Meksika: Manam-pahaizana Momba Ny Mangarahara Nisy Nikasa Hitifitra Tao Amin'ny Faritry ny Oniversite

Vista de la Ciudad Universitaria, lugar del atentado. Foto del autor, J. Tade (mayo 2012).

Tazana eo amin'ny tokotanin'ny oniversite izay nisian'ny fikasana vono olona. Sary avy amin'ny mpanoratra, J. Tadeo (May, 2012).

Nieren-doza tamin'ny fanafihana nitranga ny marainan'ny 29 Oktobra 2014 ilay mpahay lalàna Meksikana Ernesto Villanueva, raha iny nitondra fiara tao an-tokontanin'ny Oniversite Nasionaly Mizakatenan'i Meksika (UNAM) iny, sokajian'ny maro ho ivom-pampianarana ambony malaza sy tsara indrindra ao amin'ny firenena. Tifitra maro no nalefa tany amin'i Villanueva tao ivelan'ny tranobe misy ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Lalàna.

Nandany fotoana tamin'ny fandinihana momba ny zo hahazo vaovao, ny fahalalaham-pitenenana, ny mangarahara sy ny fitazonana andraikitra tamin'izay natao i Ernesto Villanueva  (@evillanuevamx). Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nosokajiana tao anatin'ireo kandidà azo itokisana ho Mpitantsoroka ao amin'ny  Ivon-toerana Federaly Hoan'ny Fahazoam-baovao sy ny Fiarovana Tahiry ao Meksika izy, andraikitra izay miantoka ny fahazoam-baovao.

Ernesto Villanueva. Foto de su perfil de Twitter.

Ernesto Villanueva. Sary tao amin'ny  Twitter-ny

Tamina lahatsoratra vao haingana nivoaka tao amin'ny gazetiboky Proceso, niampanga ny tsy fisian'ny mangarahara sy ireo tsy fetezana hafa voalaza fa nanaloka ny fanendrena ny talen'ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Lalàna  ny Dr. Villanueva, ka nahatafiditra ihany koa ny talen'ny Ivon-toerana teo aloha Diego Valadés. Nitsipaka mafy ny fanambarana nataon'i Villanueva sy niampanga azy ho manao fanalam-baraka ny Ivon-toerana ireo mpampianatry ny oniversite maromaro, mampiasa ny zony hamaly ilay lahatsoratra tao amin'ny gazetiboky .

Ho fanazavana ny anton'ny fifandirana, araka ny filazan'ny  Proceso, nihevitra i Dr Villanueva fa mety tafiditra tao anatin'ny fanaovana heloka bevava i Valadés:

Villanueva identificó a Diego Valadés, exdirector del Instituto de Investigaciones Jurídicas, como uno de los que podrían estar detrás del atentado que sufrió cuando manejaba un vehículo Mitsubishi, que recibió por los menos tres balazos calibre 38 de un sujeto desconocido.

Nanondro an'i Diego Valadés, talen'ny Ivon-toeram-pikarohana momba Lalàna teo aloha ho iray amin'ireo atidoha nikotrika ny fanafihana ny fiara Mitsubishi nentiny izay voatifitry ny bala kalibra 38 telo nataona mpitifitra tsy fantatra i Villanueva.

Nilaza ny tatitra fa tsy naratra i Villanueva.

Mpisera Twitter Carlos Brito nizara ny fanehoan-keviny tamin'ny karama nanaovana izao fihetsika feno herisetra izao:

Leo tena leo! Notafihana TAO ANATIN'NY faritry ny oniversite i  Dr @evillanuevamx. Miray hina aminy isika. Hery.

Nanohana an'i Ernesto Villanueva ihany koa ilay Meksikana manam-pahaizana momba ny haiamamonina Raul Trejo:

Ho firaisankina miaraka amin'i Dr Ernesto Villanueva, @evillanuevamx, izay niampanga ny fikasana hanapitra ny ainy. Tokony hadihadiana lalina ity tranga ity.

Namoaka andiana lahatsoratra mikasika ny zavamisy ankehitriny ao Meksika i Dr. Villanueva, ka anisan'izany ny tantara momba ny fipoahan'ny herisetra tao amin'ny toerana nahaterahany ao Michoacán sy ny halafon'ny saram-pifindrana fitateram-bahoaka hoan'ireo mpandalo ny tanàna renivohitr'i Meksika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.