Manangana Fitaovana Ho Firaketana Ny Mozika

Fanavaozam-baovao avy amin'ny Tetikasa Tohanan'ny Rising Voices

Community of sticker designers collaborating. Photo by project.

Fiaraha-miasan'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpanome endrika ireny “sticker” ireny. Sary avy amin'ilay tetikasa.

Taorian'ny taona maro nanaovana mozika, dia nampanontany tena anay ny antony maha-zava-dehibe ny handraketana ireo tarika izay niresaka momba ny zava-misy iainana manodidina antsika. Ahoana no fomba iresahan-dry zareo ny zavatra azo asolo ny herisetra ao Meksiko? Inona no azontsika lazaina momba ny fanavakavaham-bolon-koditra? Azo atao ve ny miresaka tsy fitoviana? Ahoana no fomba anoratan-dry zareo mikasika ireo vahaolana azo raisina? Mety ho azo atao ve ny miara-miasa hamorona votoatin-kira iray izay hitondra zavatra ho an'ny sosialy?

Fabricación-de-Rack-para-Podcast-y-cuadros-para-serigrafía-3.1-450x600Ho an'io asa io, zava-dehibe ny manontany ny tena hoe fitaovana toy inona no miasa mba hahombiazan'ny fizaràna ny mozika. Izany no antony nahatonga ny filàna nanangana ny Santiaguero Rack D.I.T. ho lafika firaketana ny resaka kolontsaina.

Fiaraha-mientana ity asa ity, fandraisana anjara hatrany amin'ny tena fototra niketrehana azy. Manasa ireo vondrom-piarahamonina mitady fiovàna izahay, izay manohana anay, amin'ny fanomezana endrika ny ho votoatin'ilay lafika:

Sady izao koa, maninona no zava-dehibe ny hoe izahay ihany no manao ny fandraketana ho anay? Inoanay fa zava-dehibe ny mihaino ny feon'ireo manodidina anay. Heverinay fa ny fianaranay mihaino sy ny fahenoana anay dia ahafahana manome làlana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny mozika izay manorina ilay tambajotra sosialy. An'i Mayaclan sy PatBoy ny fiaraha-miasa voalohany, izay ho azy ireo no anolorana ity lahatsoratry ny bilaogy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.