ny 14 Desambra mba hanangonana sary sy ho fanohanana ilay fanentanana ety anaty aterineto ho an'ilay Lalànan'i Tijana ary, tao anatin'ny andro iray monja, efa nahazo mpankafy manakaiky ny 5.000. Efa nahangona sary avy aminà mpampiasa efa ho ampolony manohana ilay tolo-dalàna ihany koa ny pejy, ary mitohy miditra isan'ora hatrany ireo saripika vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.