Ho Ela Velona Anie Ny Miss France Agricole 2015 !

Marihan'i Christophe Teyssere ao amin'ny Scoop.it ny “tantara tsara ho an'ny anio”, ny fahombiazana tsy nampoizina sy teo noho eo azon'ny fifaninanana iray vaovao momba ny hatsaràn-tarehy, Miss France agricole, (Oliravin'ny Tantsaha Ao Frantsa) natombok'i Patricia tao amin'ny Facebook. Mpiompy any Cantal afovoan'i France izy. 

Sahiran-tsaina amin'ilay fifaninanana ôfisialy be filirony, ny Miss France (“Afaka hamahànana mandritry ny taona iray olona 100 tsy manan-kialofana ny vidin'ny akanjony”) ; nifanindran-dàlana tamin'izay dia nikarakara ny fifaninanany tao amin'ny Facebook i  Patricia, ho an'ireo vehivavy tantsaha :

ny fifidianana izay tena MISS France, izay tena misolo tena marina ny Frantsa-ntsika, miaraka amin'ireo vehivavy mpirotsaka eny an-kianja.

Tsy nampoizina: 267 ny mpisoratra handray anjara, nandefa ny sariny niaraka tamin'ny ombiny, akoho, osy, ondry sy traktera. Lehilahy telo sy vehivavy iray tsy tantsaha no mpitsara. Ny media mpiara-miasa dia ny …ny wiki ho an'ireo tantsaha afaka miditra amin'ny serasera, wikiagri, ary ny loka ho an'ny mpandresy dia : fehezam-boninkazo iray. 

Fitsangatsanganana mampitony saina mitety ireo faritra ambanivohitr'i Frantsa, sy mijery ireo vehivavy tantsaha ao aminy, ravo maka sary amin'ny endriny natoraly, ilay lahatsary misy ny sarin'ireo mpifaninana.

Ary ny mpandresy dia ... i Milie Marin Fournier, lehiben'ny toeram-pitrandrahana ny voankazo sy voaloboka any Bouches-du-Rhône (ny antsafany ao amin'ny Wikiagri). 

Milie, Miss France Agricole, et son T-shirt militant

Milie, Miss France Agricole, sy ny T-shirt izay lasa maro mpitady nanomboka teo (sary avy ao amin'ny pejiny Facebook)

mpandray anjara niisa 200 ary dia tsy maintsy izaho no nizaka izany!!! nefa dia mpandresy daholo ireo vehivavy tantsaha!!! tsy nisy ankosotra na zavatra natentina!!!!  Ho ela velona ny vehivavy tantsaha ary ho ela velona anie ny vehivavy rehetra!!!!!  

Ary ireo nanarakaraka ny mpandresy, na “dauphines” ? Ity ny dauphine voalohany, Laurène ary ny faharoa, Katia. 

katia, deuxième dauphine de Miss France Agricole

Katia, dauphine faharoa tamin'ny Miss France Agricole (sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook Miss France Agricole)

Mila marihana : nisokatra ho an'ny vehivavy rehetra ny fifaninanana ary tamin'ireo “Tia” niisa 10.000 azon'ireo mpifaninana, nahazo pao-tsatroka tety anaty habaka i Madeleine (hoy ny teny frantsay hoe : cyber-ovation).

madeleine

Madeleine sy ny namany iray (Sary nalaina tamin'ny pejy Facebook Miss France Agricole 2015) 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.