Manamafy Indray Ny Teny Indizeny Yekuana Amin'ny Alalan'ny Fampahalalam-baovao Nomerika

Vaovao momba ireo Tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Saúl López (Kuyujani) realizando registro documental de asamblea de estudiantes en la Universidad Indígena de Venezuela.

Saúl López (Kuyujani) documenting a students assembly at the Indigenous University of Venezuela.

Marobe ireo kolontsaina indizeny ao Venezoela, maro amin'izy ireo no mbola mampiasa ny teniny manokana. Na izany aza, dia mampidi-doza amin'ny kolontsain'ny lovantsofina eo amin'ireo fiarahamonina ireo ny fiovàn'ny fomban-kolontsaina ao aminy. Amin'ny fanohanan'ny Rising Voices, sy ireo fikambanana mpiara-miasa hafa, nanangana tetikasa mahaliana ny vondrona mpitantana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina mba hamelomana indray ny lovantsofina eo amin'ireo vondrona foko indizeny sasany amin'ny alalan'ny firotsahan'ny media nomerika sy ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana (TIC ).

Ny tanjona dia ny hametraka sehatra ho famokarana votoaty nomerika amin'ny lahatsary, feo, lahatsoratra sy sary izay afaka mandrakitra tantara, hetsika ara-kolontsaina (dihy, kanto, fomba amam-panao), fiainam-piarahamonina sy resadresaka miaraka amin'ireo zokiolona hoan'ny taranaka hoavy, ary mety ilaina ankehitriny tahaka ny fitaovam-pianarana hoan'ireo tanora isaky ny vondrom-poko, na koa ireo mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy malaza indrindra, hizara sy hampahafantatra amin'izao tontolo izao ny lova navelan'ireo razambeny izy ireo. Noho ity fisantaran'andraikitra ity, nambaran'ny UNESCO ho vakoky ny Olombelona ny kolontsain-teny Mapoyo.

Ny fiarahamonina Jatta Wöötanö izay mampiasa ny teny Makiritare ho fitaovam-pifandraisana no tetikasa voalohany sahaza amin'ireo tanora indizeny Yekuana avy ao amin'ny Renirano Caura. Mikendry hamorona “etnocommunicators (mpampifandray vondrom-piarahamonina)”, mpikambana amin'ny fiarahamonina liana amin'ny fiarovana ny vakoka tohanan'ny fampahalalam-baovao sy ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana izy ireo. Efa antomotra ny fahatongavan'ireo fitaovana ireo ao amin'ny fiarahamonina ary hanjary ho lasa sehatra miaraka amin'ny fifandraisana aterineto, fahitalavitra, onjam-peo AM sy FM mandeha amin'ny zanabolana nomerika. Boca de Ninchare no hanaovana ny fampiofanana. Ka tanora 15 no mihaona isam-bolana mba hametraka sehatra ho fandinihana ny momba ny fampahalalam-baovao, ary mandritra izany ihany, hamokatra votoaty mikasika ny kolontsainy izy ireo. Amin'ny volana Janoary, afaka hitsidika ny bilaogy natsangan'ireo mpianatra isika, sy ireo tambajotra sosialy (Facebook, Twitter) mifandray amin'ny tetikasa ihany koa.

Imbetsaka nampiroborobo ny fisantaran'andraikitra i Saúl Lopez (Kuyujani amin'ny tenin-drazany), izay niainga tamin'ny fitiavany ny fifandraisana sy ny teknolojia, ary nahita fomba mahaliana hitehirizana ny kolontsainy amin'ireo fitaovana ireo, indrindra amin'ny lahatsary sy horonantsary, zavatra ankafiziny indrindra. Hoy i Kuyujani:

Las nuevas generaciones de indígenas yekuanas tenemos que saber interactuar con el mundo criollo, con respeto y sentido de pertenencia, en los espacios que nos ofrece la interculturalidad. Para ello los medios pueden ser de mucha ayuda pues nos sirven como canales para la comunicación con el otro y al mismo tiempo revitaliza nuestra cultura.

Isika, taranaka tanoran'ny vahoaka indizeny yekuana dia tokony hahafantatra ny fomba fifandraisana am-panajana sy am-piombonana amin'ny tontolo kiriolona, ao anatin'ny sehatra ifampidipidiran'ny kolontsaina. Mety tsy maintsy ilaina ny media eto, satria fantsona ho fifandraisan'ny tsirairay sy mamelona ny kolontsaintsika.

Mpandrindra ny tetikasa Jatta Wöötanö i Saúl López ankehitriny, ary manomana ny tohan-kevitra famaranam-pianarana (these) ao amin'ny Oniversite Indizeny, mitondra ny lohateny hoe: “Ny herin'ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana (TIC) ao amin'ny famindràna fitenenana Yekuana. Fanadihadiana ny fiarahamonina Jüwütünña ao Erebato ambony, Fanjakana Bolívar “.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.