Renim-pianakaviana Voalaza Fa Namono Miaramila Talibana10 Nanjary Mahery Fon'ny Firenena

rezagul2

Nanjary mariky ny tolona hanoherana ny Taliban i Rezagul, sary nalaina niaraka tamin'ny zanany vavy Fatima. Lahatsary navoakan’ilay mpisera Afgàna Wish tao amin'ny Youtube.

Raha namoy ny zanany lahy tamin'ny fanafihan'ny Talibana tao amin'ny toera-pisavan'ny polisy ny vehivavy iray ao amin'ny faritra andrefan'i Afgànistan tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nandray an-tanana ny raharaha izy – ka naka basy AK-47. Naka ny zavatra rehetra ary namono ireo andia-miaramila Talibana tsikelikely tamin'ny basy, nankasitrahana toy ny “mariky ny herim-po” tao amin'ny tambajotra sosialy ity vehivavy ity ankehitriny.

Tamin'ny Alatsinainy 24 Novambra, nitatitra ny Tolo News ao Afganistana fa renim-pianakaviana Afgàna nampian'ireo fianakaviany no namono miaramila maromaro ary nandratra ireo maro hafa rehefa nahita ny zanany lahy polisy namoy ny ainy raha nanatontosa fanafihana tampoka tao amin'ny toera-pisavan'ny polisy akaikin'ny trano fonenany ny Talibana.

Ilay vehivavy, fantatra tamin'ny fanampin'anarany, Rezagul, nilaza hoe:

ساعت پنج صبح درگیری بالای پاسگاه امنیتی پسرم آغاز شد و هرلحظه جنگ شدت می‌یافت، سرانجام جنگ افزارها را برداشتم و خود را به .پاسگاه امنیتی پسرم رساندم و شلیک گلوله را بالای طالبان آغاز کردم

Teo amin'ny tamin'ny 5 ora maraina teo no notafihan'ny Talibana ny toera-pisavan'ny polisy misy ny zanako lahy. Raha nihamafy ny ady, tsy afaka nifehy ny tenako aho fa naka fitaovam-piadiana. Nankany amin'ilay toera-pisavana aho ary nanomboka namaly tifitra.

Araka ny filazan'ny sampam-baovao Afgàna ao an-toerana,Khaama Press:

[Rezagul] was supported by her daughter and daughter-in-law during the gun battle which lasted for almost 7 hours and left at least 25 Taliban militants dead and five others injured.

Notohanan'ny zanany vavy sy ny vinantonivavy i [Rezagul] nandritra ny fitifirana izay naharitra teo amin'ny adiny 7 teo ka namoizana Talibana 25 farafahakeliny sy naharatrana dimy hafa.

Fatima, zanaka vavin'i Rezagul nilaza hoe: 

.ما جنگ را خانواده‌گی برضد طالبان آغاز کردیم، گلوله‌ها را آماده می‌ساختیم تا مادر و پدرم بسوی طالبان شلیک کنند

Nanomboka nanatontosa karazana adim-pianakaviana hanoherana ny Talibana izahay, ary niomana manokana tamin'ny bala hoan'ny raiko [Abdul Satar, izay polisy ihany koa] sy ny reniko aho mba hiadiana amin'ireo fahavalo.

Misy ny fisafotofotoana mikasika ny isan'ireo Talibana namoy ny ainy notifirin'i Rezagul manokana. Nitatitra ny Servisy Afgàna RFER / L fa folo no isan'ireo Talibana matin'i Rezagul. Mety milaza ny fitambaran'ny isan'ireo miaramila namoy ny ainy tao anatin'ny fifampitifirana ny isa maro notondroina fa matin'i Rezagul tao anatin'ny fampahalalam-baovao Afgàna sy ny Daily Mail. Nanamarina ny isan'ireo miaramila 25 namoy ny ainy nandritra ny aty tao amin'ny toera-pisavana ny lehiben'ny polisy Farah, Abdul Razzaq Yaqoobi ary nilaza hoe:

.شجاعت و پایمردی این خانواده مایه‌ی افتخار ماست و این یک حماسه‌ی بیاد ماندنی برای پولیس و باشنده‌گان ولایت فراه می‌باشد

Mirehareha amin'ny herim-pon'ity fianakaviana ity izahay ary tantara hotsaroana mandrakariva hoan'ny polisy sy ny mponin'ny faritr'i Farah izany.

Hatramin'ny nitaterana ny vaovao, feno fankasitrahana an'i Rezagul ny tambajotra media sosialy Afgàna.

Sediq Sediqqi, mpitondratenin'ny ministeran'ny Atitany nisioka hoe:

Mariky ny revolisiona goavana sy fitroaram-bahoaka manohitra ny vondrona ny hetsika mitam-piadiana nataon'ity vehivavy ity hanoherana ny Talibana.

Lina Rozbih Haidari, mpanolotra fandaharana ao amin'ny Voice of America Servisy Afgàna, nanoratra tao amin'ny Facebook-ny:

اگر دختران کوبانی از سرزمین خود دفاع میکنند، امروز در سرزمین من نیز، ریزه گل ها، غیرت پامال شده ما را دوباره به ما پس میدهند.

Raha afaka miaro ny firenen'izy ireo [amin'ny ISIS] ny tovovavy Kiorda, ankehitriny afaka milaza am-pireharehana aho fa manana Rezaguls isika ato amin'ny tanindrazako izay afaka manome antsika indray ny voninahitra izay nohitsakitsahana nandritra ny taona maro.

Nangataka tamin'ny filohan'i Afganistana vaovao Ashraf Ghani i Mariam Aman mba hanomezana mari-pankasitraham-panjakana hoan'i Rezagul:

@ashrafghani  Tsy mihevitra ve ianao fa mendrika omena medaly G.A i Rezagul noho ny herim-pony sy ny fahaverezany ny zanany lahy toy izay ireo mpanao politika tsy misy ilàna azy

Sioka iray namazivazy fa tokony ho lasa minisitry ny Fiarovam-pirenena i Rezagul.

Ahatafidiran'ny politika loatra ny fifandraisana lahy sy vavy ao Afganistana, saingy toa hita fa nahafa-po an'ireo mpandala ny nentin-drazana roa tonta izay milaza ny vehivavy ho mpitondra ny voninahim-pianakaviana, sy miaro ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ny fanafihan'i Rezagul an'ireo taliban, ary mahita ny zavatra nataon'i Rezagul ho fandavana mamaivay ny fihevitra nentim-pahazarana fa malemy noho ny lehilahy ny vehivavy.

Araka ny noheverin'ny sioka iray:

 Malaza ny lahatsary misy an'i Rezagul izay namono talibana mpiady 25. Lazaina fa mahery fo. Vehivavy be faharetana nandalo fitsapana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.