Handany Samirery Ny Alin'ny Krismasy? Manana Ny Ambarany Ny Japoney

Hazo Krismasy, Marunouchi, Tokyo. Sary: François Rejeté / Wikimedia Commons. Failo ampiasàna ny lisansa Creative Commons Attribution 2.0 Generic .

Any Japana, ny Alin'ny Krismasy dia heverina ho ny alina mampanonofy indrindra mandritry ny taona.

Efa fomban-drazana hatrizay, ny 24 Desambra no ilay andro lehibe fifanomezam-potoana mba hiarahan'ny olon-droa, fotoana iforonan'ny fifamatoran'olon-droa ary andaniana miaraka ny alina iray miavaka alohan'ny hiverenana amin'ny asa sy ny birao mampitotototo ny 25 Desambra; Tsy andro ankalazaina fa iasàna mantsy ny andron'ny Krismasy any Japana.

Tato anatnny taona vitsy, anefa, tsy hoe fotsiny nitontongana ny taham-pahaterahana tao Japana, fa koa ny isan'ny olona miditra amin'ny fanambadiana ary hatramin'ireo mifanao fotoana aza.

Manomboka miantraika amin'ny Alin'ny Krismasy koa izao ilay fiovàna ara-tsosialy, manaitra ka nahatonga mihitsy ny fitrandrahana teny iray vaovao: kuribotchi.

Tao am-piasàna, sondriana ery ireto tanora mpiara-miasa nifampitafa mikasika ny lamina hiatrehana ny kuribotchi. “Fa inona marina aloha ilay atao hoe kuribotchi?” Hoy aho sady nikakakaka no nanontany. Fahanginana hafahaha no setriny. Ary avy eo takatro ny zavatra resahan-dry zareo.

Fiteny vaovao niforona tamin'ny fitambaran'ny “Krismasy” sy ny “hitori-botchi” (samirery) ny kuribotchi, mamaritra ny fepetra fandaniana samirery ny Alin'ny Krismasy.

Ity tatitra fanadihadian'ny vaovao tamin'ny Desambra 2013 ity no manangana fanontaniana goavana hoe : inona no lamina ho ataonao ny Alin'ny Krismasy?

Ny valiny?

“Ho kuribotchi aho”

Ny Novambra 2014, olona teo amin'ny 1.800 tao amin'ny faritra manodidina ny tanànan'i Tokyo renivohitra, teo anelanelan'ny 20 sy 30 taona, no nanaovan'ny OpenTable, tolotra ety anaty aterineto fanaovana famandrihan-toerana aminà trano fisakafoana. Araka ny valin'ny fanadihadiana, eo amin'ny 60 isanjaton'ireo namaly no nilaza fa tsy manana fifamatorana maharitra izy ireo na tsy manana fifanomezam-potoana akory. 

Nanao kuribotchi miavaka ireo trano fisakafoana sy hotely sasany mba ho an'ireo mpisakafo samirery sy ireo mpankalaza ny Alin'ny Krismasy, hakàna tombony amin'ny fitovian'isan'ireo mihevitra ny hankalaza samirery amin'ireo hijanona any an-trano na handeha hivoaka amin'ny Alin'ny Krismasy (afaka milaza safidy maro fa tsy tokana monja ireo namaly):

20141111open003

“Ahoana no heverin'ireo roapolo taona mahery kely handaniana ny Krismasy.” Loharanon-tsary: Nikkei Woman.

Ny tena misy lanjany ho an'ireo tomponà trano fisakafoana anefa dia ny momba ireo 43 isanjaton'io fanadihadiana ny eo anelanelan'ny 20-30 taona io, izay nilaza fa tsy handany mihoatra ny 100 dolara amerikana ry zareo ho fankalazany ny Alin'ny Krismasy, zavatra iray mifangarika amin'izay fanjifàn'ireo andian-taranaka nisy tany amin'ny 25 taona lasa, fony tsy nisy fetrany ny fandaniana ho anà alina goavana iray hifanaovana fotoana.

Mihamaro ireo Japoney eo anelanelan'ny 20-30 taona no misafidy ny hanomboka fiainana mitoka-monina:

Raha vao indray mandeha manapa-kevitra ny hihinana samirery ny tonohena Koreana ianao, dia hahatsapa fa tsy hisy intsony fomba hiverenan-dàlana ho aminà fiainana mavitrika ara-tsosialy.

Eto ny mpanoratra dia mampiasa ny fomba fiteny hoe  リア充, na “ria ju,” fomba fitenin'ny Japoney ety anaty aterineto izay azo ampifandraisina amin'ny IRL (in real life – amin'ny fiainana tena izy).

Ao anatin'ity resaka ity, ireo “olona ria ju ” dia manana fiainana mavitrika, mientanentana ara-tsosialy miaraka aminà namana marobe. Mifanohitra amin'ny kuribotchis izay maneho fomba fironana hafa ao anatin'ny kolontsaina Japoney, izay ety anaty serasera ny olona no tena mifampikasokasoka be indrindra, amin'ny alàlan'ny solosaina.

Eo amin'ny fiainana tena izy, tsy dia tena mbola nahazo toerana tsara amin'ny fiarahamonina Japoney ny fomba mandeha irery:

Nony nanontany efitrano fanaovana karaoke “samirery” aho, nentin-dry zareo ho aminà toerana azo lazaina ho malalaka ihany ho an'olona 25.

Ny hafa mbola manao kajikajy ny fomba hikarakaràny sakafo ho an'ny ririnina, toy ny lasopy be larony, izay raha ny fombandrazana dia iarahana mihinana amin'ny hafa:

Misy zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny fotsiny izao ato. Ny endrika hita maso aloha dia efa mahonena tanteraka… misy zavatra tsy ampy. Amin'ny lafiny iray, aleoko miforitra eto miaraka aminà lasopy be larony natao ho an'olona tokana.

Misy “meme” iray teraka ao amin'ny Twitter: olona miresaka ny fomba hilalaovana samirery ireo takelaka misy kilalao natao ho an'olona mihoatra ny iray :

Milalao samirery ny Lalaon'ny Fiainana aho.

Fiomànana, maka bàhana, lasa izao: milalao ny Lalaon'ny Fiainana natao ho an'olon-tokana.

Nihevitra ny hanandrana ny Lalaon'ny Fiainana ataon'ny tena samirery aho.

Ho an'ny sasany anefa, manamarika ny fanombohan'ny fanisàna mampalahelo farany ny fiafaràn'ny Novambra sy fiandohan'ny Desambra :

Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy misy afa-tsy andro 24 sisa dia hankalaza samirery ny Alin'ny Krismasy isika. Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy misy afa-tsy andro 24 sisa dia hankalaza samirery ny Alin'ny Krismasy isika.Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy misy afa-tsy andro 24 sisa dia hankalaza samirery ny Alin'ny Krismasy isika.Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy misy afa-tsy andro 24 sisa dia hankalaza samirery ny Alin'ny Krismasy isika.Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy misy afa-tsy andro 24 sisa dia hankalaza samirery ny Alin'ny Krismasy isika. [naverina in-dimy]

Ny kuribotchis sasany indray naka fiononana tamin'ny Snoopy, izay angamba mety hifampizara amin-dry zareo ny vintan-dratsiny amin'ny Alin'ny Krismasy :

Toa tahaka ny handany samirery ny Alin'ny Krismasy koa ilay zalahy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.