Milaza Ilay Thailandey Mpianatra Fa Mitsikilo Ny Ataony Ny Fitondrana Miaramila

nattanan

Pikantsarin'i Nattanan Warinarawet nandritra ny resadresaka niarahany tamin'ny mpanoratra.

Raha nametraka fameperana bebe kokoa amin'ny famoriam-bahoaka sy ny fahalalaham-pitenenanana ny fitondrana miaramila ao Thailandy ary mandrahona amin'ny fampitomboana fepetram-panasaziana bebe kokoa, dia vao maika nampiaka-peo ireo mpianatra mpikatroka – amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana media sosialy mba hifandraisana amin'izao tontolo izao izany.

Nametraka andiana fitsipika vaovao eo amin'ny rafi-pampianarana ao amin'ny firenena ny fitondrana miaramila. Voaràra ao amin'ny faritry ny oniversite ny feo manohitra. Tsy maintsy atao ny mitadidy ny “Soatoavina 12″ – andiam-panambarana mifantoka amin'ny fanajana ny fahefana sy ny “demaokrasia mety”. Nitaky ny hanafoanana ny filazana rehetra ahitana ny Praiminisitra teo aloha Thaksin Shinawatra  amin'ny bokin-tantara rehetra ihany koa ny fitondrana miaramila.

17 taona i Nattanan Warinarawet, sekretera jeneralin'ny vondrona antsoina hoe Education for Liberation of Siam (Fanabeazana Ho Fanafahana An'i Siam). Hatramin'ny nampakarany feo ho fanoherana ny tsy maintsy hametrahana ny “Soatoavina 12″ amin'ny fandaharan'asam-pampianarana Thailandey, nampandrenesina i Warintarawet fa manaramaso ny fihetsiny sy ny hetsika ataony amin'ny alalan'ireo mpampianatra ny fitondrana miaramila. Na dia eo aza ny loza mety hanjò azy, niresaka tamin'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices Online amin'ny zavamisy iainany i Warintarawet.

«Tsy mampino ahy fa ny zavatra nataoko, milaza fotsiny ny hevitro, mizara fotsiny ny feoko momba ny soatoavina 12, no nitarika ny fitondrana miaramila hanaramaso ny fihetsiko”, hoy izy.

Right now in the junta regime, anything could happen, but I still have hope and I think it has a positive effect on my life. I feel empowered by this. I feel like even a girl like me can make a huge change. I am motivated to fight for freedom of expression even more because right now I am aware of how important this is.

Amin'izao fotoana izao ao amin'ny fitondrana miaramila, mety hipoitra daholo ny trangan-javatra rehetra, saingy mbola manantena aho ary mino fa hisy fiantraikany tsara eo amin'ny fiainako izany. Mahatsiaro mahazo hery amin'izany aho. Toa mahatsiaro koa aho fa afaka mitondra fanovana goavana ny tovovavy tahaka ahy. Vonona hiady mafy ho amin'ny fahalalaham-pitenenana aho satria fantatro ankehitriny ny maha-zavadehibe izany.

Araho eto ambany ny ambin'ny resadresaka niarahana taminy:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.