Fitontongan'ny Vola Zeorziana Aseho Amin'ny Sary Novàna Tamin'ny Photoshop: Miala Avy Amin'ny 50 Cent Ary Tonga Amin'ny Hoe ‘Fanavotana Ny Miaramila Lari’

The Georgian lari has seen better days. Wikimedia.

Toa efa lasa ny zavatra taloha ho an'ny vola “lari” Zeorziana. Wikimedia.

Niteraka ahiahy momba ny fahasalaman'ny toekarena ao Zoerzia ny fitontongana tsy nisy toy izany nihatra tamin'ny sandan'ny vola “Lari” fampiasa manerana an'i Zoerzia, ary dia atahoran'ireo mpanjifa fatratra tokoa ny hisondrotan'ny vidin'entana ilainy andavanandro. Tamin'ny 5 Desambra, nisedra fihenan-danja 2.86% nanoloana ny Dôlara amerikana ny lari, nanjary ho lari roa vao mira dôlara iray – sandam-pifanakalozana ambany indrindra nanjo azy tao anatin'ny folo taona mahery.

Na dia feno ahiahy momba izay ho avin'ny lari aza ireo teratany Zeorziana, dia nasehon'izy ireo ny fahaizan-dry zareo mihanihany mba hanaingoany ny zavatra ratsy lalovan'ny volan-dry zareo, tamin'ny fakàna tàhaka ilay Amerikana mpiangaly gadona Rap ary endrika malaza manana ny maha-izy azy ao amin'ny firenena no sady vokarina be indrindra any Hollywood.

Ny 5 Desambra, niteny tao amin'ny fahitalavitra i Giorgi Kadagidze, talen'ny banky foibe ao Zoerzia, nilaza fa samy tafiditra amin'ny fihenan-danjan'ny lari avokoa “na ny singa avy ao anatiny, na ny avy any ivelany”. Tamin'ny tapany voalohan'ny 2014, nidina 9.6 % ny fampiasàm-bola vahiny mivantana tao Zeorzia, raha oharina amin'ny vanim-potoana tahaka izany ihany tamin'ny taona lasa.

Mandritra izany fotoana izany, tato anatin'ny volana vitsivitsy dia nihena ny fandrotsaham-bola avy any ivelany – iray amin'ny loharanom-bola manana ny toerany avy any ivelany – raha oharina amin'ny tamin'ny taona lasa. Ny fihenàna lehibe indrindra dia tamin'ny fampidiram-bola avy any Rosia, toerana nisian'ny fihenan-danja nalaky be teo amin'ny robla ihany koa.

Ny talem-paritry ny Banky Iraisampirenena ho an'ny Kaokazy Atsimo, Henry Kerali, dia nilaza fa azo atola amin'ny ampahany any amin'ny filàna betsaka ny dôlara amerikana arakaraky ny vanim-potoana  ary koa ny zava-nitranga tany Okraina ilay fihenan-danjan'ny lari. Nihena ihany koa ny fanondranana entana avy ao Zeorizia nankany Okraina, na dia nitombo aza ny isan'ny mpizahatany.

Fihenan-danja tahaka izany koa tamin'ny taona lasa no niteraka fisondrotam-bidin'ny sakafo tany Zeorzia, izay saiky manafatra ny ankamaroan'ny sakafo hohaniny. Fanampin'io, mazàna no ampiasaina ny dôlara amin'ny fifanakalozana toy ny fanefàna hofan-trano na varotra fiara efa niasa.

Raha nanomboka nitambotsitra ny lari tamin'ny Zoma, nandefa sarin'ilay vola taratasy 1 lari, saingy nasiam-panovàna, ireo mpampiasa ny media sosialy, nosoloina tamin'ny endrik'i Nodar Khaduri, Minisitry ny Fitantanam-bola ny sarin'ilay Zeorziana mpanao hosodoko Niko Pirosmani. Novàna ihany koa ilay soratra ‘iray lari’  ho  ‘choilari’ – fiteny manambany any an-toerana izay midika tsotsotra hoe ‘tsy misy hazondamosina’ na ‘famafàn-kiraro’.

One Lari Note Featuring Finance Minister Khaduri's Face

Khaduri sy ny lari. Sary nivezivezy be tao amin'ny Facebook.

Vantany vao nivoaka ny vaovao nilaza fa tafakatra ho 2 lari ny dôlara iray,  nosoloina tamin'ny endrik'ilay Amerikana mpiangaly Rap, 50 cent, ny endrik'i Khaduri, nanehoana ny sanda vaovaon'ny vola Zeorziana.

50 Cent on the One Lari Note Reflects its Real Value

Curtis Jackson, fantatra ihany koa amin'ny hoe 50 Cent, no lasa sarin'ny fitontonganan'ny lari Zeorziana. Sary nozaraina betsaka.

Ao anatin'ny sarin'ny vola taratasy roanjato lari, novaina hanjary hisy ranomaso nitete ny sarin'ilay kômandà Zeorziana mpankahala Bolshevik, Kakutsa Cholokashvili, noho ilay fitontongan'ny sandam-bola.

Kakutsa Cholokashvili Weeps at the Recent Currency Dip

Cholokashvili latsa-dranomaso. Sary nifampizaràna be tao amin'ny Facebook.

Sary iray hafa ahitàna vola taratasy 10 lari, misy ny sary malazan'ny Renin'i Imereti avy amin'ilay hosodokon'i Davit Kakabadze, no mampiseho azy miala avy amin'ilay vola taratasy, arahan'ny soratra hoe: ‘Tsy manana reny intsony ny lari’, izay azo adika ihany koa hoe ‘ratsy be ny manjo ny lari’. 

The Lari 'No Longer has a Mother'

Hosodokon'i Kakabadze, reharehan'ny harem-bakoka Zeorziana. Sary nozaraina betsaka tao amin'ny  Facebook.

Nipoitra ny sary hafa izay manazava ny krizin'ny lari. Ity iray ity dia mifototra amin'ny afisy lehibe an'ny sarimihetsika iray avy ao Hollywood miaraka amin'ny lohateny hoe  ‘ Novokarin'i Nodar Khaduri : Fanavotana Ny Miaramila Lari’.

'Saving Private Lari'

Iza no hamonjy ny lari? Sary nozaraina be tao amin'ny Facebook.

Iray hafa maka tàhaka ny zava-misy avy amin'ilay Indray Andro Hono Tany Amerika no mampiseho ny fitrosonan'ny vola vy lari iray, miteny hoe ‘Mamelà ahy ry Nodar [Khaduri] …. Nibolisatra aho’.

‘Milbolisatra’ ny lari ato anatin'ity seho malaza avy amin'ny ‘Indray Andro Hono Tao Amerika’ ity. Sary nozaraina be tao amin'ny Facebook.

Mifanindran-dàlana amin'izay ihany, ny vola “dram” tatsy amin'i Armenia mpifanolo-bodirindrina dia nitontongana ihany koa nanoloana ny dôlara, taratry ny fihenàn-danjan'ny vola “robla” Rosiana. Ao Zeorzia, niantso fitoniana ny banky foibe, nanome toky an'ireo olom-pirenena velon-tebiteby fa ampy hery sy mafy fototra hivoahana velona amin'io onja io ny toekaren'ny firenena ary tsy hisy fisondrotam-bidy. Andrasana ny hisian'ny fahamarinan-toeran'ny lari amin'ny herinandro aorian'izao, raha heverina ho eo amin'ny 3,5 % eo ny sondrom-bidim-piainana isan-taona. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.