Sarivongana Nataon'i Rosia Ho an'i Steve Jobs, Nongotana Ho Fanoherana Ny Fanehoankevitr'i Tim Cook, Hatao Lavanty Any Ivelany

Steve Jobs shows off the iPhone 4 at the 2010 Worldwide Developers Conference, 8 June 2010, photo by Matthew Yohe. CC 3.0.

Steve Jobs nampidera ny iPhone 4 tao amin'ny vovonana 2010 manerantany ho an'ireo mpamorona rindrambaiko , 8 Jona 2010, sary avy amin'i Matthew Yohe. CC 3.0.

Miverina resahan'ny vaovao indray ilay sarivongana mahabe resaka nataon'i Rosia ho an'i Steve Jobs. Natao hanana endrika iPhone iray ary mirefy roa metatra latsaka kely, an'ny “West European Financial Union (ZEFS)” ilay sarivongana, izay najoro tamin'ny 2013 teo amin'ny tokontanin'ny Oniversitem-panjakàna momba ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao ao St. Petersburg, ary tamin'ny volana lasa teo fotsiny dia efa nesorina, ho toy ny fomba iray hanamelohana ny fanambaràn'ny Tale Jeneralin'ny Apple , Tim Cook, fa hoe lehilahy mpitia lehilahy izy. Niteraka fahasorenana manerantany ny vaovao momba ilay antony izay toa fankahalàna olona nentina nanaisorana ilay sarivongana. Kanefa ny oniversiten'ny St. Petersburg vao haingana no nilaza fa haverina ilay sarivongana rehefa vitan'ny ZEFS ireo fanamboarana vitsivitsy tsy maintsy atao.

Toa mazava ankehitriny fa tsy hiverina ilay sarivongana iPhone goavana tao Rosia. Vao maraina androany 1 Desambra, nilaza ny ZEFS fa hataony lavanty ho lasan'izay olona manome toky fa hitondra izany ho any ivelany ilay sarivongana. Manomboka amin'ny 5 tapitrisa robla ny lazam-bidy (eo amin'ny  $95,000). “Niainga taminà fifidianana tato anatiny, ny orinasa dia nanapa-kevitra ny hampanao lavanty azy io. Efa ho ny antsasak'ireo nifidy no nitsipaka ny hamerenana ilay sarivongana ho eo amin'ny nitoerany ao  St. Petersburg,” hoy ny ZEFS nanazava tao anatin'ny fanambarana ho an'ny gazety.

Screen capture from ZEFS's website, where it advertises the auction for its Steve Jobs monument.

Dikasarin'ny fafàna tao amin'ny tranonkalan'ny ZEFS, izay anaovany dokambarotra ny lavantin'ilay sarivongan'i Steve Jobs.

Ara-teknika, efa misoko mangina any ilay resaka lavanty, na dia mitatitra aza ny ZEFS fa tsy mbola naharay tolotra mahafapo azo raisina izy. Toa sahala amin'ny naharay tolotra vitsivitsy ihany ilay orinasa ao amin'ny pejy fandraisana ao amin'ny tranonkalany, somary mitavozavoza ihany avy amin'ny “tamberina” ankapoben'ny “interface”-ny.

Taorian'ny nanaisorana ilay sarivongan'i Jobs, nanomboka ny “Save Steve” (Vonjeo i Steve) ny Vkontakte, nanolotra ampahibemaso ny handray ny fandaniana rehetra amin'ny fanamboarana sy hanambatra ilay sarivongana hapetraka ao amin'ny foiben-toerany, izay ao St. Petersburg ihany koa. Taorian'ny fanambaran'ny ZEFS androany hoe mitentina 5 tapitrisa robla ilay sarivongana ary mila manome toky hamoaka azy ivelan'i Rosia, niteny ny Sekreteran'ny Serasera Amin'ny Gazety ao amin'ny Vkontakte, Georgy Lobushkin, fa tsy handray anjara amin'ny “sangy ratsy” tahaka izany ny orinasany. Tsy nasiany  fanomezan-toky mazava na dia kely aza, nolazain'i Lobushkin fa hiverenan'ny Vkontakte hodinihana ny hananganany sarivongana azy manokana ho an'i Jobs.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.