Nametraka Volavolan-Dalàna “Fanafahana Amin'ny Tahotra” Ny Solombavambahoaka avy amin'ny Mpanohitra ao Serbia

Solontena 19 avy amin'ny Antenimieram-Pirenena Serba no nanolotra volavolan-dalàna hiantoka ny olom-pirenen'i Serbia tsy hanan-tahotra. Na dia zo voaantoka ao amin'ny Lalampanorenan'ny Repoblikan'i Serbia aza ny fahafahana, dia misy ireo politisiana sasantsasany tao anatin'ny volana vitsivitsy izay no mamerin-dalana azy amin'ny alalan'ny fihoara-pahefana miharihary.

Screenshot of a page of the official proposal of the Law on Freedom from Fear, as posted by Deputy Speaker of the Serbian National Assembly Gordana Čomić on Slideshare, used with permission.

Pikantsarin'ny pejy ofisialin'ny volavolan-dalàna momba ny Fahafahana amin'ny tahotra, araka ny navoakan'ny mpitondratenin'ny Antenimieram-Pirenena Serba Gordana Čomić azy ao amin'ny Slideshare, nahazoana alalana.

Ny volavolan-dalàna dia avy amin'ny solontenan'ny vondron'ny mpanohitra ao amin'ny antenimiera, mpikambana ao amin'ny Antoko Demokraty (Demokratska stranka – DS) sy avy ao amin'ny Antoko Vaovao (Nova stranka – NS). Amin'ireo solotenam-bahoaka 250 ao amin'ny Antenimiera Serba, voafidy tamin'ny fifidianana parlemantera tamin'ny Marsa 2014, dia 158 no avy amin'ny Antoko Progresista Serba (Srpska napredna stranka – SNS), tarihin'ny Praiminisitra amin'izao fotoana izao Aleksandar Vučić. Matetika no hita amin'ny vaovao ny Praiminisitra Vučić sy ireo mpiara-miasa aminy nandritra ny taona 2014 noho ny fanindriana ny fampitam-baovao sy ny olon-tsotra. Vučić moa nandà ireny filazana ireny, saingy lasa miharihary ny fomban'ny mpikambana ao amin'ny kabinetrany sasantsasany.

Ny mpanao gazety Milena Knezevic nanoratra hoan'ny Index on Censorship tamin'ny fiandohan'ny taona 2014:

Index has tracked the media freedom situation in Serbia since the early days of the current government. There have been reports of a journalist being interrogated by police for sharing a Facebook post, as well as physical and verbal attacks — often with impunity. But indirect control of media, smear campaigns and other methods of covert “soft censorship” also pose a serious challenge to Serbian press freedom. “Milošević never muzzled the media this perfidiously. His methods were far less sophisticated and everything was out in the open,” said Beckovic [a prominent journalist]. And it seems her colleagues agree that censorship is prevalent. Ninety per cent of journalists responding to a recent survey said censorship and self-censorship does exist in Serbian media, while 73% and 95%, respectively, said the media does not report objectively and critically.

Manaraka ny toerana misy ny fahalalahan-gazety eto Serbia ny Index hatramin'ny andro voalohany nitondran'ny governemanta ankehitriny. Efa nisy ny tatitra momba ilay mpanao gazety nataon'ny polisy famotorana noho ny lahatsoratra iray amin'ny Facebook, miampy taim-bava sy daroka – izay matetika tsy arahin-tsazy. Fa mametraka fanamby lehibe manoloana ny fahalalahan'ny fampitam-baovao serba ny fanarahamaso ankolaka azy, ny fanaratsiana sy ny fomba hafa entina manafina “sivana malefaka” ahatra aminy. “Tsy mba nanakombom-bava ny fampitam-baovao mihitsy i Milošević na dia tamin-kafetsena aza. Tsy sarotra ny fombany ary natao ankalamanjana avokoa ny zavatra rehetra”, hoy i Beckovic [mpanao gazety manana ny lazany]. Ary tarataratra fa mitovy hevitra amin'ny fahazoan'ny sivana vahana ireo mitovy asa aminy. Ny 90 % -n'ny mpanao gazety namaly fitsapa-kevitra an-taratasy no namaly fa misy ny sivana sy ny fanivanan-tena eo amin'ny fampitam-baivai serba, raha 73 % sy 95 %, araka ny filaharany no milaza fa tsy mitatitra tsy misy fitongilanana sy tsy misy fandanjalanjana ny fampitam-baovao.

Ny volavolan-dalàna feno momba ny Fahafahana amin'ny Tahotra, nampidirina tamin'ny 20 Novambra 2014, dia nasehon'ny mpikambana ao amin'ny Antoko Demokraty sady Mpitondratenin'ny Antenimieram-Pirenena Serba Gordana Čomić ao amin'ny kaontiny Slideshare manokana. Ao anatin'ny tahirin-kevitra nampidirina ny fanazavana ny antony nitondrana ity volavola ity:

II Razlozi za donošenje zakona

Razlozi za donošenje ovog zakona sadržani su, pre svega, u potrebi da se zaštite Ustavom zajemčeni slobode građana u slučajevima kada su te slobode ugrožene od strane organa javne vlasti[…] Smatramo da niko, a naročito organi javne vlasti, ne smeju da zloupotrebom ovlašćenja prilikom obavljanja poslova iz svoje nadležnosti zastrašuju građane Republike Srbije, i stvaraju stanje straha i neizvesnosti, pri čemu se građani prisiljavaju protiv svoje volje da nešto čine ili ne čine.

II Antony hampandaniana ny lalàna

Ny antony hampandaniana ity lalàna ity dia miompana amin'ny tsy maintsy ametrahana fiarovana ny fahalalahana sivily izay iantohan'ny Lalampanorenana amin'ny trangan-javatra hanitsakitsahan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta ireo fahalalahana ireo[…] Mihevitra izahay fa tsy misy, indrindra ireo manampahefana ao amin'ny governemanta, ny avela handrisika tahotra amin'ny olom-pirenen'ny Repoblikan'i Serbia amin'ny alalan'ny fihoaram-pahefana raha manatontosa ny andraikiny ao amin'ny faritra tantaniny, na manao izay isian'ny tahotra sy ny fanjavozavoana manery ny olom-pirenena, tsy amin'ny nahiny, hanao na tsy hanao zavatra.

Nandritra ny resadresaka fohy nifanaovan'ny Global Voices tamin'ny 22 Novambra 2014, ny Depiote Mpitondra teny Gordana Čomić no nilaza ny fanantenany fa ho takatry ny solombavambahoaka ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny mahazava-dehibe ny fampandaniana ity lalàna ity, ary indrindra ny mahazava-dehibe ny itondrana azy eo amin'ny Antenimiera hiadian-kevitra momba azy sy ametrahana daty aloha indrindra araka izay azo atao ho amin'izany. Araka ny fombafomba fanao ao amin'ny Antenimiera, ny fotoana aloha indrindra azo anatanterahana azy mba handinganany gorodon'ny Antenimieram-Pirenena dia 15 andro aorian'ny nametrahana azy, raha ny daty antenain-dramatoa Čomić hiadian-kevitra momba ity volavolan-dalàna ity ao amin'ny Antenimiera dia amin'ny 10 desambra 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.