GV Face: Mandositra Ady Ireo Mpitady Fialokalofana Mba Hiatrika Ny Herisetra Politika Ao Eoropa Sy Aostralia

Vao haingana tao Frantsa, mpitady fialokalofana iray nolavina avy ao Tchad no nandoro ny tenany tao ivelan'ny fitsarana ambony.

Araka ny filazan'ny UNHCR, 612.700 ny isan'ireo nangataka fialokalofana tao Amerika Avaratra, Eoropa, Azia Atsinanana ary Pasifika tamin'ny taon-dasa – tarehimarika ambony indrindra nanomboka tamin'ny taona 2001. Nandositra ny ady sy herisetra tao Syria, Afganistana, Eritrea, Serbia ary Iràka ny ankamaroan'ireo olona ireo.

Ary satria mety hiakatra ny isan'ireo fangatahana ataon'ny mpitady fialokalofana mankany amin'ireo firenena be orinasa lehibe, tsy mbola maharikoriko tahaka izao ny politikan'ny fidirana ao amin'ny firenena.

Amin'ny sora-baventy tahaka ny hoe “Fortress Europe (Mandan'i Eoropa)” sy ny “No Way, You Will Not Make Australia Home (Tsy misy fika, Tsy Ho Ataonao Fodiana i Aostralia)“, miezaka manakana ireo mpitady fialokalofana tsy hiditra ao aminy amin'ny alalan'ny fanidiana mafy ny sisintanin'izy ireo ny antoko ankavanana ao Eoropa sy Aostralia, manao fanentanana mamotika ny tsipika mampisaraka ireo mpitsoa-ponenana amin'ny mpampihorohoro, ary mandefa ireo mpitady fialokalofana any amin'ny toby fitazonana tahaka ny fonja mba hampihemorana ny “fangatahana”. Ao Aostralia kosa, natosika mihitsy mba “atao any an-dranomasina (offshoring)” ny fombafombam-pangatahana. Noho ny faharatsian'ny toekarena ao amin'ny firenena, dia mihamalaza ireo antoko politika ireo.

Mpitady fialokalofana maro no tonga ao amin'ireo firenena ireo amin'ny fomba tsy ara-dalàna. Amin'ny ankapobeny, mahazo vola eo amin'ny 7 miliara dolara eo ireo mpanondrana olombelona sy mpanao trafika. Tamin'ny taon-dasa, maherin'ny 4000 ireo matin'ny sambo rendrika tao an-dranomasina Mediteranea mitady fiainana tsara kokoa. Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, 134 272 ireo nieren-doza tamin'ny dia famitahana tsy ara-dalàna niainga avy ao Libya hoany Italy mba hitady fialokalofana.

Eo anelanelan'ny 62 isanjato ka hatramin'ny 95 isanjato ny taham-panekena ireo olona avy any Syria, Eritrea, Iraka, Somalia ary Afganistana. Ambany be kokoa teo amin'ny 28 isan-jato sy 5 isan-jato kosa ny taham-panekena avy amin'ireo teratanin'ny Federasiona Rosiana sy Serbia.

Ary hoan'ireo izay miezaka ny hahazo fialokalofana kosa, matetika ampidirina trano mampalahelo sy olana ara-taratasy izy ireo, izay miteraka karazana fahasarotana tsy misy fiafarana.

Tamin'ny taona 2013, naharay fangatahana 484 600 i Eoropa – fiakarana ampahatelony hatramin'ny taona 2012. Alemaina no firenena voalohany indrindra betsaka nangataka fialokalofana vaovao miisa 109 600 ary 60 100 kosa no voarain'i Frantsa.

Amin'ity fizarana vaovao an'ny GV Face ity izahay no miezaka manasongadina ireo olona ambadiky ny tarehimarika, ny olana ary ny politika. Mbola azo atao ve ny fampiantranoana vahiny? Ahoana no hampahatsiahivana ny Eoropeana sy ny Aostraliana fa zato taona lasa izay dia nisy fifindra-monina goavana niainga avy ao amin'ny kaontinantan-dry zareo?

Amin'ity fizarana ity, hiresaka amin'ireo mpikambana ato amin'ny GV isika: Suzanne Lehn avy ao Frantsa, Anne Hemeda avy ao Alemaina, Kevin Rennie avy ao Aostralia, Thalia Rahme avy ao Liban ary Abdoulaye Bah avy ao Italia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.