Nankato Ny Fitovian-jo Amin'ny Fanambadiana i Taiwan, An'Aliny Ireo Nanatrika Ny Diabem-pireharehana

Walk under the rainbow flag. Photo by Sound of Silence. CC BY-NC 2.0.

Mandeha ao ambanin'ny saina miloko avana. Sary avy amin'ny Sound of Silence. CC BY-NC 2.0.

Olona teo amin'ny 70.000 teo no nanatrika ny diabem-pireharehanan'ny LGBT tao Taiwan tamin'ny 25 Oktobra mba hankalaza ny karazam-pironana ara-nofo sy ny fanondroana maha-lahy sy vavy ary hanentana ny vahoaka mba hanao tahaka izany ihany koa.

Anisan'ny be mpandray anjara indrindra hatramin'ny nisian'ny diabe voalohany tamin'ny taona 2003 izy ity. Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary diabem-pireharehana goavana indrindra  tao Azia sy nahasarika mpandray anjara avy any ampitan-dranomasina marobe izany.

Walk in Queers’ Shoes (Mandeha Amin'ny Kiraron'ny Pelaka) no lohahevitra tamin'ity diabe 2014 ity, manasongadina ireo feo avy amin'ny fiarahamonina LGBT atao an-kilabao heverina ho toy ny olona sembana ara-batana, olona mitondra ny otrikaretina VIH ary ny mpivaro-tena.

Naneho ny fanohanany ny fametrahana ho ara-dalàna ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana ny ankamaroan'ireo mpandray anjara tamin'ny diabe. Natolotry ny Firaisan'i Taiwan Ho Fampiroborobona Ny Zo Sivilin'ny Fiarahana tamin'ny taona 2012 tao amin'ny Antenimiera Yuan ny volavolan-dalànan'ny fitovian-jo amin'ny fanambadiana. Nandinika voalohany ny volavolan-dalàna ny solombavambahoaka tamin'ny 25 Oktobra 2013, saingy nihantona izany noho ny fanentanana goavana nataon'ireo mpanohitra ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana.

Nanomboka nanery ireo solombavambahoaka ny mpikatroka ny zon'ny pelaka mba hamerina hijery indray ny asany tamin'ny fiandohan'ny volana Oktobra tamin'ity taona ity ary notontosaina ampahibemaso tamin'ny 16 Oktobra ny fivoriana azon'ny rehetra atrehina handinihana ny volavolan-dalàna. Nanaraotra ny diabem-pireharehana tamin'ity taona ity ny maro tamin'ireo mpifankatia avy ao amin'ny fiarahamonina LGBT mba hizara amin'ny hafa ny tantaran'izy ireo sy ny fanantenany.

Indreto sombin-tsary nandritra ny diabe.

A participant with a rainbow puppy. Photo by J. Michael Cole. CC BY-NC 2.0.

Mpandray anjara iray mitondra saribakoly voridamba miloko avana. Sary avy amin'i J. Michael Cole. CC BY-NC 2.0.

Participants in the parade. Photo by J. Michael Cole. CC BY-NC 2.0.

Mpandray anjara tamin'ny diabe. Sary avy amin'i J. Michael Cole. CC BY-NC 2.0.

The parade  around the Freedom Square. Photo by coolloud.org. CC BY-NC 2.0.

Drag queens (lehilahy sarimbavy) mandihy sy mihira ao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana. Sary avy amin'ny coolloud.org. CC BY-NC 2.0.

A gay couple said on their T-shirts that they have been together for 8 years and they are looking forward to getting married. Photo by coolloud.org. CC BY-NC 2.0.

Mpifankatia mitafy T-shirt misoratra hoe “efa valo taona izahay no nifankatia ary manantena fatratra hifanambady “. Sary avy amin'ny coolloud.org. CC BY-NC 2.0.

Participants in the parade. Photo by coolloud.org. CC BY-NC 2.0.

Mpandray anjara tamin'ny diabe. Sary avy amin'ny coolloud.org. CC BY-NC 2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.