Manohana Ny Fanovana Ny Politika Amerikana Momba An'i Kiobà Ny New York Times

Concierto Paz sin Fronteras, celebrado en La Habana en 2009

Fampisehoana “Fandriampahalemana Tsy Anavahan-tsisintany”, natao tao Havana tamin'ny taona 2009. Sary avy amin'i Juventud Rebelde, nahazoan-dalana. 

Nanamafy ny tsikerany mikasika ny politika ivelan'i Etazonia amin'i Kiobà ny New York Times tamin'ireo andian-dahatsoratra nivoaka nanomboka tamin'ny 11 Oktobra.

Nanasokajy ny toetry ny fifandraisan'i Etazonia sy Kiobà ho “mampahonena” ity gazety matanjaka ity, ary niantso ny filoha Barack Obama mba “handinika tsara an'i Kiobà, izay mety hiteraka politika ivelany goavana mahomby hoan'ny fitantanany ny fanovana lehibe ara-politika ao Kiobà.”

Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “A Cuban Brain Drain, Courtesy of the U.S.” [Fandosiran'ireo Manampahaizana Kiobàna, hatsaram-panahin'i Etazonia], ohatra, mitsikera mafy ny mizana tsindrian'ila ataon'i Etazonia, izay etsy andaniny, mandoka ny firenena Karaiba noho ny fandefasana dokotera Kiobàna hitsabo ireo mararin'ny Ebola ao Afrika Andrefana, saingy etsy ankilany kosa manana politikam-bahoaka izay “manamora ny fitsoahan'ireo mpiasan'ny fahasalamana nalefa any ivelany.”

Ireo Kiobàna mpiasan'ny fahasalamana maherin'ny 1 278 izay miasa ofisialy any ivelany dia nomena fahazoan-dalana tamin'ny alalan'ny fandaharan'asa hifindra monina ao Etazonina tamin'ity 2014 ity, ary manome “tombony voalohany hifandray mivantana amin'ny mpiasan'ny diplaomasia, ary manao izay hampanahiran-tsaina ny fitondrana Castro”, araka ny filazan'ny New York Times.

"La fuga de cerebros en Cuba, cortesía de EEUU", editorial de The New York Times.

Mpanoratra lahatsoratra ao amin'ny The New York Times.

Araka ny voalazan'ny gazety:

For the first time in more than 50 years, shifting politics in the United States and changing policies in Cuba make it politically feasible to re-establish formal diplomatic relations and dismantle the senseless embargo. 

Sambany tao anatin'ny 50 taona mahery, ny fanovana politika ao Etazonia sy ny fivoaran'ny politika ao Kiobà no manao izay hahazoana manaranteraka indray ny famerenana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy handrava ny ankivy tsy misy dikany.

Nilaza ny Fanadihadiana natao tamin'ireo olom-pirenena 2000 navoakan'ny Vaomiera Atlantika, mpandinika ny raharaha iraisam-pirenena nivoaka tamin'ny Febroary 2014 fa ny ankamaroan'ny Amerikana dia vonona amin'ny fanovana politika manoloana an'i Kiobà, anisan'izany ireo monina ao amin'ny firenena Florida, miorina eo 160 km miala ny firenena-nosy sy manana mponina Kiobàna be indrindra ivelan'i Kiobà. “Fanovana goavana hiala amin'ny lasa izany”, hoy ny tatitra. «Sarotra ifampiraharahana i Kiobà noho i Florida tsy azo ifampiraharahana. Mampiseho izany fanadihadiana izany fa tsy marina intsony ankehitriny izany fomba fiheverana izany.”

Manohana ny fanovana politika momba an'i Kiobà ny dimy amby enimpolo isanjaton'ny Amerikana sy ny Floridiana maherin'ny enimpolo isanjato, araka ny voalazan'ny fanadihadiana. Raha efa mahazatra ireo Demaokraty sy ny Tsimiankina ny fanohanana ny fanovana politika, manohana ny famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana ihany koa ny ankamaroan'ny Repoblikana.

Noho ny hevi-bahoaka, mihevitra ny New York Times fa «tokony hanaisotra an'i Kiobà ao anatin'ny lisitry ny Sampam-panjakana izay manohana ny fikambanana mpampihorohoro ny fitantananan'i Obama.” Efa tamin'ny taona 1982 ny fampidirana an'i Kiobà tao anatin'izany lisitra izany, noho ny fanohanan'ny firenena ny hetsi-pikomiana tao Amerika Latina, fifandraisana izay efa tsy misy intsony. “Miaiky ny manampahefana Amerikana fa mandray anjara mavitrika amin'ny fahamana ny olan'ny ady ao Kolombia i Havana amin'ny fanatontosana ny fifampiresahana hamerenana ny fandriampahalemana eo amin'ny governemanta sy ireo mpitarika ny mpiady anaty akata”, hoy ny gazety.

Ankoatra izany, ny gazety dia miantso ny: hamaranana ny ankivy, ny fanohizana indray ny fifandraisana ara-diplaomatika, ny fanohanana ny orinasa Amerikana liana amin'ny sehatry ny fifandraisandavitra ao Kiobà, fifampiraharahana amin'ilay Etazoniana mpanao fifampiraharahana Alan Gross momba ireo mpitsikilo Kiobàna telo izay nogadraina tao Etazonia nandritra ny 16 taona mahery, ny fampitsaharana ireo tetikasa tohanan'ny USAID handrodanana ny governemanta, sy fitadiavana “fomba handrisihana ny olon-tsotra Kiobàna hanita-pahalalàna any ampitan-dranomasina, fifanakalozana matihanina sy fampiasam-bola amin'ny orinasa madinika vaovao mirongatra manerana ny nosy.”

Mety hitranga mandritra ny Fihaonana an-tampony fahafiton'i Amerika ny fomba vaovao azo atao, fihaonana ambony eo amin'ireo mpitondra manerana an'i Amerika Avaratra, i Karaiba ary i Amerika Atsimo. Rehefa voahilika tamin'ny 1962, dia nasaina handray anjara tamin'ity fihaonana hotontosaina amin'ny volana Aprily 2015 ao Panama ity i Kiobà, hetsika izay heverin'ny filoha lefitra Panamiana sy ny Chancelière Isabel de Saint Malo fa mifanaraka amin'ny “fijerin'i Panama eo amin'ny politikany ivelany ananany izay mampiroborobo ny fifampiresahana sy ny fitadiavana marimaritra iraisana. “

“Miahiahy amin'ny fahatongavan'i Kiobà amin'ny fihaonana ny fitantanan'i Obama ary tsy nametraka ho adidy Obama ny hanatrika izany Atoa Obama,” hoy ny New York Times nanoratra. “Tsy maintsy – ary tokony hijery izany ho fotoana iray hararaotina hametrahana tantara izy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.