Fiofanana Mibilaogy Hoan'ireo 35 Lasibatry ny Fanandevozana Tao Maoritania

Vaovao momba ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising VoicesIRA bloggers. Photo by Seydi Camara.

Bilaogera IRA. Sary avy amin'i Seydi Camara.

Nahazo fiofanana momba ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra ireo tanora mpikatroka 35 sy mpanohana ny ONG (mpitaky fanafoanana ny fanandevozana) IRA-Mauritania tamin'ny 11, 12 sy 13 Aogositra 2014, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa vatsian'ny Rising Voices ara-bola. Notontosaina nandritra ny telo andro ny fiofanana, saingy nohalavaina noho ny fahalianana lehibe teo amin'ireo mpandray anjara. Raha tokony ho mpandray anjara 35, nahasintona mpandray anjara 40 isaky ny fotoam-piofanana ny hetsika.

Mavitrika sy vonona ireo ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny nogejaina (andevo teo aloha avokoa ireo mpanohana ny IRA), fihetsika tsara izay niseho hatrany nandritra ny fotoam-panazarana rehetra sisa.

Nandritra ny fanazarana, nanampy nandresena ny olana goavana teo amin'ny sakana amin'ny teny ny raharahan'ilay mpandika teny. Tamin'izy ireo mbola Haratin (andevo teo aloha), miteny amin'ny teny Arabo, tenin'ireo tompon-dry zareo (mpanandevo) teo aloha ny ankamaroan'ireo mpandray anjara, nefa tamin'ny teny frantsay kosa no nanaovan'ireo mpampianatra ny fiofanana.

Manana solosaina 23 sy aterineto ADSL fa lafo loatra ilay efitra saika nanaovana ny fiofanana tany am-boalohany ho fanatontosana ny hetahetan'ny fikambanana. Mba hampihenana ny fandaniana, ahafahana manohy ny fanarahamaso ara-teknika hoan'ireo mpiofana, fotoam-piofanana teorika telo no nokarakaraina tao amin'ny foiben'ny ONG IRA-Maoritania tamin'ny hofany zakan'ny fahefa-mividin'ny tetikasa. Hotontosaina ao amin'ny laboratoara TIC (teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana) ny famintinana sy ny fampiharana mba hamoahana ireo bilaogy natsangana nandritra ny fiofanana momba ny fanazaran'olo-tsotra ho mpampita vaovao. Ho fantatra atsy ho atsy ny daty hanaovana izany.

Noraisina izany fanamby ara-pikarakarana izany noho ny fahalianana eo amin'ny ONG IRA – Maoritania ho fampahafantarana amin'ny sasany amin'ireo mpikatroka ao aminy ny asam-pampitam-baovao ataon'olo-tsotra amin'ny alalan'ny fanamoràna ny fananganana bilaogy izay hanampy ny fikambanana amin'ny tolom-panafoanana (fanandevozana ohatra).

Nanjary azo tsapain-tanana ny fijoroan'ny fiarahamonin'ireo bilaogera Maoritaniana. Nandritra ny fiofanana, lahatsoratra maro isan-karazany no efa nosoratana. Nizara vondron'ekipam-panoratana lahatsoratra telo ireo mpandray anjara mba hanatontosa lahatsoratra amina sehatra telo hampahafantarina ny ampitso.

Hanampy betsaka amin'ny fampiroboroboana ny zon'olombelona ao Maoritania ny fanatontosana ity tetikasa ity ary indrindra hahafahana:

  • miampanga ireo mpanohana ny fanandevozana sy ireo mpiray tsikombakomba aminy
  • manampy amin'ny fampiroboroboana ny zo ara-kolontsaina sy ny fitoviana amin'ny alalan'ny fanapariaham-baovao
  • manolotra seha-panaitairana sy fahaiza-mihaino amin'ireo vondrom-piarahamonina marefo indrindra
  • ary farany manampy amin'ny fametrahana firenena tan-dalàna mifototra amin'ny fitovian-jo, ny rariny ary ny fifanajana eo amin'ireo fiarahamonim-pirenena

Tsara ny manipika fa firenena Afrikanina manana fiavian'olona maro, fahasamihafana ara-kolontsaina sy ara-pirazanana roa ny Repoblika Islamikan'i Maoritania izay onenan'ireo manana fiaviana Afrikanina sy mpiavy Beidhanes (akta) Haratin, Peulh, Soninké, Wolof, ary Bambara.

Hatramin'ny taona 2008, tamin'ireo tranga fanandevozana maherin'ny 21, ireo mpitory ihany no mandoa ny lany amin'ny fitsarana fa tsy ireo toriana. Tsy dia mitantara firy ny fiampangana fanandevozana sy ny fiankohofan'ny fitsarana manoloana ny sampana mpanatanteraka ny gazety tsy miankina. Afaka mamonjy amin'ny famoahana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ity firenena ity ny ekipa mpanamora ny fanaovana bilaogy sy pejy media sosialy.

Nadikan'i Afef Abrougui Tamin'ny Teny Anglisy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.