Ry Mpitia ny Maritranon'i Myanmar, Ataovy Afa-Po Amin'ireto Sary avy any Yangon ireto ny Masonao

Yangon’s most famous landmark, Shwedagon Pagoda. Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Marika ahafantarana indrindra an'i Yangon, ny Pagoda Shwedagon. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Tari-dalana ara-maritranon'i Yangon (DOM Publishers, 2015)

Yangon (fantatra taloha amin'ny hoe Rangoon) no renivohitr'i Myanmar talohan'ny namindran'ny governemanta miaramila ny foibe ho any Naypyidaw tamin'ny 2006. Na dia tsy renivohitra intsony aza izy, dia mbola tazoniny hatrany ny maha-foibe voalohany ara-barotra sy ny maha-tanàna lehibe indrindra azy ao amin'ny firenena. Fanta-daza ihany koa izy noho ny hamaroan'ny fanorenana manan-tantara ao aminy sy ireo tsangambato ara-pivavahana ao aminy.

Ny “Harem-bakoka ara-maritranon'i” Yangon no asongadin'ny boky hivoaka tsy ho ela nosoratan'i Manuel Oka, Ben Bansal, ary Elliott Fox. Nandritra ny fikarakaran-dry zareo ny boky no nananganany pejy Facebook sy Tumblr, izay ahafahan'ny mpitsidika mahita ny sarin'ireo fanorenana malaza sy tsy dia malaza ao Yangon. Nangataka tamin'ny Birmana mpiserasera ihany koa ry zareo handefa sary miaraka amin'ny fanazavazavana momba ilay fanorenana ao amin'ny tranonkala.

Nifampiresaka tamin'i Ben Bansal momba ny tetikasa ny Global Voices vao tsy ela akory izay : 

Mong Palatino (MP): Inona no nahatonga anareo hanomboka ity tetikasa ity?

Ben Bansal (BB): Telo izahay no mpanoratra: izaho, i Manuel ary i Elliott. Samy manana ny fomba fijerinay izahay. Mpandalina ara-toekarenam-pampandrosoana aho sy variana amin'ny tantaran'ny tanàna sy ny fomba fivoarany. Manu, izay mpakasarinay, dia mpanao maritrano ihany koa. Misapaoritra aminy izahay amin'ireo sary mahatalanjona ao amin'ny boky sy ny fahalalàna ara-teknika ananany. Elliott indray dia miasa ao amin'ny sehatry ny fanampiana mahaolona sy ny zon'olombelona. Manam-pahitana kokoa amin'ny politika maoderin'i Myanmar izy. Miteny tsirairay amintsika i Yangon. Manantena izahay fa hitondra izany rehetra izany ny boky.

MP: Nanao ahoana ny setriny avy amin'ny mpiserasera sy manampahefana birmana?

BB: Nahafinaritra tokoa ny Birmana mpiserasera! Nanokatra pejy Facebook iray izahay,  namoaka sary iray isan'andro miaraka amin'ny fanontaniana iray. Tao anatin'ny volana vitsivitsy izahay dia efa nahangona mpanjohy mihoatra ny 6000, ary miharihary fa Birmana ny ankamaroan'izy ireo. Isaky ny fanorenana lehibe iray dia misy olona iray manome sombim-pampahafantarana anay azonay ampiasaina. Ao amin'izany zotra izany, dia miatrika fandraisana anjaran'ny besinimaro izahay! Tsy nahazo akony avy amin'ny manampahefana Birmana izahay.

MP: Inona no eriteretinareo hiarovana sy hampalaza ireo fanorenana manantantara ao Yangon ireo?

BB: Nahavita zavatra iankinan'ny ain-dehibe sy manome aingam-panahy ny Fikambanana MIsahana ny Vakok'i Yangon tamin'ny fananganana tondrozotram-Piarovana. Nahavita be ihany koa ry zareo tamin'ny fanerena ny governemanta. Manantena izahay ankehitriny fa hihaino azy ireo tsara ny governemanta. Maro ny marika ara-tantaran'i Kuala Lumpur na i Singapore, ohatra. Saingy ilaina ihany koa ny manasongadina fa matetika no miraikitra amin'ny vakoka ara-panjanahantany ny olona. Manantena izahay fa hanasongadina tantara mivelatra kokoa ny boky: Manana ny lafina mahatalanjona amin'ny tantarany ihany koa ny maritrano aorian'ny taona 1948. Ary misy ihany koa ny vakoka ara-pivavahana mahazendana ao an-tanàna: Bodhista, Kristianina, Haindò, Jiosy, Miozolomana. Raha mahavita maharo izany tantara izany tsy ho simba i Yangon, dia ho fitaratra hoan'izao tontolo izao izany.

Indreto ambany ireto ny sasantsasany amin'ny fanorenan'i Yangon izay mampiseho ny hamaroana sy ny mampiavaka manokana ny maritranon'ny tanàna:

"The Holy Trinity Cathedral is the main Anglican church in Yangon."  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

“Ny Katediralin'ny Trinite Masina no fiangonana Anglikana lehibe indrindra ao Yangon.” Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Taridalana Ara-Maritranon'i Yangon [Yangon Architectural Guide] (DOM Publishers, 2015)

The former headquarters of Burmah Oil.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Ny Foibe tao aloha an'ny Burmah Oil. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Surti Sunni Jamah Mosque on Shwebontha Street.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Moskea Sonita Surti Jamah ao amin'ny lalana Shwebontha. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Tari-dalana ara-maritranon'i Yangon (DOM Publishers, 2015)

Built in 1920, the former residence of the Kayah (Karenni) State governor.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Naorina tamin'ny 1920, fonenan'ny Kayah (Karenni) governoram-panjakana teo aloha. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Taridalana ara-maritranon'i Yangon [Yangon Architectural Guide] (DOM Publishers, 2015)

The folklore palace and restaurant Karaweik Hall.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Karazan-dapa sady Efitra lehiben'ny trano fisakafoanana Karaweik. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Yangon City Hall.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Lapan'ny Tanànan'i Yangon. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Tari-dalana ara-maritranon'i Yangon (DOM Publishers, 2015)

Independence monument near the former high court.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Tsangambaton'ny fahaleovantena manakaiky ny lapan'ny fitsarana ambony teo aloha. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Tari-dalana ara-maritranon'i Yangon [Yangon Architectural Guide] (DOM Publishers, 2015)

Aerial view of Yangon.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Zoro ijerena an'i Yangon avy eny ambony. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Ngadatgyi Pagoda. Designed with "Buddha’s hand gesture when he achieved enlightenment.  Photo by Manuel Oka for Yangon Architectural Guide (DOM Publishers, 2015)

Pagoda Ngadatgyi. Namboarina araka ny “Fihetsiky ny tanan'i Boddhà rehefa nahatontosa ny fahiratana izy. Saripikan'i Manuel Oka hoan'ny Tari-dalana ara-maritranon'i Yangon (DOM Publishers, 2015)

Ny sary rehetra dia an'i Manuel Oka, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.