‘Manongana Androany, Voakipily Rahampiso’ Ary #OhabolanaSandokaArabo Mahatsikaiky Hafa #FakeArabProverbs

"When in Beirut, do as the Parisians do," tweets Khaled Bey under #FakeArabProverbs. Photo by:  Charbel Torbey. Copyright: Demotix

“Rehefa any Beirut, manaova toy ny ataon'ny Pariziana,” hoy ny bitsik'i Khaled Bey eo ambanin'ny tenifototra #FakeArabProverbs. Sary an'i Charbel Torbey. Fizakàmanana Demotix

Mety hahasorena sy hanahirana ny mamaky zavatra mikasika ny ao Afovoany Atsinanana. Mba hanampiana amin'ny fanamaivànana ny hirifirinao dia natombok'ireo Arabo mpampiasa Twitter ny fanentanana maneso antsoina hoe #FakeArabProverbs.

Dom-berin'ilay hanihany mainty tamin'ny taona lasa, #PalestinianPickUpLines, nitarin'ny #FakeArabProverbs ny kianja ilalaovany ka hidiran'ireo lohahevitra maivamaivana kokoa toy ny fanambadiana, ny sakafo, ny ankohonana ary ireo hevitra raiki-tampisaka mahazatra nampifandraisina tamin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Mahazoa toerana àry dia ankafizo. Antenainay fa hahamirana ny andronao ireto perla soan'ny ‘fahendrena’ Arabo ireto.

Hend avy amin'ny ‘@LibyaLiberty‘ no nanomboka azy tamin'ity bitsika manaraka ity :

Ireny fotoana nampisahotaka tao Afovoany Atsinanana ireny… fotoana ankehitriny hahafantarana ny tontolontsika sy hikarohana fahendrena ao anatin'ireo teny maharitra mandrakizain'ny #FakeArabProverbs (OhabolanaSandokaArabo)

Ity manaraka ity dia fantina mahatsikaiky notsongaina tamin'ireo tsara indrindra:

Mitsiky amin'izay be volombava ny harena

Rehefa ao Beirut, manaova toy ny fanaon'ny Pariziana

Ny mialoha ny drone no ora manjombona indrindra

Izay mahery fihetsika adala

Ny faharoa dia fanambadiana (vady), ny fahatelo koa mbola vady izay tena sarotra hazavaina kokoa amin'ireo manampahefana misahana ny fifindrà-monina

Rehefa ny voahilika no mihenjana, ny henjana no mamorona milisy

Manongana androany, Voakipily rahampitso

Aleo tara toy izay ara-potoana

Amin'ireo izay mahita solika no mitsiky ny vintana

Raha teo am-boalohany no tsy nahomby ianao, tsinio ny tsikombakomba  Sionista

Atsaharo ny korisanao (fanamarihan'ny mpandika: voalavokelin'ny solosaina no resaka eto)

Sakafo antoandro miaraka amin'ny kebab sy fitsotsorana tsara no fanombohana dia lavitr'ezaka an'arivo kilaometatra

Ao an-damosin'ny lehilahy matanjaka tsirairay, misy vehivavy goavana iray ka hatramin'ny efatra any ho any

Raha te-hahita misimisy kokoa amin'ireny, araho fotsiny ny tenifototra #FakeArabProverbs

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.