Midika Inona Ho An'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ilay Didim-panjakàna Momba Ny Tsiambaratelo Ao Japana?

Screenshot courtesy Shingetsu News

Dikasary natolotry ny Shingetsu News

Tamin'ny Alarobia 10 Desambra, nivadika ho lalàna ilay Didim-panjakàna momba ny tsiambaratelo niteraka resabe ao Japana. Mampitombo ny sazy noho ny heloka bevava ho an'ireo mpamoaka an-tsokosoko ny “tsiambaratelom-panjakana” ilay Didim-pitondrana.

Eo ambanin'ilay lalàna vaovao, ireo mpiasa ao amin'ny governemana izay mamoaka vaovao voasokajy ho tsiambaratelom-panjakana dia afaka saziana hatramin'ny 10 taona am-ponja, dimy taona ho an'ireo mpiray tsikombakomba. Manahy ireo mpanakiana fa hampihorohoro ireo mpanao gazety sy ireo fikambanana mpanaramaso ity politika ity, hitondra vokatra izay hanery ankolaka azy ireo amin'ny fanatanterahany ny asany. Tamin'ny taona lasa, nisy fihetseham-bahoaka nitranga tao Tokyo, niarahana tamin'ireo fikambanana sivily sy vondrona mpanao gazety naneho mibaribary ny tsy fankasitrahany ilay lalàna.

Ao anaty antsafa iray ho an'ny SNA Japan, i Profesora Lawrence Repeta avy amin'ny Meiji University ao Japana no maneho ny sasantsasany amin'ny fiantraikan'ilay fepetra vaovao amin'ny zon'olombelona :

Mametraka sazy henjana ho an'ireo mpiasa ao amin'ny governemanta ilay lalàna vaovao, sy izay olona rehetra mamoaka vaovao nosokajiana no tsiambaratelo, hoy i Repeta tao anatin'ilay antsafa ho an'ny SNA Japan. Efa tsinjony sahady fa hisy vokany “mibaribary eo amin'ireo mpiasa tsirairay ao amin'ny governemanta io, amin'ny fanapahany hevitra mikasika izay vaovao azo resahana rehefa mifanakalo hevitra momba ny hetsika na politikam-panjakana.”

Manazava ihany koa i Repeta fa tsy manisy fanavahana momba ireo mpanome vaovao mihitsy ilay lalàna. Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe, raha misy manampahefana manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy na manampatra fahefan'ny mpisehatra avy amin'ny governemanta, ka ny tanjony amin'izany dia ny hiaro ny tombontsoan'ny daholobe, dia tsy hisy fiarovana manokana azo omena sy atao aminy.

Mpahay lalàna fanta-daza iray izay nanoratra betsaka momba ny rafi-pitsarana Japoney mikasika ny resaka fahafahana mahazo vaovao, tsiambaratelom-panjakàna, ary fahalalahana maneho hevitra i Lawrence Repeta, ato ny fandalinany ny Didim-panjakana momba ny tsiambaratelo navoaka tao Japana tamin'ny 2013, amin'ny teny Anglisy.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.