Sazian'ny Governemanta Rosiana Ny Vondrona Mpanohana Ny LGBT Noho Ny Filazan'izy ireo Fa Mahery Fo Ny Tanora Pelaka

Roscomnadzor sanctions Children-404 for suggesting that gays can be good people. Images edited by Kevin Rothrock.

Nosazian'ny Roscomnadzor ny vondrona Children-404 noho ny filazan'ireo fa mety ho olona tsara ny pelaka. Sary avy amin'i Kevin Rothrock.

Voampanga tamin'ny fomba ofisialy noho ny “fampielezan-kevitra pelaka” tsy ara-dalàna ny mpanorina ny “Children-404”, tambajotra antserasera mpanohana ny tanora LGBT ao Rosia, mitovy amin'ny hetsika Amerikana “It Gets Better” [hihatsara izany]. Efa nitatitra ny tranga niseho tamin'ny vondrony tamin'ny herinandro lasa i Lena Klimova, taorian'ny fahatongavan'ireo mpanao fanadihadiana tao an-tranony sy ny nitondrana azy tany amin'ny biraon'ny polisy federaly. Nasaina hiatrika fitsarana ao Moskoa i Klimova tamin'ny 18 Novambra saingy tsy afaka nandeha izy satria monina amin'ny toerana 1700 kilaometra, ao Nijny Tagil. Nolavin'ny polisy ny fangatahan'i Elena Klimova mba hanatanterahana ny fitsarana akaikin'ny toerana misy azy.

Tamin'ny fanoratany tao amin'ny LiveJournal androany, namoaka sombin-dahatsoratra i Klimova – izay nantsoiny hoe “sombiny tsara indrindra” – avy amin'ny fiampangan'ny governemanta amin'ny Children-404. Avy amin'ny vesatra anenjehan'ny fanjakana ny vondron'i Klimova ity teny manaraka ity  :

… материалы в целом способны вызвать у детей представление о том, что быть геем – это значит быть человеком мужественным, сильным, уверенным, упорным, с чувством собственного достоинства и самоуважения …

Mety hahatonga ireo ankizy hino ny votoaty tao amin'ny [habaky ny Children-404] fa ny maha-pelaka dia midika olona mahery fo, mafy, mahatoky tena, mafy saina, ary olona manana fahamendrehana sy fanajan-tena.

… данные комментарии открыто выражают негативное отношение к матери, осуждающей подростка-гомосексуалиста ..

Ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny [ Children-404] dia miampanga ireo renim-pianakaviana manameloka ny fahapelahan'ny zanany.

… в данном сообществе практически отсутствует информация о том, что данные отношения являются нетрадиционными в понимании норм, обычаев и устоев РФ …

Tsy mba ahitana fampahafantarana ao amin'ny habak'ity fikambanana ity fa tsy nentim-paharazana araka ny fenitra, fomba amam-panao, sy ny fomba mahazatra ny Federasiona Rosiana ity fironanana [ara-pananahana] ity.

Ny vesatra fiampangana niorina amin'ny fanehoan-kevitr‘ireo mpanivana Federaly Rosiana omaly tao amin'ny Facebook, dia miampanga ny Children-404 ho manao izay hampidira-doza ireo LGBT tsy ampy taona amin'ny fampaherezana “am-pitiavana” azy ireo.

Toa milaza amin'ireo ankizy LGBT ny governemanta Rosiana fa mampidi-doza ny hafa izy ireo; ary mila ny fanarahamason'ireo mpitsabo izy ireo, izay hanazava azy ireo milamina fa ny maha-pelaka no manakana ny herim-po, ny tanjaka, sy ny zavatra tsara sy mahasoa rehetra. Raha tanora ianao ka pelaka, tokony hanalavitra ny olona mitovy aminao. Raha tsy maintsy ho pelaka ianao, mandehana manatona dokotera ary mitsaboa tena alohan'ny hinoanao ny filazana momba ny fahamendrehana sy ny fanajana tena.

Ahoana indray ny amin'ny fanambarana hoan'ny vahoaka “It Gets Better” (hihatsara izany)?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.