Voasazy Higadra Mandrapahafaty Ao Arzantina ilay Vehivavy Boliviana Miteny Quechua Tsy Navela Hanana Mpandika-teny

Facade of the Criminal Court in Quilmes, Argentina, where Reina Maraz was sentenced to life imprisonment. Photo by Andar Agency used with authorization.

Teo ivelan'ny fitsarana heloka bevava ao Quilmes, Arzantina, izay nanomezana sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty an'i Reina Maraz. Sary avy amin'i Andar Agency, nahazoan-dalana.

Nahazo sazy an-tranomazina mandra-pahafaty tao Arzantina i Reina Maraz tamin'ny Talata 28 Oktobra 2014 noho izy namono ny vadiny, rehefa nigadra telo taona tany am-ponja tsy navela hiatrika fitsarana.

“Nahoana no melohin'izy ireo aho raha tsy nanao na inona na inona?”, hoy i Maraz nanontany an'i Frida Rojas, mpandika teniny amin'ny teny Quechua, taorian'ny nandikana taminy ny didy amin'ny teny Espaniola tao amin'ny fotoam-pitsarana tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava (TCO) ao Quilmes, araka ny filazan'ilay mpanoratra gazety Horacio Cecchi tamin'ny lahatsoratra nosoratany tao amin'ny gazety Página 12.

Niara-nanameloka tsy nisy nitsipaka ilay vehivavy 26 taona tamin'ny famonoana ny vadiny Limber Santos tamin'ny Novambra 2010 ny TCO izay tarihin'ireo mpitsara Silvia Etchemendi, Marcela VISSIO ary Florencia Butierrez.

Andro vitsy mialoha ny fisamborana azy, nampandre ny fanjavonan'ny vadiny i Maraz. Nogadraina izy raha mbola bevohoka ary tsy nahafantatra ny antony hanenjehana azy. Tsy dia mahazo tsara sy tsy mahay teny Espaniola izy.

Tsy navela hijery ny antsipirihan'ny raharaha mahakasika azy izy hatramin'ny taona 2012, raha nahazo ny fanampian'ny Komitim-paritany Hoan'ny Fahatsiarovana (CPM), ONG misahana zon'olombelona izay nitaky h/9)/9anampiana mpandika teny hoan'ilay vehivavy.

Nanery ny Fitsarana Tampony mba hanaiky amin'ny fomba ofisialy ny fanatrehan'ny mpandika teny ny CPM. Tsy manana lisitra ofisialy misy ireo mpandika teny amin'ny teny indizeny ireo ny fitsarana ao amin'ny faritanin'i Buenos Aires, na dia mpifindra-monina indizeny efa ho an'arivony aza no monina ao amin'ny faritra.

Noho ny fisian'ny mpandika teny, sambany afaka nilaza ny fanazavany mikasika ny tantara i Maraz. Nitantara ny satany ho mpifindra-monina, avy amin'ny tanàna kely misintaka ao Altiplano Boliviana izy, sy ny herisetra an-tokantrano sy ara-nofo manjakazaka ataon'ny vadiny Limber Santos sy “Tito” Vilca, mpifanolo-bodirindrina voalaza fa mpiray tsikombakomba aminy. Namoy ny ainy volana vitsy lasa tany am-ponja i Vilca noho ny aretina cirrhose (areti-tselan'aty), araka ny filazan'ny bilaogin'ny CPM.

Nilaza i Maraz fa nanararaotra (ara-nofo) azy ilay mpifanolo-bodirindrina aminy raha nataon'ny vadiny ho takalo hanonerana ny trosa hoan'i Vilca izy.

Tamin'ny tapaky ny volana Oktobra, nangataka sazy an-tranomaizina mandrapahafaty ny mpampanoa lalàna tamin'ny fanambarana nataon'ny lahimatoan'i Maraz, izay 5 taona , raha nanontaniana tamin'ny alalan'ny rafitra kamera Gesell Dome izy, fitaratra tokana azo ijerena sy hanadihadiana ireo ankizy ao anatin'ny filaminana

Nilaza ny Talen'ny Ady Stratezika ao amin'ny CPM, Margarita Jarque, fa malahelo izy satria avy amin'ny fiampangan'ny mpampanoa lalàna izay tsy ampy porofo ny didim-pitsarana. Ny tranonkala  8300 nitatitra hoe:

El tribunal no ha escuchado ni incorporado la voz de Reina, su relato. Resulta inexplicable una sentencia basada exclusivamente en una cámara Gesell que durante el debate oral tres peritos especialistas cuestionaron de manera fundada y la consideraron como una prueba no válida.

Tsy nihaino ny feon'i Reina na ny tantarany ny fitsarana. Sarotra hazavaina, nifototra fotsiny tamin'ny kamera Gesell ny didim-pitsarana, izay efa nanambaran'ireo manam-pahaizana telo nandritra ny fiadiankevitra am-bava fa fanandranama tsy voamarina. 

Niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ny raharaha. Tao amin'ny kaonty Twitter-ny, naneho izao fanehoan-kevitra manaraka izao i Irene Valiente:

Raharaha mampalahelo momba an'i Reina Maraz: Quechua, lasibatry ny #violenciamachista, tsy manana mpandika-teny nandritra ny 3 taona, voasazy higadra mandra-pahafaty

Namoaka indray ny fanambarana nataon'ilay mpanakanto sy mpikatroka zon'olombelona Adolfo Perez Esquivel,  izay nahazo ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana tamin'ny 1980 ny CPN:

“Toa toy ny ozona izany hoe vehivavy mahantra sy indizeny izany, ary nanavakavaka azy ireo ity fitsarana ity”, hoy i Perez Esquivel mikasika ny didim-pitsarana azon'i Reina Maraz.

Naneho hevitra tao amin'ny kaonty Twitter-ny i Cesar Javier Garzón:

Fitsarana marenina sy jamba: gadra mandra-pahafaty hoan'i Reina Maraz.

Tsy nilaozan'ny fanehoan-kevitra ireo olana ara-pitsarana natrehin'i Maraz. Mpanoratra ny bilaogy General Ramos and other herbs nilaza hoe:

Quiero imaginar el interrogatorio de la justicia a Reina Maraz y me doy cuenta que ni siquiera han indagado en lo mínimo, ni las circunstancias o contexto.

Sus Señorías no son solo ciegas, huelen a podrido.

Toa azoko an-tsaina ny fanadihadiana nataon'ireo mpitsara tamin'i Reina Maraz ary hitako fa tsy mba nanadihady ifotony [raharaha], na ny fisehoany sy ny zavanisy mihitsy izy ireo.

Tsy jamba fotsiny ihany ny voninahitrareo, fa masiso.

Nampanantena hampakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony i José María Mastronardi, mpisolovavan'i Maraz.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.