Feon'ny Fiarahamonina Achuar sy Shuar Alefa Mivantana Antserasera

Vaovao Momba Ny Tetikasa Nahazo Vatsy avy amin'ny Rising Voices

Photo provided by project.

Sary avy amin'ny tetikas

“Eh, tsy mba misy fikambanan'onjam-peo antserasera ao amin'ny fiarahamonina Amazoniana,” hoy aho tamim-pitebitebena tamin'ny namako Achuar iray. Marina izany, ho izy tamiko, ary raha tsy nisy media sosialy, dia maro ny olona tsy monina eto Amazona no tsy mahafantatra fa misy ireo onjampeon'ny fiarahamonina tantanin'ireo indizeny ary ny fiteninay no ampiasainay amin'izany. “Andao ataontsika, andao isika hanangana onjam-peo antserasera iray!”

Izany no nahatongavanay tamin'ny Rising Voices nisy tosika kely hamadika izany hevitra izany hanampiana ny fiarahamonina Amazoniana hanana ny tranonkalan'izy ireo manokana ireo sy handefa mivantana antserasera.

Mitady izay hanampiana ireo onjam-peon'ny fiarahamonina indizeny Achuar sy Shuar avy ao Amazonia Ekoateriana ny tetikasa miaraka amin'ny Radio Feon'ny Arutam, Radio Feon'ny NAE ary ny Radio Feon'ny Riandrano izay mandefa fandaharana mivantana ao amin'ny onjam-peo FM mba ahafahana mizara ny vaovaon'izy ireo, ny tantarany, ny mozikany amin'ny fitenin'izy ireo manokana ao amin'ny aterineto.

Avy amin'izany no hanatontosanay dingana fanofanana ireo indizeny mpampita resaka, voalohany amin'izany ny tanora, amin'ny fampiasana fitaovana maimaimpoana fananganana ny tranonkalan'izy ireo manokana, fandefasana fandaharana antserasera, ary fandraisam-peo mba hanamafisana ny fifandraisana eo amin'ny taranaka mifandimby amin'ny fitenin'izy ireo manokana: shuar sy achuar.

Iray amin'ireo onjam-peo taloha indrindra ao Amazonia ny Radio Feon'ny Arutam, ary ao anatin'ny drafi-pandaminan'ny Ivontoeran'ny Federasiona Shuar Iraisamparitany. Hatramin'izao dia amin'ny habaka mbola tsy noankotrihina no amoahan'ity radio ity ny fandaharana, ary tsy mitaratra ny zava-misy, ny tolona sy ny mari-panondroana ny vahoaka Shuar ny vaovao avoaka amin'izany.

Onjam-peo vaovao ny Radio Voice an'ny NAE ary onjam-peo Achuar voalohany ao Ekoatera. Tany Taisha no nisy ny foibeny tany am-boalohany, fiarahamonina madinika ao anaty ala mikitroka midadasika amoron'i Perou. Noho ny antony ara-teknika, tsy azo antoka ny herinaratra ka nifindra tao an-tanànan'i Macas ny onjam-peo. Avy ao no alefa mivantana ny feon'ireo olona tonga ao amin'ny onjam-peo mba hitati-baovao amin'ny fianakaviany, miresaka amin'ny teniny manokana na mizara mozikan'ny mpanakanto amin'ny mpiray firenena aminy, na mba hanandratana avo ny hiran'ireo ray aman-dreniben'izy ireo avy ao amin'ny ala mikitroka.

Onjam-peo vaovao ny Radio Feon'ny Rian-drano ary natsangana araka ny fomba fikarakaran'ny Vahoakan'i Shuar Arutam, ao amin'ny fiarahamonin'i Tiwinza no misy azy. Tsy manana fifandraisana aterineto ity onjam-peo ity, saingy amin'ity tetikasa ity, handefa mivantana avy ao Sucúa izahay, izay foiben'ny onjam-peo. Maro ireo tanora Shuar te-handefa zavatra ao amin'ny habaka ary te-hanangana vontoaty vaovao mikasika izay ataon'ny fiarahamonina andavanandro.

Mpirahalahy ny vahoakan'i Shuar sy Achuar, ary milaza amintsika ny tantaran'ireo tanàna kely mifanolobodirindrina ny feon'izy ireo. Na dia teo aza ny fanjanahantany, dia mbola mitàna ny teniny, ny tantarany, ny fomba firindran'ny fiarahamonina, ny sisintaniny ary ny fiainany izy ireo.

Araho ny fizotry ny tetikasa ao amin'ny Radio Wambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.