Mpanao Lalàna Tratra Mijery Vetaveta, Milalao Ary Matory Am-perinasa, Zavatra Iray Fahita Ao Azia Atsimo Atsinanana

Zavatra iray fahita any Azia Atsimo Atsinanana – any amin'ny parlemanta, rehefa tonga ny fotoam-pivoriana – ny hoe politisiana mijery lahatsary vetaveta, matory na milalao amin'ny finday. Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia marobe ireo mpanao lalàna manerana ny faritra no tratra ambodiomby tamin'izany.

Tamin'ny volana lasa teo, ohatra, azo sary teo ampatoriana ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenana ao Vietnam, nefa ao anaty fotoam-pivoriana ny antenimiera mpanao lalàna. An-tapitrisa ireo mpijery fahitalavitra no nanokatra ny fahitalavitra mba hijery ny “fahaizana matory” ananan'izy ireo.

Tena mampihoron-koditra tsotra izao fotsiny ny fotoam-pivorian'ny Antenimieram-pirenena #vietnampolitics pic.twitter.com/Dzuz2vqHDK

Mba hitazonana ny tena tsy hatory sy hisorohana ny henatry ny mpatory an-toerana any Vietnam, naleon'ireo mpanao lalàna ao Thailand nirona tamin'ny fijerena lahatsary vetaveta mandritry ny adihevitra parlemantera. Loholona iray sy mpikambana roa ao amin'ny parlemanta no tsikaritra nitety sary vetaveta taminà fotoana telo samy hafa sahady.

Democrat Party MP Nat Bantadtan from Thailand admitted that he accidentally clicked a pornographic picture during a Parliament debate in April 2012. Photo widely shared on Facebook

Solombavambahoaka Nat Bantadtan, avy amin'ny antoko politika Demaokraty ao Thailand niaiky fa nahapotsitra tsy nahy sary vetaveta nandritry ny adihevitra iray tao amin'ny parlemanta, tamin'ny Aprily 2012. Sary nifampizaràna be tao amin'ny Facebook.

Marobe ireo gazety an-tsoratra lehibe tsirairay tao Thailand no namelively sy nanao fandalinana ny ara-tsain’ ireo lehilahy tratra nitety sary vetaveta tamin'ny iPhones-ndry zareo.

Ny kiana iray isan'ny mahazatra dia ny hoe faran'izay fihatsarambelatsihy ataon'ireto politisiana ireto — lehilahy izay mazàna no miseho ho mametraka fetra ara-moraly ho an'ny daholobe— ny mijery kivetaveta eo am-perinasa. Tamin'ny 2011 tany  Indonezia, ohatra, olona iray avy amin'ny Antokon'ny Fahamarinana sy ny Fampiroboroboana Silamo, fatra-panenjika ny resa-betaveta no azo sary teo am-pijerena lahatsary vetaveta tamin'ny tablety, nanery azy hametraka fialàna. (Tohin'izay, nivoady izy ny hanova ny fomba fanaony ary hianatra ny Korany.)

An Indonesian legislator caught watching porn in Congress. Photo widely shared on social media

Indoneziana mpanao lalàna tratra mijery vetaveta tao amin'ny Kaongresy. Sary nifampizaràna be tao anaty media sosialy.

Somary tsy dia tantara ratsy, nefa kosa mety tsy dia matianina loatra, tratra teo am-pilalaovana amin'ny findainy ihany koa ireo mpanao lalàna tao Azia Atsimo Atsinanana.

Juan Ponce Enrile, Filipiana loholona 90 taona, nilaza fa ny filalaovana Bejeweled dia manampy azy tsy hatory saina sy manatsara ny fitadidiany. Tamin'ny 2013, nalaza tamin'ny nahatratrarana azy nilalao “jeu video” i Enrile, raha nisy loholona iray niampanga azy tanaty kabary navaivay.

Mariho ity | milalao Bejeweled i JPE raha i Miriam kosa indray miantso azy hoe mpamono olona, mpandroba & mpanenjika vehivavy http://t.co/v6ZilhGXta pic.twitter.com/OsJFz7vaUK

Ilaozan'i Enrile milalao Bejeweled mandritra ny kabarin'i Miriam ve?

Tratra nampiasa ny findainy ihany koa ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Kaongresy tao Filipina nandritry ny kabary iray hafa nanana ny lanjany, fony nitodika tamin'ny firenena ny filoha, tamin'ny fiandohan'ity taona ity.

Ao anatin'ny vaninandro ankehitriny mahamora ny fanaraha-maso sy ny media sosialy, izay ny olona tsirairay no manana fakantsary ary famoaham-baovaoa any anaty paoketrany any, dia tokony hianatra hifehy tena ireo mpanao lalàna, raha tian-dry zareo ny hampitsahatra ireny tantara ratsy ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.