Ny Dia Lavitr'ezak'i Rayman, ilay Olom-pirenena Tsotra Ao Hong Kong, Mpakasary Fanao An-Gazety Nahazo Loka

Rayman's photo of a protest incident on 8 of December 2013 has won the Best online Photojournalism Award. A female protester dashed out to the road with an attempt to stop the Chief Executive Leung Chun-ying's vehicle a district-level consultation meeting on the government annual budgetary report. The police carried her away and dropped her on the ground in the process. CC: AT-NC

Sarinà korontana taminà hetsi-panoherana ny 8 Desambra 2013, nalain'i Rayman, nahazo ny Lokan'ny Fakàna Sary Fanao an-gazety tsara indrindra tety anaty Aterineto. Vehivavy iray mpanao fihetsiketsehana mitsilany eo amin'ny làlana mba hanandrana hanakana ny fiaran'ny lehiben'ny mpanantanteraka, Leung Chun-ying, mba tsy hiala amin'ny fivoriana fakan-kevitry ny distrika momba ny tatitra ara-bolan'ny governemanta fanao isan-taona. Nobatain'ireo mpitandro filaminana izy ary nafotetak'izy ireo teo amin'ny tany nandritra izany. CC: AT-NC

Hong Kong In-Media, Fikambanana iray Tsy Miankina amin'ny Fanjakàna (ONG) miahy ny fanaovan-gazetin'ireo olon-tsotra, no nikarakara ny E-Citizen Awards (Loka ho an'ireo olon-tsotra ao amin'ny Aterineto) mba hampiroboroboana ny tatitra tsy misy toa azy (voalohany/orizinaly), hatsikana politika, saripika ary fanehoan-kevitra anaty Aterineto. Nitafatafa tamin'ny sasantsasany nahazo ny loka ireo mpanao gazety niara-niasa avy tao amin'ny inmediahk.net, media ety anaty Aterineto tohanan'ny Hong Kong In-Media. Ito ambany ito ny tafatafa niaraka tamin'i Rayman, ilay nahazo ny Loka Tsara Indrindra tamin'ny Fakàna Sary fanao an-gazety tety anaty Aterineto. Nosoratan'i Au-yong Lyun-faat ny lahatsoratra Shinoa, mpitati-baovao niara-niasa avy ao amin'ny inmediahk.net, ary nalefa ny 26 Oktobra tao amin'ny Mingpao, gazety voatonta eo an-toerana. Nadikan'i Jennifer Cheung eto ambany ho amin'ny teny Anglisy  ny lahatsoratra .

Natao tao amin'ny trano fivarotam-boky tao Mongkok ilay tafatafa, zara raha misy arabe iray manasaraka azy amin'ny iray amin'ireo toerana fanaovan'ireo mpiaro ny demôkrasia fitokonana mihitsy, toerana “mafana tokoa” araka ny filazan'ireo mpitandro filaminana ao Hong Kong azy. Ora vitsivitsy talohan'ilay tafatafa, nisy vondron-dehilahy hafa nanao saron-tava, nitondra antsy maranitra ankoatr'ireo fitaovana vy hafa nentiny, tonga mba hanala ireo sakantsakana napetrak'ireo mpanao fihetsiketsehana. Nandritra ny tafatafa, nitohy tonga foana ireo hafatra an-tsoratra ombam-panairana hoe toa manomboka manao korontana io hariva io, ireo “fehiloha manga,” vondrona miaraka amin'ireo mpitandro ny filaminana. Toa sahala amin'ny hipoaka foana amin'ny fotoana tsy voafetra ireo fifandirana eo amin'ireo mpomba ny Occupy sy ireo manohitra izany hatry ny 03 Oktobdra, raha nisy vondronà jiolahim-boto mpomba an'i Beijing nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana miaro ny demôkrasia tany Mongkok.

Araka ny fiteny Shinoa hoe : “Mibaby andraikitra ireo olona teraka tao anatin'ny fotoana mikorontana.” Mipetraka eo amin'ny fikirizan'ny mpanao fihetsiketsehana tsirairay ilay Hetsika Elo (Umbrella Movement). Rayman, mpitati-baovao an-tsitrapo ao amin'ny Gazety Sosialy Mitambatra (United Social Press) (USP), sehatra media amin'ny Aterineto, dia mino fa andraikiny ny mandrakitra ny zava-miseho ao an-toerana fanaovana fihetsiketsehana ao Mongkok amin'ny alàlan'ny fakantsariny.

Nandresy tamin'ny fifaninanana E-Citzen Awards nampanaovin'ny Hong Kong In-Media ka nahazo ny loka ho an'ny olon-tsotra tamin'ny sary fanao an-gazety Tsara indrindra i Rayman. Talohan'ny tafatafa, nananihany i Rayman, “Tsara kosa ny manao ito tafatafa ito eto Mongkok an, satria rehefa tapitra ity tafatafa ity, tonga dia afaka mankeo amin'ny arabe aho mba haka sary!” Hatry ny niatombohan'ny Occupy Mongkok ny 29 Septambra, nankeny efa ho isan'andro mihitsy i Rayman mba haka sary, rehefa vita ny asany andavanandro. Matetika no tafajanona taraiky eny hatry ny alina izy ary avy eo mody any an-trano, maka aina kely fotsiny dia miverina miasa indray.

Na dia tsy nahazo vola aza izy amin'ny fakàna sary, afa-po tsara i Rayman amin'ny asany. “Mahatsiaro tena heni-boninahitra aho amin'ny fanehoako io hetsika io amin'ny maha olon-tsotra mpitati-baovao ahy, mameno ireo banga avelan'ireo media sasany ary maneho sary fenon'ilay hetsi-panoherana.”

Mahafantatra na efa naheno ny USP daholo ireo mpaka sary fanao an-gazety an-tsoratra rehetra, satria eo foana ireo mpitati-baovao antsitrapo an'ny USP isaky ny misy hetsi-panoherana. Mandrafitra ny ekipa USP any Hong Kong i Rayman sy ireo mpilatsaka antsitrapo miisa folo, izay tsy mahazo karama na fiantohana, amin'ny fanantenana ny hanampy ireo vahoaka mba hahafantatra tsara ny zava-misy, miaraka amin'ireo sary vaovao hatrany alainy ara-potoana. Mino i Rayman fa “Ny tendron'ny fakantsary no mason'ny mpitati-baovao iray. Ny zavatra alainy, ny zoro azy ary na dia ny fahazavàn'ny sary iray aza no fitaratry ny fomba fijerin'ilay mpilaza vaovao.”

Ny “fakàna sary teny an-dalana” ny niantombohan'ny làlan'i Rayman nankany amin'ny sary entina hilazam-baovao. “Roa taona lasa izay, olon-tsotra Hong Konger miasa amin'ny sehatry ny fivarotana fotsiny aho. Miasa mandritra ny ora maro aho isan'andro ary tsy miraharaha ny momba ny fiaraha-monina izany. Ny tena marina, tamin'izany, tsy fantatro akory hoe iza i Xi Jinping [Filoha mpanatanteraka ao Hong Kong ankehitriny] na hoe iza i Li Keqiang [Praiminisitra Shinoa ankehitriny]. Sarisary foana natao hamoahana ny fahaizana fotsiny ireo ‘sary teny an-dalana’ nataoko.”

Indray andro, leo tamin'ny fiainany tsy misy fotony i Rayman ary nialàny ny asany mba hianatra nandritra ny taona iray mikasika ny fakàna sary matianina afaka entina hitadiavam-bola izy. Nanjohy ny USP izy ho olon-tsotra mpilaza vaovao.

Mametraka ny vahoaka eo amin'ny ivon'ny zavatra atao

Inona ny maha samy hafa ny sary entina hilazam-baovao sy ny sarisary eny an-dalana? Nieritreritra kelikely i Rayman ary namaly tamin'ny fiteny mampieritreritra hoe “Mitoetra eo amin'ny maha izy ahy tena hafa noho ny teo aloha mihitsy ary ny fomba fijeriko, ny fahasamihafàna. Nahatonga ireo zavatra alaiko sary hivaingana ny fiovàna teo amin'ny fiainako.”

Tiany ny toetoetra sahala ny an'ilay mpitatitra an'ady, James Nachtwey. Ny sary nalain'i Nachtwey nandritra ny fotoana niasàny no sari-nà fifandirana nanohina olona be indrindra. Toy izao ny fitantaràny ny mombamomba an'i Nachtwey: “Vavolombelona aho, ary izany ireo sary ireo. fijoroako vavolombelona. Tsy tokony hohadinoina ireo fotoana noraketiko, ary tsy tokony hiverina intsony ihany koa.” Milaza i Nachtwey fa afaka manova ny tany ny fitambaran'ny sary fanadihadiana nataony. Mizara ny finoany i Rayman fa amin'ny fifandimbiasan'ny tara-pahazavana sy ny aloka, raha tsy miraharaha ny olona sy ny fiarahamonina ilay mpaka sary, zava-poana ihany ny zavatra alainy, na dia eo aza ny hatsaran'ny hazavana sy ny zoro hakàny azy. Ny vahoaka no ivon'ny sary.

Angamba noho ny kiry lalina nananan'i Rayman hahalala zavatra momba ny vahoaka ary ny fanahiny tia mikaro-baovao hatrany, taona iray taorian'ny nidirany tao amin'ny USP, nilatsaka antsitrapo izy handeha any Thailand mba hitafatafa tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny fitondrana, ary nianto-tena. Afaka kelikelin'izay, nandeha tany Taiwan izy mba hitafatafa tamin'ireo Hetsiky ny Mpianatra Tanamasoandro sy ny diabe ho fanoherana ny nokleary. Samy hetsika lehibe daholo izy roa ireo ary nanova ny tantara.

Efa hanantona ny faha 30 taonany i Rayman, nahoana aza izy no tsy mitady asa tsaratsara kokoa ary mijanona tsy handehandeha ho eny anoloan'ireny hetsi-panoherana ireny?

Mino i Rayman fa misy ireo olona izay tia ny hatsaran'ny vonin'ny “cerisiers”, ary noho izany haka andro mihitsy izy ireo mba hakàna sary ireo voninkazo ireo any Japana. Fa ho azy, mahita ny tany no zavatra tiany. “Raha tsorina ny marina, nahazoako karama tsara ny asako teo aloha teo amin'ny sehatry ny varotra, fa nandany be dia be ihany koa aho. Sahala amin'ny zavatra miverimberina tsy misy fiafarany io. Amin'ny farany, tsy fatatro ny tena anton'ny hivelomako. Tsy fantatro mihitsy hoe maninona aho no maka ireo sary ireo.” Nofehezin'i Rayman tamin'ny fehezanteny iray ny fomba fijeriny ny fakàna sary: “Raha tsy matanjaka ianao [amin'ny finoanao], dia ahoana moa no hatanjaka ireo sarinao?”

Imbetsaka mandeha any ivelany i Rayman mba hitady vaovao. Na dia tsy manana fiantohana aza izy ary tsy ampy fitaovana tsara sahala amin'ireo mpanao gazety hafa, nataony izay hidirana haingana eo an-toerana, satria eny amin'ireny “toerana mampidi-doza” ireny, mivoatra haingana be ny tantara, ary tsy misy hanavahana ireo mpitatitra vaovao olon-tsotra sy ireo mpitatitra vaovao hatrizay intsony. Any Hong Kong, ireo filazam-baovao an-tsoratra efa voarakitra ihany no fantatry ny governemanta ho media ara-dalàna; voahilika ao amin'ny lisitry ny mpanao gazety any amin'ny governemanta ireo media rehetra ao amin'ny Aterineto.

Nandritra ny Hetsiky ny Mpianatra Tanamasoandro tany Taiwan, nataon'i Rayman izay nahatafidirana tamin'ny Fanaovan-dalàna Yuan tamin'ny fanaovana dingana tsotra hahazoana karatra maha mpanao gazetim-paritra azy fotsiny.

Foto-dalàna matihanina amin'ny asa

Hita mibaribary fa ambanian'ny governemanta ny sata ijoroan'ireo olon-tsotra mpilaza vaovao. Amin'izany ihany koa, ataon'ireo mpizaha vaovao matihanina tsinontsinona ireo olon-tsotra mpizaha vaovao. Nitatitra io olana io i Rayman ary nilaza ny ilaina maika ny hampijoroana ny foto-dalàna amin'ny maha mpanao gazety: “olon-tsotra mpizaha vaovao aho, fa tsy midika akory izany fa tsy manana foto-dalàna amin'ny mpanao gazety ahy aho. Tsy manana tombon-tsoa mihitsy ireo olon-tsotra mpizaha vaovao. Mila manaraka lalàna sasantsasany ihany koa anefa izy ireo. Mitovy amin'ny fangatahantsika an'ireo mpitandro filaminana tsy hanao fehiloha manga izany, rehefa am-perinasa izy ireo. Angatahana mba tsy hiandany na amin'ny andaniny iza na iza ireo olon-tsotra mpizaha vaovao, mba tsy hiampangana azy ireo ho manisy fefy amin'ny fandrakofam-baovao ataony. Sahala amin'ny eritreritr'ireo hafa mpanao gazety hatrizay, vao very ny fitokisana anao, sarotra be ny hamerenana an'iny indray.”

“Faharoa, tsy olana na olon-tsotra mpizaha vaovao ianao na mpitazana fotsiny, tsy tokony ho eritreretna ho manelingelina ireo sasany mpizaha vaovao mpaka sary amin'ny fanaovany ny asany ianao. Mahazo vola iainany amin'ny fakàny sary ireo mpaka sary mpizaha vaovao ireo. Tena zava-dehibe amin'ireo mpaka sary mpizaha vaovao raha mahazo sary tsara izy ireo. Any Taiwan, na dia mpitazana maro aza no naka sary an'ireo vaovao teo an-toerana, rehefa vita ny ataony, miezaka ny hiala eo izy ireo mba hanome toerana ny sasany haka sary. Mifanohitra amin'izany indray, ao Hong Kong, misy ireo olona mampiasa iPads mba hakàna sary ary tsy mijanona mihitsy raha tsy azon'ny sasany sary. Tsy mampaninona ahy ireo olona mpitazana maka sary, fa raha tianao ny hahatonga anao ho olon-tsotra mpizaha vaovao, mila mahafantatra ianao fa rehefa manao tafatafa, tokony tsy manelingelina ny hafa. Ohatra, raha naka sary ilay hetsi-panoherana aho, niala nanome toerana ny hafa aho rehefa nahazo sary iray na roa.”

Mihoatra noho ny mba hahazo “tiana”

After the interview, Rayman went in the front of the road barricade in Mongkok’s protest site, put on his yellow helmet with a "press" sticker on it, and started his photo shooting for the evening. Photo taken by Ip Iam-Chong inmediahk.net.

Taorian'ny tafatafa, nankeny anoloan'ny sakan-dàlana teo amin'ny toerana fitokonan'ireo mpanao hetsim-panoherana any Mongkok i Rayman, nanao ilay satroka mavony misy soratra hoe “mpanao gazety”, ary nanomboka naka sary ny hariva. Sary nalain'i Ip Iam-Chong inmediahk.net.

Mbola marary vodin-tongotra ihany i Rayman noho izy nitsangana foana fony izy mpivarotra. Ankehitriny, sarotra be aminy ny hitondra fitaovana mavesatra. Mpankafy sary entina hilazam-baovao izy, fa tsy mamela azy ho mpaka sary mpizaha vaovao amin'ny fotoana feno ny toe-batany. Na dia izany aza, tena mankafy tanteraka ny fahalalahany amin'ny maha olon-tsotra mpaka sary azy izy. “Raha miasa amin'ny gazety an-tsoratra ianao, miankina amin'ny fanapahan-kevitry ny mpamoaka sarinao no hivoahan'ireo sary nalainao. Tsy manan-ko tenenina ireo mpaka sary mpizaha vaovao. Miraharaha an'izany ve ireo mpandefa sary? Hatraiza no ahafahana manapaka ireny sary ireny? Mahatonga ny fanivanana amin'ny sary ihany koa ny fironan-kevitra ara-politikan'ny gazety an-tsoratra. Ka mety ho liana amin'ilay fotoana nandefasan'ny mpitandro filaminana tsifora dipoavatra tany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana fotsiny ny olona, ary vitsy no hahita ireo mpitandro filaminana sasany manampy ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana mamafa ny masony aorian'ny fifandonana.”

Nanamarika i Rayman fa mahatonga ireo olon-tsotra mpitatitra vaovao hifantoka bebe kokoa amin'ny toe-javatra misy fifandonana mafy, ny kolontsainan'ny fitadiavana loharanom-baovao any amin'ireo toerana fijerena Aterineto. “Satria mora mahazo “tiako” eo noho eo hatrany ireo sari-nà fifandonana ireo rehefa alefa amin'ny Facebook… Raha afaka maneho ireo tantara zara raha voatatitr'ireo media ofisialy, izay tsy raharahian'izy ireo matetika, ireo olon-tsotra, afaka mampiseho tantara feno/manankarena tsara izy ireo. Tsy voatery hifaninana amin'ireo media ofisialy hafa ny andraikitry ny olon-tsotra mpizaha vaovao, aminà sary iray, fa kosa mameno ny banga avelan'ireo media mahazatra ireo.”

Ankoatry ny fitaterana sary avy amin'ireo toe-javatra isehoan'ny vaovao, manao sary fanadihadiana ihany koa i Rayman. Nanomboka tetikasa iray mba hanadihadiana ny momba ny fiavotan'ireo tanora aorian'ny fandraisany rongony, enim-bolana izay. Hatreto, sary telo fotsiny no mbola azony tamin'izany tetikasa izany, mandany betsaka amin'ny fotoanany miaraka amin'ilay tanora eny rehetra eny izy. “Raha afaka mametraka fifampitokisana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany isika, afaka mahalala zavatra maro ianao amin'ny fijerena indray mipi-maso fotsiny ilay olona ho hadihadiana.”

Taorian'ilay tafatafa, naka ny kitapony sy ny satro-by i Rayman, ary naka ny sarin'ny andro faha-26-n'ny fitokonan'ny hetsi-panoherin'ny Occupy Mongkok (Bodoy i Mongkok).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.