Mitokona Noho Ny Zava-doza Tao Ayotzinapa Ireo Meksikana Mpianatry ny Anjerimanontolo

Ayotzinapa en la UNAM 1 foto TRC

“Velona ry zareo no nalaina, Velona izy ireo no tianay hita miverina!” Ayotzinapa ao amin'ny Anjerimanontolom-Pirenena Mizakatena ao Meksika, Sary an'ny mpanoratra, J. Tadeo

Mitohy miatrika tsindry ny governemanta Meksikana noho ny famonoana mpianatra avy amin'ny Sekoly Ambanivohitra Raúl Isidro Burgos tao Ayotzinapa, Guerrero, any atsimo atsinanan'i Meksiko ary fitakiana ireo mpianatra nanjavona efa ho 26 andro mahery mba haverina velona.

Tany ampiandohan'ny volana Oktobra, nidina an'arabe ny Meksikana nitaky ny hamerenana ireo mpianatra. Vahoaka avy amin'ny lafim-piarahamonina samihafa no niray hina tamin'io fitakiana io. Taty aoriana, nanomboka fitokonana nandritry ny 48 ora ireo fikambanan'ny mpianatra manerana ny firenena.

Sekoly marobe ao amin'ny Anjerimanontolom-Pirenena Mizakatena ao Meksiko, izay ny toeram-pibeazana lehibe indrindra amin'ny fampianarana ambony ao amin'ny firenena, hatramin'ireo Anjerimanontolo Mizakatena ao Andrenivohitra no nanatevina laharana ilay hetsika. Ny tranonkalam-baovao sy fandalinana Animal Político dia nizara lisitra misy ireo sekoly sy kolejy izay nandray anjara tamin'ilay fitokonana.

Comunicado de las acciones a emprender por la Facultad de Derecho con motivo del paro nacional. Foto cortesía de http://juantadeo.wordpress.com/

Fanambaràna momba ny fepetra horaisin'ny Sekoly Fampianarana Lalàna mandritry ny fitokonana manerana ny firenena. Sary nampindramin'ny http://juantadeo.wordpress.com/

Nolazain'ny tranonkala Sopitas fa maherin'ny 70 ireo toeram-panabeazana manerana ny firenena no nanatevina laharana ilay fampiatoana vonjimaika ny asa aman-draharahany.

Nizara ity sary manaraka ity i Marco Zavala :

Manatevina laharana ny fitokonana manerana ny firenena ny Sekoly Fampianarana Lalàna, ho fitakiana ny Zo Fototra! 

Nolazain'i Ana Lilia Mata fa tonga nanatevina laharana ilay fitakiana ny zokiolon'ny Anjerimanontolo Mizakatenan'ny Fanjakan'i Morelos :

Mitarika ny hetsi-panoherana ho an'ireo mpampianatra ao Ayotzinapa ny Filohan'ny UAEM

Niantso ny Filoha Enrique Peña i Sanjuana Martínez mba hahay hanaja / hitondra tena tsara manoloana ireo fianakaviana niharam-pahavoazana tamin'ireo heloka ireo : 

Mandra-pahoviana ny governemantan'i Enrique Peña Nieto no hihevitra fa ho afaka hanafina ireo nidiran'andro tao Ayotzinapa? Hajao ny fianakavian'ireo 43. #EPNBringThemBack

Kanefa, tsy ny rehetra no nankasitraka ny fanaovana ilay fitokonana. Naneho ny fahitàny manokana ilay hetsika i Joaquin, mpampiasa Twitter

Ny fiheverana fa hanatsara zavatra ny fanaovana fitokonana manerana ny firenena dia porofon'ny fisainana sadasada mibahana ity firenena ity tsy handroso

Ao anatin'izao trangan-javatra isian'ny tsy hafaliana faobe izao, tsy azo hamaivanina ny fisian'ny tafiotra ara-politika. Niteny i Ciro Gómez Leyva, mpanao gazety, fa andro tsara ny 22 Oktobra 2014 ho an'i Guerrero, governora,  mba hametrahany fialàna sy hanombohany mikarakara ny fanazavàna ny antony  “hahatonga ny alina tao Iguala ho nofy ratsy hanaraka azy hatrany mandritry ny androm-piainany, na io ato anatiny, na io any ivelan'i Meksika” ho entiny manondro ny alina izay nitrangàn'ny herisetra tany amin'ny toerana nisian'ilay hetsi-panoherana. 

Ankoatry ny fiantraika ara-politika sy araka ny lalàna, raha hisy, aterak'ireo tranga mahatsiravina, dia tokony horaisina anaty kajikajy / atao an-tsaina ny loza amin'ny maha-olona sy ny alahelo zakain'ireo fianakavian'ny mpianatra izay namoy ny ainy ary ireo izay tsy fantatra ny misy azy. 

Araho ny fandrakofana lalindalina kokoa ataoanay – Bring Back Mexico's Missing #Ayotzinapa Students [amin'ny teny Anglisy]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.