Adinoy Ny Rano Mangitsy, Ny Fanambin'ny Teny Indizena Atao Solony

Screenshots from some of the participants of the Indigenous Language Challenge

Dikasarin'ny fafàna ahitàna ny sasantsasany tamin'ireo lahatsarin'ny mpandray anjara tamin'ny Fanambin'ny Teny Indizena

Love it or hate it, (Tiavo na Ankahalao)  ny vely langoraony atao ety anaty sera manodidina ny Fanambin'ny Rano Mangitsy teo aloha teo dia nitondra fahatongavan-tsaina bebe kokoa hitodika tany amin'ny aretina sclérose latérale amyotrophique na “amyotrophic lateral sclerosis (ALS)”. Maka sary ny tenany voatondraky ny rano mangitsy hatrany an-tampondohany ireo mpandray anjara ary mihantsy olona hafa mba hanao toy izany koa na hanome vola ho an'ny fikarohana fanàfana amin'ny ALS.

Ankehitriny dia fotokevitra tsy misy hafa amin'izany, mikendry ny hanairana ny saina amin'ireo fiteny indizena, no misava ny làlany manerana ny aterineto. Ao anatin'ny Fanambin'ny Teny Indizena, izay manaiky hanao ilay fanamby dia tsy maintsy mandrakitra lahatsary iray amin'ny fiteny indizena ary manondro olona iray hafa hanao toy izany avy eo. Ny zavatra azo dia olona maro avy amin'izao tontolo izao izay namokatra lahatsary, ny sasany sambany vao nanao izany, ho toy ny fomba iray hizaràna amim-pireharehana/fifaliana ny tenin-dry zareo ety anaty aterineto no sady mandrisika misimisy kokoa ny maro mba hanao toy izany.

Noforonina ny vondrona iray ao amin'ny Facebook mba hanangonana ny rohy mankamin'ireny lahatsary ireny, toerana ahafahan'ny olona mizara ny antony nandrisika azy hanao izany sy mifandray amin'ireo hafa nandray anjara tamin'ilay Fanamby. Maro no nisafidy ny nampakatra avy hatrany ny lahatsariny ho ao amin'ny Facebook izay ahafahan'ny tsirairay mandre ireo fiteny avy any Amerika Avaratra, toy ny  Kwak'wala sy Lakota, hatramin'ny fiteny Miriwoong avy any Aostralia, ohatra.

Efa miala àny ankehitriny ny ezaka hamantarana ny niavian'ity fanamby ity, saingy araka ny lazain'ny mpandrindra ilay vondrona, iray amin'ireo mpandray anjara voalohany indrindra i James Gensaw, mampiasa ny teny avy amin'ny fiteny Yurok.

Iza avy ny sasany amin'ireo mpandray anjara? Ary maninona no tena manana ny lanjany ity hetsika ity? Colleen Fitzgerald, Talen'ny Laboratoara Fandinihana ireo Fiteny Amerikana Zanatany ao amin'ny Anjerimanontolon'i Texas any Arlington, no mizara ny fomba fiheviny ao amin'ny lahatsoratra iray nosoratany ho an'ny bilaogin'nyHuffington Post:

Maro amin'ireo lahatsary no avy amin'ireo olon-dehibe izay mianatra fiteny faharoa. Nandritry ny taona maro, ireo kilasimandry any Etazonia sy Kanadà dia samy nandray ny ankizy avy amin'ireo fianakaviana mampiasa ny fiteny zanatany. Nisy fiantraikany goavana teo amin'ny fahazoana ny fiteny zanatany io. Very taona marobe sarobidy ireo ankizy tsy mba afaka nifanerasera nampiasa ny fiteniny isanandro tamin'ny ray sy reniny na ny dadabe sy renibeny. Ao an-tokantrano no toerana ivelaran'ny teny sy hitomboany ho an'ny ankizy, ary ao ny ankizy no mandray ireo fomba fikabary samihafa izay maneho ny traikefa sy zava-niaiinan'ny olombelona. Ny very ve? Betsaka, miainga amin'ny fiteny andavanandro enti-manabe, hatramin'ny fiteny fampiasa amin'ny fombam-pivavahana, lanonana, na fizaràna ny tantaran'ireo razambe.

Indreto ny ohatra roa amin'ireo mpandray anjara tamin'ity Fanamby ity, izay nampakatra ny lahatsarin-dry zareo ho ao amin'ny YouTube. Jackelyn Seitcher miteny amin'ny fiteny Nuu-chah-nulth dia mizara teny maro taorian'ny nanekeny hanao ilay fanamby.

Manararaotra ny fahafahany manao ilay fanamby kosa i Monica Peters mba hanehoana ny fandikàna ireo asa ho amin'ny fiteny Kanienkeha. Avy eo izy mitodika amin'ireo mpikambana amin'ny vondrona Facekook “hitazonana hatrany ny Fiteny Kanienkeha Hatanjaka“, vondrom-piarahamoninairay ahitàna mpitarika sy mpampianatra, ary mpianatra izay sambany manomboka mampiasa ilay fiteny.

Misy lahatsary hafa voahangona ao amin'ny bilaogy “News From Native California”.

Nampakatra ny lahatsariny ho ao amin'ilay vondrona miteny amin'ny fiteny Kanien'keha (Mohawk) koa i Konwennenhon Marion Delaronde. Taorian'ny nanaovan'i Kehte Deer fanamby taminy, dia nandray anjara tamin-kafaliana izy sady nizara ny fomba fahitàny taorian'ny nampakarany ilay lahatsariny:

Heveriko fa efa nandre sahady ireo fiteny avy aminà firenena samihafa aho. Fa tsy maintsy ambarako anareo kosa hoe tena mahafinaritra daholo ny fiteninareo. Ampiasao mandrakariva ny fiteninareo raha azo atao. Mahabe fanantenana izany. Te-handrisika anareo rehetra aho mba hanohy hianatra, hanohy hifampianatra ary tena hametraka marina ny fiainanareo amin'izany, hiteny azy. Faly be aho fa afaka miteny ny fiteny Mohawk. Tsy tena malàma vava aho, misy betsaka banga ihany, saingy tiako ny hisaotra ny rehetra izay nandrakitra an-dahatsary ny tenany ho amin'ity fanamby ity, satria nanome aingam-panahy ho ahy ianareo ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.