Niandry ny Taona Manontolo Hahazoana Mofomamin'ny Noely? Tongasoa Eto Japana Tsy Misy Dibera

Butter in Japan. Photo by David Schofield, February 24, 2011. CC 2.0.

Misy ny tahotra amin'ny krisimasy ao Japana izay mifandraika amin'ny margarinina mifototra amin'ny canola [karazana kolzà na karazan-daisoa nokarakaraina sy novokarina avy any Amerika Avaratra]. Saipikan'i David Schofield, Febroary 24, 2011. CC 2.0.

Ao anatin'ny tsy fisian'ny dibera i Japana ankehitriny, izay mety hiteraka fiantraikany mampihoron-koditra ho an'ireo mpitia ny sakafo nentim-paharazan'ny ririnina ao Japana, ny mofomamin'ny noely.

Tandremo: Nahemotra ny krismasy. Noho ny tsy fisian'ny dibera eto Japana, dia mety ho tsy azo tanterahina ny mividy mofomamin'ny noely mahazatra eto Japana mandritra ity fety ity.

Ao Japana, na dia tsy andro fety aza ny andron'ny noely, dia efa nentim-pahazarana any ny fihinanana akoho mendy na akoho frity sy mihinana mofomamin'ny noely amin'ny takariva mialoha ny krismasy. Manana ny fiavahany ny mofomamin'ny noely japoney amin'io andro io fa ilay mievotrevotra na ireny mofomamy kely boribory ireny, izay misatroka frezy sy matevina dia matevina ny herotra [creme] aminy.

Fa manana anjara toerana lehibe atao eo amboniny ihany koa ny dibera:

mofomamin'ny noely miendrika pianô! mofomamin-diberan'i Seijofugetsudo.

Efa niteraka adihevitra tao Japana ny tsy fisian'ny dibera tamin'ny fiandohan'ny taona 2014, rehefa nampanantena ny hanafatra dibera ny governemanta tamin'ny volana mey mba hamenoana ny filàn'ny mpanjifa.

Araka ny filazan'ny minisiteran'ny fambolena ao Japana (hita ato ny dikany amin'ny teny anglisy) ny olana dia mifandraika amin'ny hafanana manempotra ao Japana mandritra ny vanim-potoanan'ny andro mafana ka mahatonga ny omby ao ho ana sy tsy afa-mamokatra ronono.

Ny fahanteran'ny mponina ambanivohitra any Japana ihany koa, araka ny filazan'ny minisiteran'ny fambolena, dia midika fa mihavitsy ny tantsaha miasa isan'andro :

There were some 82,000 dairy-farming households in fiscal 1985, raising around 2.11 million domestic animals. The figures have dropped since then, however, and the number of farmers this fiscal year totals around 19,000, with some 1.4 million animals. In just five years from fiscal 2009, the volume of raw milk production has dropped by about 5 percent, from 7.88 million metric tons to 7.45 million tons.

Nisy teo ho eo amin'ny 82000 eo ny mpiasa isan'andro tamin'ny toeram-piompiana sy fambolena nandritra ny taon-ketra 1985, izay nikarakara biby fiompy eo ho eo amin'ny 2,11 tapitrisa eo. Nidina hatrany anefa io tarehimarika io hatramin'izay ary tamin'ity taon-ketra ity dia manodidina ny 19.000 eo ho eo ny fitambarany, sy biby fiompy 1,4 tapitrisa. Tao anatin'ny dimy taona monja hatramin'ny taon-ketra 2009 dia nidina 5 isanjato ny voka-dronono, avy amin'ny 7,88 tapitrisa taonina no nijotso any amin'ny 7,45 tapitrisa taonina.

(Hoan'ireo liana, ity vaovaon'ny NHK, amin'ny teny Japoney, ity no ahitana antsipiriham-baovao betsaka kokoa momba ny fanamby atrehin'ny mpamokatra dibera ao Japana.)

Na dia misy aza ny fanafarana dia lany vetivety hatrany ny dibera.

Oa, tsy manana dibera amidy intsony ry zareo.

Ny tsy fisian'ny dibera manakaiky krismasy ihany koa dia niteraka fanaovana sary hampihomehezana amin'ny aterineto ao Japana: Mpitsoa-ponenan'ny dibera.

Tsy misy dibera! (゚Д゚) miditra ao amin'ny Twitter miresaka ilay krizy ny “Mpitsoa-ponenan'ny Dibera” avy amin'ny lafivalon'i Japana. manangona izany rehetra izany ato i NAVER Matome: http://t.co/HltjvzTH6g

Nieritreritra aho hoe miserana fotsiny ihany ilay tsy fisian'ny dibera, fa arakarakyny ikarohako no ahitako fa tena olana goavana izy ity.

Efa maro ireo mpisera Twitter no mitsinjo fa hisy fiantraikany amin'ny Krismasy ny tsy fisian-dibera.

Tonga mialoha ny Krismasy izy ity ary nanjavona tany amin'ireo tsenambarotra lehibe manodidina ahy ny dibera. Raha hita ho olana andavanandro tafiditra lalina izy ity, dia manantena aho fa ho afa-mihoatra amin'ny vanim-potoanan'ny Krismasy ihany.

Tsy hoe izay no vita rehefa tsy misy ny dibera raha hanao mofomamin'ny noely tonga lafatra. Maro dia maro tokoa ny lahatsary YouTube amin'ny teny Japoney no manazava ny fanaovana dibera miainga amin'ny tsy misy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.