Hoy Ny Thailandey Mpianatra tamin'ireo Mpanohitra ao Hong Kong: “Aza Mitsahatra’

thai students

Pikantsarin'ny Hangout

Tao anatin'ny adi-hevitra Google+ “Hangout” iray miresaka ny toe-draharaha sy ny lalàna ao Thailandy, no nandefasan'ireto mpianatra dimy sy mpomba ny demokrasia hafatra tamin'ireo mpitolona ao Hong Kong manao hoe :”Aza mitsahatra”

Misy dikany ny isan'ny mandray anjara — dimy — ity satria mandrara ny famoriana olona dimy noho mihoatra hiadi-hevitra politika ny lalàna thailandey. Ankoatra izay, azo melohina ho manao fikomiana ny olona miantso fihetsiketsehana eny amin'ny tambajotram-pifandraisana. Navitrika tamin'ny fanoherana ny fitondrana miaramila ao an-toerana, izay nandray ny fahefana vao haingana tamin'ity taona ity tamin'ny fanonganam-panjakana, moa ireo mpianatra ao amin'ny tambajotra .

Nanomana ny “Hangout” niaraka tamin'ny vondrona aho. Nanao io hafatra io ho an'ny mpianatra mpanohitra ao Hong Kong i Rick Rhian, mpikatroka sady  mpianatra injenieran'ny asa sivily ao amin'ny sekoly Prommanusorn :

The message that I want to give the Hong Kong students is, do not give up and do not let the system of Thailand be advanced upon you guys.

Ny hafatra tiako hampitaina amin'ny mpianatra Hong Kong dia hoe, aza ajanona ary aza avela handavo anareo ny rafi[-pitantanan'i] Thailandy

Nizara avy hatrany ny fanohanany an'ireo mpanohitra ao Hong Kong sy an'ireo demokrasia ao amin'ny faritra ihany koa ny hafa. Eto ambany ny rohy ahitana ampahany amin'ny horonantsary nandritra ny adi-hevitra

Nisy fihetsiketsehana tao Hong Kong ho setrin'ny fanapahan-kevitry ny Governemanta Sinoa hametra ny isan'ireo kandidàn'ny fifidianana ao Hong Kong ho amin'ireo izay fantenan'ny komity notendren'i Beijing.

Lohahevitra maro no nifampidinihan'ireo Thailandey mpikatroka, isan'izany ny toe-draharaha misy ankehitriny ao amin'ny firenena, ireo fihetsiketsehana nataony vao tsy ela tao amin'ny Oniversitén'i Thammasat sy tany an-kafa, ary ny ezaky ny fitondrana miaramila hanafoanana ny mombamomba ny praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra amin'ny boky tantara thailandey amin'izao fotoana.

Tamin'ny vola mey ny fitondrana jadona miaramila no nanala ny praiminisitra Yingluck Shinawatra tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Nampihantona ny Lalampanorenana tao an-toerana ny fitondrana miaramila, nanambara ny fampiharana ny lalàna miaramila, ary nametraka fepetra henjana eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy mamory olona. Ny Jeneraly Prayuth Chan-ocha, lehiben'ny tafika Thai, no notendrena ho praiminisitra vaovao. Nilaza i Chan-ocha fa hisy ny fifidianana saingy tsy namaritra daty izy ankoatra ny efa nolazainy fa tsy ho ao anatin'ny roa taona no hanatontosana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.