Tafio-drivotra Mahery Vaika Vongfong Namono Olona 2, Maherin'ny 70 Kosa No Naratra Tao Japana

A destroyed house saw its walls and roof on the second floor collapse due to the strong winds in Makurazaki region in Japan. 13 October 2014. Photo by rieko uekama. Copyright Demotix.

Trano rava izay mianjera avokoa ny rindrina sy ny tafo eo amin'ny rihana faharoa noho ny rivotra nitsoka mafy tao amin'ny faritra Makurazaki ao Japan. 13 Oktobra 2014. Sary avy amin'i rieko uekama. Zon'ny mpamorona Demotix.

Namely an'i Japan ny tafio-drivotra (antsoina hoe Tafio-drivotra 19), ka olona roa farafahakeliny no namoy ny ainy ary maherin'ny 70 kosa ireo naratra.

Niditra teo atsimo indrindra ao Kyushu, nosy lehibe farany atsimo ao Japana ny tafio-drivotra mahery vaika, faritana ho iray tamin'ireo tafio-drivotra mahery vaika indrindra tamin'ity taona ity tao Pasifika andrefana, ary nanavatsava an'i Japana alohan'ny hivoahany indray an-dranomasina ny 14 Oktobra.

Ny lalana heverina fa handalovan'ny Tafio-drivotra 19 amin'ny 8 maraina amin'ny 13 oktobra. (Fanairana Loza Manambana NHK)

Olona teo amin'ny roa tapitrisa teo no nafindra toerana, ary mbola goavana ny fahasimbana, na dia voafetra aza, tao amin'ireo faritra ambanivohitra mitoka-monina tahaka ny ao Okinawa :

Typhoon 19 causes widespread damage over all parts of Okinawa, injuries and flooding reported – October 12 (ANN News)

Niteraka fahasimbana goavana manerana ny faritra Okiwana ny Tafio-drivotra 19, fantatra fa nisy ireo naratra sy ny  tondra-drano – 12 Oktobra (Vaovaon'ny ANN)

Nizara ny sarin'ny tafio-drivotra ireo mpiserasera Twitter manerana an'i Japana.

Mpisera Twitter ao Okinawa, nampiasa lahatsary mivantana mba hampiseho mazava ny fitsoka mafin'ny rivotra mampivarahontsana mialoha ny fahatongavan'ny tafio-drivotra :

Tahaka izao ny fiainan'ilay fonona plastika misy ovy fisaka voaendy rehefa nihananatona ny tafio-drivotra 19… Mahafinaritra!

Tamin'ny fotoana nidiran'ny tafio-drivotra tao Kyushu, saika nanamaizina ny tapany andrefana amin'ny habakabak'i Japan izany:

Tafio-drivotra mahery vaika eo ambonin'ny Prefektioran'i Kagoshima, araka ny hita avy eny amin'ny habakabaka

Mahery vaika ny tafio-drivotra tao Fukuoka (tanàna lehibe indrindra ao amin'ny nosy Kyushu) ka nahahongotra hazo:

Nidarobaka teo anoloan'ireo magazay ao Fukuoka ireo hazo.

Mety iharan'ny tondra-drano avy amin'ny fiakaran'ny renirano sy ny tatatra kosa ireo tanàna marobe, tahaka ny ao Saiki ao amin'ny prefektioran'i Oita ao Kyushu.

Mihoatra ny renirano ao an-tanànan'i Saiki ao amin'ny prefektoran'i Oita, mila hanariana haingana. Heverina fa mbola hiakatra ny haavon'ny renirano ka mety hitera-doza amin'ny manodidina.

Niharan'ny riandrano mahery vaika manerana ny tanànan'i Beppu :

Raha nankany an-drenirano izahay, dia nandriaka ny rano! Nanidina ny elo kely plastikanay ary lena avokoa izahay (TPT). Raha sendra mianjera ao anaty renirano ianao ankehitriny, mety ho vita ny aminao, ka tsara kokoa ny mijanona lavitra !

Nialoha ny nandalovan'ny  tafio-drivotra tao amin'ny faritra Kanto sy Tokyo, dia lany tanteraka ny heriny, ka namela vanim-potoana fararano mahafinaritra :

Fujisan miala ao Kawaguchiko. Toetr'andro tsara taorian'ny tafio-drivotra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.