“Minisitra Vaovao Ao Okraina Hisahana Ny Fahamarinana” Nalàm-baraka Tao Amin'ny Tambajotra Sosialy

Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.

Nampivanàka ireo Okrainiana rehetra mihitsy ny namoronana teo anivon'ny governemanta Okrainiana ny Ministera iray vaovao hisahana ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao, nahatonga ny sasany hametaka anarana azy ho”Ministeran'ny Fahamarinana.” Lazain'ireo kiana fa ny departemanta Orwellian, natao hiaro ny Okrainiana amin'ny adin'ny seraseram-baovao ifanaovana amin'i Rosia, dia tsy hitondra afa-tsy ny fanelingelenana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fametrahana savaranonando hitera-doza, hahahafan'ilay governemanta vaovao hanana fifehezana midadasika kokoa amin'ireo media Okrainiana.

Ministera vaovao tantanan'i Yuriy Stets, tale taloha tao amin'ny Departeantan'ny Fiarovana ny Vaovao tao amin'ny “Garde Nationale” tao Okraina. Fahiny i Stets dia lehiben'ny famokarana tao amin'ny Fantsona faha-5, ilay fantson'ny TV izay mbola ny filoha Petro Poroshenko no tompony hatramin'izao.

Ireo mpiaro ny media sy ireo mpanao gazety no tena miasa loha manokana amin'ny ho mety hanelingelenan'ilay ministera vaovao ny asan'ny mpanao gazety, indrindra fa any amin'ny faritra ianjadian'ny ady any atsinanan'i Okraina, toerana izay efa olana rahateo ny fahafahan'ny media miditra ao aminy, ary efa marobe no niampanga tao amin'ny media sosialy sy nanohitra tao amin'ny parlemanta an'io finiavana vaovao io.

Arahaba ry minisitry ny fahamarinana? Tsy hanaikinaiky fahatany eo izahay!

.@HromadskeTV  saribe tsy fankasitrahana ny ‘Minisiteran'ny Fahamarinana’ nogiazan'ny mpiambina ny parlemana ao Okraina – sary avy amin'i @UkrpravdaNews pic.twitter.com/zNkxpdR2UR

 
Tao amin'ny  Facebook, i Stets, mpitarika ilay departemanta vaovao, izy tenany mihitsy no niaro ny filàna ilay ministera, tamin'ny filazàna fa ny fiarovana ny fampahalalam-baovao dia “iray amin'ireo teboka fototry ny filaminam-pirenena,” ary firenena maro no efa fantatra fa namorona birao tahakahaka izany rehefa fotoana tsy milamina. Kanefa, zohin-kevitra tsy naharesy lahatra hampitony ireo mpanakiana ilay ministera ny azy.

Henatra, henatra, henatra – izay no azoko iantsoana ny hevitra nentina namorona ny Ministeran'ny Fahamarinana. Amin'ny maha-mpanao gazety ahy ao amin'ny Fantsona faha-5 dia taitra aho, menatra, tohina

 

Fitaovana matanjaka fampiasan'ny Okrainiana hanoherany ny famoretan'ny governemanta sy ny tsy rariny ny fanaovana hadrohadro feno eso ety anaty aterineto, ary raha ny hita dia tsy misy hafa amin'izay ny raharaha manodidina ny “Ministeran'ny Fahamarinana”.

Ny sosokevitra hamoronana ilay ministera vaovao dia tsy hafa fa andrana diso làlana hiatrehana ireo kiana tsy an-kitsitsy atao amin'ny governemanta vaovao sy ny zavatra ataony. Namoronan'ireo mpisera kaonty “ministerialy” sandoka tao amin'ny media sosialy. Efa nahazo anaram-petaka sahady ny Ministeran'ny Politikan'ny Fampahalalam-baovao, hoe “Ministeran'ny Hakamoana sy ny Fandroràna eny amin'ny Valindrihana / Mpandrora mitsilàny” ary ny hoe “Ministeran'ny Politikan'ny Filàna ara-nofo,” sarinteny amin'ny tsy fisian'ny hilàna an'ilay birao vaovao sy ny fifampitankosenana akaiky eo amin'ireo manampahefàna samihafa ao amin'ny governemanta.

Ny kaonty Twitter an'ny “Minisiteran'ny Mazia” Okrainiana no naneho ilay finiavana vaovao hiarovana ny vaovao ho toy ny “vahaolana mazika” amin'izay maharary eo amin'ny firenena.

Miasa izahay! [soratra eo anaty sary: Ministeran'ny Mazia ao Okraina. Vokatra Mampitolagaga Fatratra Tahaka Izao Monja!]

FIRENENA MAHAVITA AZY.

Kaonty Twitter hafa, “Ministeran'ny Fahamarinana,” no maka aingam-panahy avy amin'ilay ministera mitovy anarana amin'izay ihany ao anatin'ny tantara noforonin'i George Orwell tamin'ny 1984, sady mitondra ny teny faneva iray ” ATO ny ady [ATO = Anti-terrorist operation]. Antoko ny Svoboda [Fahalalahana]. Politikan'ny RH ny kiantranoantrano,” nandikàna ny an'i Orwell hoe “Fandriampahalemana ny Ady. Fanandevozana ny Fahalalahana. Tanjaka ny Tsy Fahalalàna.”

Izay izany ry zalahy sy zavavy a! Hatombotsika ve?

Ny fanehoankevitra avy hatrany sy toy ny felaka avy amin'ireo Okrainiana olon-tsotra mpisera ety anaty aterineto ho an'ilay “fitiavana hiaro” ny vaovao ataon'ny governemanta vaovao dia toy ny fanairana hoe lasa mailo ny Okrainiana raha vao resaka finiavana avy amin'ny fanjakana no resaka ary azo eritreretina hanery ireo manampahefana mba hitandrina. Farafaharatsiny, manana tsara izay azony araraotina hanefena ho tsaratsara kokoa ny fomba fanoherany ry zareo Okrainiana, hatramin'ny fahaiza-miady amin'ny adin'ny fampahalalam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.