Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago

Screen grab of Hazel Ward-Redman, taken from a documentary about the 50 most influential people in Trinidad and Tobago.

Dikasary tamin'ny fanadihadiana ahitàna ireo olona manana ny lanjany indrindra tao Trinidad sy Tobago, isany i Hazel Ward-Redman.

Tamin'ity herinandro ity, ren'i Trinidad sy Tobago ny vaovao hoe nodimandry rehefa niady ela tamin'ny aretina homamiadana i Hazel Ward-Redman, olo-malaza ary zokiolona tamin'ny resaka fahitalavitra izay nandrisika ireo talentan'ny tanora mpankanto sy mpiangaly mozika.

Ireo fandaharany tao amin'ny fahitalavitra “Twelve and Under” (ireo RoambinifoloTaona sy ny Latsak'izay) sy ny “Teen Talent” (Talentan-Jatovo) dia nanasongadina ny fahaizan'ireo ankizy avy amin'ny faritra rehetra tao amin'ny firenena – zavatra nahazatra tao ny poezia, dihy, mozika sy hira – ary nanosika ny ho asan'ny hoavy ho an'ny maro tamin'ireo liana tamin'ny taokanto. Nitohy ho lasa mpanoratra, mpiangaly mozika na mpamokatra sarimihetsika ireo mpifaninana tamin'izany. Ny 2006, rehefa tonga tamin'ny farany ka nanidy varavarana ny “Trinidad and Tobago Television – na ttt” (fahitalavi-pirenena izay namokatra ny seho “Ward-Redman”), nahatsiahy i Neil Giuseppi mpiara-niasa taminy :

Dia nisy an'i Nenitoa Hazel Ward tao, izay ny fandaharana ara-kolontsaina nataony no nametraka ny fenitry ny atao hoe lafatra noezahako notratrarina taona maro taty aoriana […]

Nandritry ny taona maro, nanjary tany lonaka namelona ireo olo-malaza ara-kolontsaina teto amin'ity firenena ity ny ttt. Nitohy hatrany namoaka ireo mpanantalenta goavana monina eto amin'ity Repoblikanay misy nosy roa ity ireo fandaharana toy ny “Scouting for Talent, Mastana Bahar, Teen Talent, Twelve and Under, Mainly for Women  sy ny Indian Variety”. Marobe amin'ireo mpanakanto goavana eto amin'ny firenena no nahazo ny fankatoavana voalohany avy amin'ny daholobe tamin'ny alàlan'ny fandalovany tao amin'ny ttt.

Manana trosam-panajàna mandrakizay amin'ireo olona toa an'i Hazel Ward-Redman i Trinidad sy Tobago   […] noho ny fandraisana anjara goavana nataon'izy ireny tamin'ny fampiroboroboana ny kolontsain'ny firenena.

Nomem-boninahitra ho toy ny iray amin'ireo olona 50 manana ny lanjany indrindra tao Trinidad sy Tobago tao anaty fandaharana iray fanadihadiana tao amin'ny fahitalavitra i “Nenitoa Hazel”, araka ny niantsoana azy, :

Tsy ela dia nanomboka niraradraraka tao amin'ny media sosialy ireo fanomezam-boninahitra. Tao amin'ny pejy Facebook an'ilay fampielezampeo FM 96.1 WEFM ao an-toerana, fantatra manokana tamin'ny asany tao amin'ny fahitalavitra i Ward-Redman. Ireo nitondra fanamarihana tao amin'ilay zohin-kevitra dia samy nànana fahatsiarovana daholo ho nitombo tao anatin'ny fijerena azy tao amin'ny fahitalavitra ary samy naneho hevitra momba ny fandrisihany ireo tanora. Anthony Brooks niantso azy hoe “mpamaky lay sy mpialoha làlana”, raha i Roma Sinanan kosa indray namaritra azy toy izao manaraka izao :

Fanahy tsara, feno sy miavaka, maha-te-ho tia ka mahatonga ny maha-izy azy ho hita taratra teny amin'ireo rehetra tia azy sy nankamamy ny fandraisana anjara betsaka avy aminy ho an'ireo zanatsika sy ny firenentsika. Misaotra anao ary hotahiana anie ny dianao hamonjy ilay Loharano niavianao.

Nanamarika ny Fikambanan'ireo Mpamokatra Media Tsy Miankina ao Trinidad sy Tobago fa:

Very olo-manga tena nanana ny toerany isika androany. Miangavy anareo hitsahatra kely sy hahatsiaro ilay fahazavàna izay tsy iza fa i Nenitoa Aunty Hazel. Handry am-piadanana anie izy.

Tao amin'ny Twitter, tsapan'i Patricia Worrell ho toy ny nisy zavatra mavesa-danja tonga tamin'ny fetra farany izany :

nanjary toa tsy nisy lanjany ny resaka ‘Fiarafàna vanim-potoana iray’ . Saingy nodimandry i  #HazelWard, ary tsapa ho toy ny fiafaranà vanim-potoana iray izany ho an'ny maro. Mandria am-piadanana Nenitoa Hazel

Ireo olona nahafantatra azy manokana na teo amin'ny sehatry ny asa dia nameno ny Facebook tamin'ny fanomezam-boninahitra azy tamin'ny fomban'izy ireny  – iray tamin'ireny aho :

Nenitoa Hazel Ward, misaotra anao nahatakatra ny tao an-tsain'ireo tanora sy nanosika ny talentan'izy ireny. Toy ny mpanakanto nahazo fanasàna no nisehoako (niaraka tamin'ny gitarako) tamin'ny iray tamin'ireo sehon'ny “12 and Under”; nanana fiomba manokana hatrany i Nenitoa Hazel hanaovana izay hahazoanao aina. Veloma mandrakizay ary Andriamanitra anie hanafaingana ny dian'ilay vehivavy iray izay nanao zavatra betsaka tsy hay hotanisaina ho an'ny mozika sy ny zavakanto teto amin'ity firenena ity.

i Lisa Allen-Agostini, mpanoratra, nizara ity tantara kely ity :

Tsaroako ny naha-teo amin'ny sehatry ny Teen Talent aho an-tapitrisa taona lasa izay.Nohenoina aho tao amin'ny “Newtown Girls  ary i Maurice Connors, ilay nampiara-peo tamiko, dia sahirankirana tamin'ny fananako feo (ahem) tsy nisy mpanana ka niato an-tenantenany izy ary nanontany mihitsy hoe inona izany hiraiko izany. Tamin-kalemem-panahy i Nenitoa Hazel no nanontany ahy raha toa aho ka manana talenta hafa. Navelany niverina aho rehefa nahavita famerenana nandritry ny antsasak'adiny taorian'izay tany an-tokontany, ary dia tiany ny poeziako. Tsy tena hoe nisy kintana iray teraka akory kanefa na izany aza. Mandria am-piadanana Nenitoa Hazel.

Ilay mpiara-miasa amiko, Danielle Dieffenthaler, mpamokatra sarimihetsika dia namintina ny dindo napetrany toy izao :

Ho an'ireo andian-taranaka misy anay, olona fakàna aingam-panahy izy.

Voaomana hatao amin'ny Sabotsy ho avy izao any San Fernando, ny fandevenana an'i Hazel Ward-Redman, any amin'ilay tanàna lehibe ao atsimon'i Trinidad.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.