Serbia: Ampiakarin'ny Manam-pahefana Fitsaràna Ny Mpikatroka Mafana Fo Iray Mitaky ny Ronono Ara-pahasalamàna

Street art in Novi Sad, Serbia. Photo by molimonster69 on Flickr.

Taokanto An-dàlambe any Novi Sad, Serbia. Sary an'i molimonster69 ao amin'ny Flickr.

Nantsoin'ny mpitandro filaminana ny mpampiasa Twitter iray hafa any Serbia, mba hiseho any amin'ny fitsaràna noho ny fikatrohany tao anatin'ireo tambajotra sosialy sy amin'ny “fiainana tena izy”. Voasaringotra tanatin'ireo hetsi-panoherana tamin'ny Martsa 2013 i Marko Živkovic avy any Belgrade, izay nanohitra ny fanapahankevitry ny governemanta hampiakatra ny fatranà “aflatoxine” azo ekena ao anatin'ny ronono sy ireo vokatra azo avy aminy namboarina sy miditra ao amin'ny firenena.

Io maraina io, niantso ahy ny mpitandro filaminana mba hilaza amiko fa manana taratasy fahazoan-dàlana hitondra ahy any amin'ny fitsaràna izy ireo noho ny #MlekoUp (#MilkUp). Maherin'ny 20 vola aty aoriana, izao no vokatry ny Raharaha “Aflatoxine”.

— dr Marko Zivkovic (@MarkoZvkvc) November 21, 2014

Metabôlita mahafaty ny “Aflatoxine”, izay vokarin'ireo karazanà olatra sasany ary mety hita ao anatin'ny ronono sy ireo sakafo hafa. Hatreo aminà fatra iray voafaritra dia tsy mitera-doza ny fihinanana azy ireo. Ny taona 2013 anefa ny governemantan'i Serbia dia nanapa-kevitra ny ampiakatra ireo fetra ara-dalàna amin'ny fatran'ny “aflatoxine” hita fa tsy mampidi-doza ao anatin'ny ronono, izay 0,05 ka lasa 0,5 mikrograma isaky ny iray kilao. Nitarika ireo olon-tsotra sy ireo mpanamboatra vokatra sasany hangataka fanazavàna feno momba io fanovan'ny governemanta io ilay fampitomboana avo folo heny tanatin'ny fotoana vitsy monja an'ilay fatra nekena teo aloha, ary ho an'ny sasany kosa dia nitarika hetsi-panoherana izany fanapahankevitra izany.

A small group protests peacefully against the decision to raise permitted aflatoxin levels in milk in Belgrade in March 2013. Photo from Istinomer.

Nanao hetsi-panoherana tamim-pilaminana ny vondrona kely iray hanoherana ny fanapahankevitra mikasika ny fampitomboana ny fatranà “aflatoxine” ao anatin'ny ronono any Belgrade, ny volana Martsa 2013. Sary tao amin'ny Istinomer.

Niverina tamin'ny fanapahankeviny ny governemanta taorian'ny teritery nahazo azy tanatin'ireo volana voalohandohan'ny taona 2013, nataon'ireo olon-tsotra, ireo fikambanana tao an-toerana, sy ny Vondrona Eorôpeana, izay nampitandrina an'i Serbia fa tsy afaka hiditra any amin'ny ankamaroan'ny faritr'i Eorôpa intsony ireo vokatra amboariny, satria 0,05 mikrograma isaky ny kilao ihany ny fatranà “aflatoxine” azo ekena anatin'ny ronono ao amin'ny Vondrona Eorôpeana.

Voasaringotra tanatin'ireo hetsika anaty media sosialy manohitra ilay fanapahankevitry ny governemanta i Živkovic, mpamorona rindram-baiko avy any Belgrade, ary nofidian'ireo olon-tsotra nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny foiben'ny Governemantan'ny Repoblikan'i Serbia mba hitondra teny amin'ireo mpanao gazety amin'ny anaran'ireo mpanohitra, ny 1 Martsa 2013. Nilaza izao manaraka izao tamin'ny mpanao gazety i Živkovic tamin'izany fotoana izany:

“Okupili smo se spontano na Twitteru i već danima razgovoramo o ovome što se dešava (sa mlekom), a kada smo juče na televiziji čuli odluku vlade da za 10 puta uveća dozvoljenu koncentraciju toksičnog aflatoksina, odlučili smo izrazimo protest.”

“Nifamory tampotampoka tao amin'ny Twitter izahay ary niady hevitra momba ny zava-nitranga (tamin'ny ronono) nandritra ny andro maromaro. Rehefa naheno ny fanapahankevitry ny governemanta ny hampitombo avo 10 heny ny fatranà “aflatoxine” mampidi-doza mihotrika azo ekena izahay tamin'ny fahitalavitra omaly, dia nanapa-kevitra ny haneho ny fanoheranay.”

Iray taona sy tapany taty aoriana, naharay antso mahasosotra avy amin'ny mpitandro filaminana i Živkovic, nampahafantatra azy fa ilaina izy, tsy hanontaniana ihany, fa hiatrika fitsaràna ihany koa. Tanatin'ireo bitsika hafa, nilaza i Živkovic fa tsy nilaza mazava taminy ny antony niampagàna azy ny mpitandro filaminam-panjakana niantso azy, fa hoe mila miseho any amin'ny fitsaràna izy noho ny tsy namaliany ny fangatahana azy ho tonga hohadihadiana mikasika ilay resaka malaza nopetahana anarana hoe “Raharaha Aflatoxine”. Nitaraina ny tsy nahazo izany fiantsoana lazain'ireo manam-pahefana izany moa ilay mpampiasa Twitter, talohan'ilay antso an-tariby.

Nahazo fanohanana goavana avy tamin'ireo mponina hafa any Belgrade sy ireo mpampiasa Twitter manerana an'i Serbia ary Balkans i Živkovic. Nilaza ihany koa izy fa hampahafantatra ireo rehetra mpanohana azy izy rehefa hanao tatitra any amin'ny mpitandro filaminana mikasika io resaka io ato anatin'ny andro manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.