Vovonan'ny Mediam-Bahoaka Global Voices 2015: Isa Miverina Mankany Philippines!

Cebu City, Philippines, location of the Global Voices Citizen Media Summit 2015. Photo by restymail and used under a CC BY 2.0 license.

Tanànan'i Cebu City, Filipina, toerana hanaovana ny Vovonan'ny Mediam-Bahoaka Global Voices Citizen Media 2015.
Sary an'i restymail ary ampiasàna ny lisansa CC BY 2.0.

Afghanistan, Argentina, Australia, Azerbaijan, Bahrain, Bangladesh, Belarus, Bolivia, Brazil, Bulgaria, Canada, China, Colombia, Czechoslovakia, Egypt, France, Germany, Ghana, Greece, Hong Kong, Hungary, India, Indonesia, Iran, Iraq, Italy, Japan, Kenya, Kyrgyzstan, Lebanon, Macedonia, Madagascar, Mauritania, Mexico, Mozambique, Myanmar, Nepal, New Zealand, Nigeria, Pakistan, Peru, Philippines, Poland, Portugal, Russia, Saint Lucia, São Tomé and Principe, Serbia, South Korea, Spain, Switzerland, Taiwan, Tanzania, Thailand, Trinidad and Tobago, Tunisia, Turkey, Turkmenistan, Uganda, Ukraine, United Kingdom, United States, Venezuela. 

Ireo, raha sendra manontany tena ianao, no firenena 60 mahery – izay hànana solotena any amin'ny Vovonan'ny Mediam-Bahoaka Global Voices 2015.

Ato anatin'ny fito herinandro, ny 24 Janoary, anjatony maro avy amin'ny lafiny efatr'izao tontolo izao no hifamotoana ao amin'ny Cebu Provincial Capito, toerana mahafinaritra ao Cebu, Filipina, handany andro roa handinihana miaraka ny fifandraisana misy amin'ny aterineto malalaka, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny hetsika fikatrohana ety anaty serasera manerana ny tany.

Hatramin'ny 2006, nampihaona hatrany ireo tena mpikatroka mavitrika sy nahavita zavatra tety anaty tontolo dizitaly ary ireo vondrom-piarahamonin'ny mediam-bahoaka avy amin'izao tontolo izao ny  Vovonan'ny Global Voices. Voaporofon'ireny fihaonana ireny ny maha-tany lonaka azy itsirian'ireo hevitra sy fiaraha-miasa tsy voafehin-tsisintany. Tsy andrinay koa amin'ny vovonana 2015 ny hanohizana izay fomba fanao izay – hatramin'ny fankalazana ihany koa ny fitsingerenan'ny faha-10 taona nijoroanay.

Ny fandaharana amin'ity taona ity dia ahitàna velakevitra, fanolorana tetikasa fohy ezaka, fotoam-pivoriana malakaka “tsy lazaina ho kaonferansa” ary atrikasa fanofànana sy fampiharana miaraka amin'ireo “sangany mpitarika” eo amin'ny tontolon'ny zo dizitaly sy ny mediam-bahoaka iraisampirenena. Ary ho ao anatin'ny zotra noraisina dia hohamorainay ny fahafahana mandray anjara mivantana amin'ny aterineto, hatramin'ny fahafahana mipaingona, mandika ary mamoaka izay fahalalàna sy fifanakalozan-kevitra mivoaka avy amin'ilay fihaonana.

Raha tianao moa ny hiaraka aminay any an-tanànan'i Cebu City, iangaviana ianao hisoratra anarana ao amin'ny tranonkalan'ny Vovonana. PHP 2,000 ny saram-pisoratana ho an'ireo mponina ao Filipina, US$50 ho an'ireo mponina avy any Azia Atsimo Atsinanana ivelan'i Filipina, ary US$75 ho an'ny avy amin'ny firenena hafa tsy ao anatin'ireo.

Raha tsy afaka hiaraka aminay any kosa ianao, dia hisy ampahany amin'ny fandaharam-potoana ho alefanay mivantana ny 24-25 Janoary. Koa topazo maso ny tanonkalan'ny VovonanaTwitter sy  Facebook.

Ny Vovonann'ny Mediam-Bahoaka Global Voices 2015 no tanteraka dia noho ny fanohanana mavitrika avy amin'ny  MacArthur Foundation, GoogleOpen Society Institute, Knight Foundation, Hivos,Yahoo!, Making All Voices Count, SunStar Publishing, the Province of Cebu, PRWorks ary ny Philippine Center for Investigative Journalism.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.