Fongorin'i Bahrain Ireo Hetsi-bahoaka, Fa Kosa Tsy Ny Fanohanana Ny ISIS

A protester in Bahrain holds a sign that reads: "No to the state-sponsored terrorism, Bahrain is a gulf state that is witnessing the third year of an uprising led by the majority Shia population. Photograph by Hussain Altareef. Copyright: Demotix

Mpanao fihetsiketsehana any Bahrain, mitazona soratra mivaky toy izao: “Tsia ho an'ny Firenena manohana ny fampihorohoroana, firenena aty amin'ny elodrano i Bahrain, izay vavolombelon'ny faha-telo taonan'ny fitroarana notarihan'ireo vahoaka Shiita maro an'isa. Sary avy tamin'i Hussain Altareef. Fizakàmanana: Demotix

Amin'ny fomba ofisialy i Bahrain dia ampahany ao anatin'ny fiaraha-miasa ara-miaramila any amin'ny faritra miady amin'ilay zanaka an-tranon'ny Al Kaida (Al Qaeda), mahery fihetsika ary mpanao hery famoretana, fantatra amin'ny anarana hoe ISIS, izay naka an-keriny faritra midadasika be any Iràka sy Syria. Kanefa ny fitondram-panjàka ao amin'ilay nosy dia toa mbola manakipy ny masony amin'ireo mpanaraka ny ISIS (fanjakana islamika), mpamatsy ara-bola ary ireo mpamafy hevitra mpampisara-bazana (sekta) ao anatin'ny fireneny. Milaza ireo mpitsikera ny governemanta fa manampy azy ireo hamorona fihenjanana ao amin'ny sekta io fihetsika io, fihetsiky ny governemanta izay zatra nampangina ireo mpikatroka mafana fo miady ho an'ny demokrasia ao Bahrain, nitarika ny hetsika ho amin'ny fanovàna hatramin'ny taona 2011.

Fanentanana iray vao haingana tao amin'ny media sosialy no mampiseho ohatra iray mazava tsara momba ny fanohanana mitombo hatrany ny ISIS ao amin'ilay fanjakàna nosy kely. Ao anatinà lahatsary iray ao amin'ny YouTube, miantso ireo Bahraini hafa ireo Bahraini efatra mpikambana ao amin'ny ISIS mba handray fitaovam-piadiana ary hanjohy ny ady hanohitra ireo “mpampihorohoro” mitondra azy ankehitriny, ny fianakaviana mpanjaka Sunnita Al Khalifa, ary ireo vahoaka Shiita maro an'isa ao amin'ny firenena. Na dia teo aza izany, tsy nisy fanadihadiana nataon'ny fanjakana momba ilay lahatsary.

Miha mivelatra ny fampielezan-kevitry ny ISIS any Bahrain, eo ambany fiahian'ny governemanta

Misy lahatsary hafa niantso ny hanohanana ny ISIS ary nikaika herisetra ifanaovan'ny sekta:

youtube-is

Nihantsy ireo manampahefana mihitsy ny sariben'i AbuAldergham amin'ireo lahatsary ireo, izay milaza izany rahateo ho tena anarany, ny laharan'antsony, ary ny tantarany manokana ety amin'ny Aterineto:

dhergham

Izaho no Abu Dergham Al Hijri.
Mohammed Al Mahmood no tena anarako
Manana maripahaizana avy amin'ny Ivontoerana Ara-Pinoana aho
Ito ny laharan'antsoko 33784938

Tsy nisambotra ireo namorona ireny lahatsary ireny ilay sampanamiady amin'ny fampihorohoroana atao ety anaty Aterineto ao amin'ny firenena, izay mikendry isan'andro amin'ny fisamborana sy fampidirana am-ponja ireo mpitoraka bilaogy, ary ireo mpiaro ny zon'olombelona .

Mba hanomezana ohatra hafa iray, nisy fotoana i Abdulla Mubarak Albinali, rahalahin'i Turki Albinali, ilay “mufti” na olona mpiandraikitra ny fandikàna ny lalàna Silamo ho an'ny ISIS, dia namoaka ny votoaty manohana ny ISIS  tety anaty Aterineto. Nanontanintanian'ireo manampahefana Bahraini vetivety monja fotsiny izy, fa tsy nosamborina. Ilay rahalahiny iray, Mohammed Mubarak Albinali, no “Abu Alfida Alsalami” ilay mpiadin'ny ISIS ao amin'ilay antso natao tamin'ny YouTube hitàna fiadiana nolazaina tery aloha. Samy nahazo dera avy amin'ny rainy, Mubarak Abdulla Albinali, izy mirahalahy, izay lazain'ny maro ho lietnà kolonely.

Manampy amin'ny fandrindràna ny tantaran'ny sekta ny ISIS

Mino ve ireo olona ireo fa tsy hiatrika ny fiantraikan'ny zavatra ataony mihitsy? Nametraka io fanontaniana io ireo Barhaini mpiaro ny zon'olombelona mandinika ny zava-miseho. Maro ireo mino fa tia manome vahana ny tantaranà sekta ny fitondràna, mba hanapotehana ireo hetsika tsy miankina itakiana fiarovana ny zon'olombelona bebe kokoa any Bahrain.

Mety ho sarotra ho an'ireo Bahraini mpitondra ny hanohitra ny ramatahoran'ireo vondrona mahery fihetsika — sady amin'izay koa, niara-niasa navitrika taminy ihany izy ireo fahiny. Voaantso ho anisan'ireo nanao hetsi-pamoretana ireo vondrona mahery fihetsika, tamin'ny fatroaram-bahoaka  ny taona 2011 izay nahitàna olona an'arivony maro nidina an-dalambe nitaky fanovàna karazany maro sy fahalalahana avy amin'ny governemanta.

Nanosika ny firoboroboan'ny sekta ny fanampenam-bava, fanaovana haza lambo ireo “mpamadika”, ny fanapotehana ireo trano fivavahan'ireo Shiita sy fanadrohadroana ary fanompàna avy amin'ireo hery mpitandro filaminana. Nila ireo vondrona izay manohana ny fivakivakisana ho sekta io, ary nilaina tamin'izany ireo vondrona tena faran'izay mpandàla fisamantsamahana.

Ny tena marina, Turki Albinali, ilay “mufti” an'ny ISIS voalaza etsy ambony, dia nahazo ny lazany tamin'ny naha-mpikambana azy tao amin'ny hery mpanohitra ny revolisiônera izay nampiasaina hanohitra ireo hery nitaky fanovàna tany Bahrain. Ao anatin'ny lahatsary manaraka eto ambany, ny taona 2011, mikabary izy ho an'ny vondrona iray any Busaiteen, miantso azy ireo mba “hiaro” ny firenen'izy ireo amin'ireo “mpamadika” — ho entiny manondro ireo mpanao hetsika mitaky ny demôkrasia any Bahrain. Ao anatin'ireo vahoaka mihaino dia misy ireo olona mitazona famaky, hazo ary sabatra. Nahazo ny tso-dranon'ireo mpiasam-panjakàna ambony sasany izay nitsidika ilay famoriam-bahoaka tany Busaiteen mihitsy aza i Albinali. Na izany aza, tsy mbola niatrika fanilikilihana avy amin'ny fitondràna izy ireo, satria manaraka ny fitsipika fitantanana ny sekta nampiasaina hatramin'izay izy ireo.

Notrandrahan'i Turki Albinali ilay sehatra nomena ny mpanao an-tendrony (mahery fihetsika). Nanao toriteny fanao amin'ny andro Zomà izy, manainga mba hankahàla ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Masoivohon'i Etazonia any Bahrain ihany koa izy, nanofahofa ireo sainan'ny ISIS.

Tsy mahagaga io firoboroboan'ny sekta io — lasa pôlitika tsy ambara ampahibemaso fa tohanan'ny fanjakana io. Araka ny nambaran‘i Nicholas, ilay mpanao gazety ao amin'ny New York Times, hoe:

Herinandro vitsy lasa izay, nosamborin'ny mpitandro filaminana ao Bahrain ny mpiara-miasa amiko ao amin'ny New York Times, i Michael Slackman. Nilaza izy fa nambanan'ireo tamin'ny basim-borona, ary natahotra ny ho tifirin'izy ireo mihitsy raha iny teo am-pamoahana ny pasipaorony iny no sady nihiaka fa hoe mpanao gazety Amerikana. Avy eo, milaza izy fa niova tampoka teo ny fihetsik'ilay mpitarika ary nanatona ny filohan'ilay vondrona ka nandray ny tànan'i Mr. Slackman, nilaza taminy tsara hoe: “Aza matahotra! Tinay ny Amerikana !”

“Tsy mikendry anareo izahay. Fa mikendry ireo Shiita kosa,” hoy ny nanampian'ilay mpitandro filaminana izany. Tsaroan'i Mr. Slackman: “Sahala amin'ireny hoe nihaza voalavo ireny izy ireo.”

Tsy miditra an-tsehatra mba hanakana ilay firoboroboan'ny fitiavana an'i Turki Albinali mihitsy ny governemantan'i Bahrain, noho ny antony mitovy amin'ny tsy nanarahana ny famoretana manerana ny Golf tamin'ireo Rahalahy Silamo. Namana manan-danja izy ireo, izay afaka manampy amin'ny fanitarana ny fomba fitantanan'ny fitondràna ny sekta ho fanoherana ireo fitroaram-bahoaka. Ireo vondrona ireo no mety hany namana farany ho an'ny fitondràna ao Bahrain.

Ireo mpanaraka matanjaka ny ISIS any Bahrain

Tsy vao voalohany izao no nitondran'i Bahrain ny anjara birikiny amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana hery ireo vondrona mpihoko. Ao anatin'ny bokiny  “Ireo matihanina – Politika sy Heloka bevava – Famotsiam-bola iraisam-pirenena,” manoratra i Heinz Duthel:

Taorian'ny 11 Septambra 2001, lasa olana lehibe ho an'ny fitantanan'i Bush tao Etazonia tamin'ny ady amin'ny fampihorohoroana ny famotsiam-bola, na dia milaza aza ireo tsikera fa lasa zavatra mihamihen-danja ho an'ny Trano Fotsy io. Clearstream, any Luxembourg, “bankin'ireo banky” izay manao “fifamenoana ara-bola”, ivon'ny kajy fifanalàna na fifanampiana amin'ny resa-bola ho an'ireo banky an-jatony, dia nampangaina ho mpandray anjara lohany amin'ny toekarena ambanin'ny tany, amin'ny alàlan'ny fomba fanao iray tsy famoahana ny kaonty; ny Banky Iraisam-pirenen'i Bahrain, izay an'i Osama ben Laden, dia nahazo vahana tamin'ny fanaovana ireny fampitàm-bola ireny.

Tsy zava-baovao ny fampiasàna an'i Bahrain ho toy ny seranana iray ara-bola ho an'ireo vondrona mpikatroka mahery fihetsika, saingy ny tena mampahatahotra dia ny fahafahany miroborobo be tato ho ato, tonga hatramin'ny hoe misy mpikambana amin'ny fianakaviana mpanjaka ao Bahrain nandefa bitsika fanohanana ny ISIS avy tamin'ny kaonty Twitter-ny, miaraka amin'ny sary lafika mampiseho ny sainan'ilay vondrona (naato moa ny kaontiny ankehitriny).

“Azon'ny tafika ISIS ny fitantanana ireo tanàna any Reef avaratra (ambanivohitra), taorian'ny namonoany Sahawat maro (ny mangiran-drasty vao nifoha).” ny kaontin'ilay Bahraini mpikambana ao amin'ny fianakaviana mpanjaka izay naneho fanohanana ny ISIS, efa naato ankehitriny

Mpikambana iray hafa avy amin'ny fianakaviana mpanjaka, “nanindrahindra” ny Jabhat Al Nusra (elatra iray an'ny Al Qaeda) :

Fanohanana ara-pitaovam-piadiana ireo lehilahy Al Nusra

[Mivaky toy izao ny sary:] Hetsika ho an'ny fampitaovana.
“action”  Alansar: 10,000 Riyal
“action” volamena: 5,000 Riyal
“action” volafotsy: 1,000 Riyal
“action” varahina: 500 Riyal
“action” tsotra: 200 Riyal
Raha handray anjara amin'ny fanohanana, iangaviana mba hiantso ahy amin'ny iray amin'ireo kaonty etsy ambany. Azo antoka io ary tsotra

Fanamarihana: ny “action” resahana eto ny fiteny fampiasa eoamin'ny sehatry ny fifanakalozana sy ny tsenam-bola

Atsy ho atsy ilay resaka dia ho lasa olana ho an'i Arabia Saodita izay miady amin'ny Al Qaeda ao anatin'ny fanjakany. Bahrain moa dia mipetraka tsy lavitra ny morontsirak'i Arabia Saodita, sarahan'ny fari-dranomasina hety dia hety tsy misy afa-tsy ampolony kilaometatra monja. Mizara fiaraha-miasa akaiky ireo fanjakàna roa mifanila ireo — Nandefa tafika tany Bahrain i Arabia Saodita ny taona 2011 mba hanampy tamin'ny fanoherana ny fitroaram-bahoaka tao.

Tamin'ilay vonomoka tao Dalwa tany Al Ahsa vao haingana, tany amin'ny faritra Atsinanan'i Arabia Saodita, lehilahy telo izay nambara fa niady tany Syria ho an'ny Al Qaeda no nanokatra ny fifampitifirana tamin'ny vondrona Silamo Shiita, nahafatesana olona dimy. Afaka novolavolaina tsara tany Bahrain io fanafihana io. Tsy ela akory taorian'ilay herisetra, nanapaka hevitra ny hifanome tànana indray tamin'ny ISIS ny Al Qaeda, ary imbetsaka mihitsy tany aloha no nisamborana ireo Bahrainis tany Saodita noho ny fiketrehana fanafihana mifandray amin'ny Al Qaeda.

Mety hitranga any Bahrain mihitsy ny zavatra mitovitovy amin'izany. Avy eo, nandefa izao bitsika izao i Khalid Al Khalifa, Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain, mba ho valin'ilay famonoana:

Raha tsy arovan'i Allah mihitsy, ary ny fahamailoan'ny rafi-piarovana, tsy tokony ho gaga isika raha misy famonoana sahala amin'ny tany Al Ahsa miseho any Bahrain. Misaotra ry Minisitry ny Atitany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.