Hihoatra Noho Ny Hoe Nizeria Tsy Misy Ebola

A screenshot of TIME magazine's tweet about Nigeria's containment of the Ebola virus.

Dikasary tamin'ny bitsiky ny gazetiboky TIME, momba ny famehezan'i Nizeria ilay otrikaretina Ebola.

Ny Alatsinainy 20 Oktobra, nambaran'ny Fikambanana Erantany Misahana Ny Fahasalamana (OMS) ny tsy fisian'ny otrikaretina Ebola ao Nizeria intsony. Nivaky toy izao ny tatitra avy amin'ilay fikambanana, mitondra ny lohateny hoe “Afaka amin'ny famindràna ny otrikaretina Ebola i Nizeria ankehitriny“:

“Feno aotra nandritra ny 42 andro ireo tsipika ao amin'ny tabilaon'ny tatitry ny zava-mitranga, izay alefa isan'andro any amin'ny OMS avy amin'ny biraony any Nizeria. Nanambara ofisialy ny OMS fa afaka amin'ny mety famindràna ny otrikaretina Ebola i Nizeria ankehitriny.

“Tantaram-pandresena lehibe miezinezina io, izay mampiseho fa azo fehezina ny Ebola. Mendrika ny ho tantaraina amin'ny antsipirihany ny tantaran'ny hoe ahoana no nanaperan'i Nizeria ilay noeritreretin'ny maro ho firenena mety ho betsaka fifamindràna Ebola azo eritreretina indrindra. Afaka manampy ireo firenena andalam-pandrosoana hafa izay manahy ny mety hisian'ny tranganà Ebola azo avy any ivelany, ary maniry mafy ny hanamafy ny drafitra hapetrany ny tantara toy io. Mety hanana zavatra hianarana amin'izany ihany koa ireo firenena maro manan-karena, izay manana rafitra ara-pahasalamana avo lenta.”

Nahatonga fahatairana sy sahotaka naneran-tany ny fandravaravàn'ny Ebola ireo firenena tany Afrika Andrefana sahala amin'i Liberia sy Sierra Leone ary ny fipongarana vao haingana tany Texas. Nihatsara ireo sasany mpiasa misahana ny fitsaboana izay voan'ny otrikaretina, ka nampidirana vakisiny mbola eo amin'ny lafiny fanandramana ihany. Nahatonga ilay areti-mifindra Ebola ho fototry ny fitaintainana anefa ny tsy fisian'ny fitsaboina tena mandaitra ary vita fanandramana, na vakisiny. Manoloana izany zavatra mitranga izany, antony mitondra fanantenana sy fientanentanana ny fahafahan'i Nizeria tamin'ilay aretina, tsy ho an'io firenena io ihany, fa ho an'ny hafa rehetra ihany koa.

Ny volana Jolay, nitatitra ny fikorontanana vokatry ny tahan'ny tranga ao Nizeria izahay, izay nahafaty an'i Patrick Sawyer, Amerikana-Liberiana mpisolovava tratry ny otrikaretina tany Lagos, vohitra fiseraseràna ara-barotr'i Nizeria. Nitambotsitra teny amin'ny seranam-piaramanidina i Mr. Sawyer, vao tonga avy tany Liberia, izay nitsaboany havana narary voan'ny Ebola. Nentina haingana tany amin'ny hopitaly izy, izay nitsaboina azy ho toy ny voan'ny tazo mahery tamin'ny voalohany. Maty izy ny andro vitsivitsy taorian'io. Nahitana Ebola i Mr. Sawyer ny andro vitsivitsy talohan'ny nahafatesany.

Asanà Mpitsongo Dia Ny Areti-mifindra Voasokajy ho Lehibe Maneran-tany

Nandray anjara tamin'ny fisorohana ny Ebola ny Dr. Ameyo Adadevoh, ilay mpitsabo nikarakara an'i Sawyer, mba tsy hiparitahan'ny areti-mifindra tany Nizeria. Nanoka-monina an'i Mr. Sawyer i Dr. Adedevoh, ary nandà ny hamoaka azy na dia teo aza ny fanerena avy tamin'ireo olona ambony. Notaterina fa voan'ny Ebola izy ny 4 Aogositra 2014, ary maty noho ilay aretina ny 19 Aogositra 2014.

 

RT @zebbook: Dr Ameyo Adadevoh, tsy mino aho hoe tanteraka izao raha tsy ny fanaovana sorona ny ainao #EbolaFreeNigeria pic.twitter.com/Qf5RVpzFKA

— Nwachukwu Egbunike (@feathersproject) 20 Oktobra 2014

Tanàna betsaka mponina indrindra ao Afrika i Lagos, ary ho an'ny fipongaran'areti-mifindra mahery toy iny dia efa vanja niandry fipoahana mihitsy iny . Tsy niseho mihitsy anefa ny fipoahana. Arakaa ny Scientific America, nifototra tamin'ireto manaraka ireto ny fahombiazan'i Nizeria:

  • Fitiliana haingana sy ifotony ireo rehetra mety nifampikasokasohana
  • Ny fitohizan'ny fanarahamaso an'ireo nifaneraserana ireo
  • Fanokana-monina haingana ireo olona nifaneraserana ka mety ho voan'ny aretina

“Azo ny fandresena haingana, tsy noho ny fitandremana amin'ny fitsaboana, ny fitiliana eny amin'ny seranana fidirana ary ny fanokana-monina haingana ihany, fa koa noho fampiasàna baoty fiarovana sy ireo fitsidihana manokana maro dia maro fanaraha-maso natao an'ireo olona tsirairay, olona miisa 18.500 no notiliana hijerena sao mety ho nitondra tranga vaovaonà Ebola, tao anatin'ireo olona 989 voamarina fa nifaneraserana. Mety hita ho henjana ny asa miandry ny eny ifotony amin'izany: na dia voarefy matetika aza, nanambara ny OMS fa ‘asa-nà mpitsongo dia ny areti-mifindra voasokajy ho lehibe maneran-tany ilay zavatra miseho.'”

Nanamarika ny fisian'ny Toerana Fikarakaràna ny Trangan'aretina, naorina ho an'ny aretina “Poliomelita“, ary nampiasaina hikarakaràna ny Ebola, ny valintenin'ny mpiandraikitra ny fahasalamam-bahoaka ao Nizeria. Araka ny lazain'ireo Toerana Fanaraha-maso ilay Aretina:

Mifandrohy mitondra mivantana amin'ny fitiliana  ireo olona nifaneraserana ny Fomba Fiasa Fanentanana ny Fiarahamonina. Tafiditra amin'izany ireo ekipa-nà mpanentana ara-tsosialy miisa telo, izay nofanina sy ampiasaina mba hanao fitsidihana mivantana isan-tokatrano ao amin'ny faritra voafantina manokana misy ny tranon'ilay olona mitondra ny Ebola. Ho an'ireo faritra be mponina, misahana ny faritra manana savaivo eo amin'ny 500 metatra eo ireo ekipa mpitsidika isam-baravarana, 1km ho an'ny faritra manana mponina eo ho eo, ary 2km ho an'ny faritra vitsy mponina (7). Ny 24 Septambra, tokantrano manodidina ny 26.000 an'ireo olona miaina manakaiky ireo voan'ny Ebola no notsidihin'ireo mpitsidika isan-tokatrano tany Lagos ary ireo fanjakàna ao Rivers.

Ankoatra ny valin-kafatra tamin'ilay valanaretina, nampiasain'ny sasany tamin'ireo Nizeriana matianina ny media sosialy mba hanaparitahana ny vaovao. Ny Fanairana Ebola no iray tamin'ireo fandraisana andraikitra ireo, “asa natao nahitam-bokany, notarihan'ireo vondrona matianina miasa an-tsitrapo miasa ho Fisorohana ny Otrik'aretina Ebola”. Nampiasa ny topan'ny Twitter izy ireo mba hanomezam-baovao ny olona ary hanalàna ny siosio, satria mety hanimba zavatra maro ny siosion-dresaka anatin'ny kirizy sahala amin'izao.

Maminavina ny handefa ireo matianina amin'ny resaka fitsaboana ho any Sierra Leone ny governemantam-Panjakana ao Lagos, mba hanampy amin'ny fifehezana ny Otrik'aretina Ebola any. Na izany aza, tsy tokony hipetrapetraka amin'ny fanamarinan'ny OMS amin'izao fotoana izao momba ny tsy fisian'ny Ebola intsony akory i Nizeria. Tsy tokony ho azon'ny ady an'avona isika, sahala ny miseho eo amin'ny Minisitra Federalin'ny Fahasalamana sy ny Governemantan'ny Fanjakan'i Lagos, ny amin'ny hoe iza no tena mendrika ho arabaina amin'ny nahafehezana ny aretina tany Nizeria.

Ny fitandremana tsy misy fetra no vidin'ny fahafahana. Tsy maty mihitsy ny Ebola raha tsy voahongotra  hatramin'ny fotony manerana ny tany tontolo, ary tsy ho loza mitatao intsony ho an'ny zanak'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.