Ny Mety Hoavin'i Shina No Hitan'Ireo Ao Taiwan Amin'ny Hetsi-panoheran'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong

The supporters from the Black Island Youth.' Photo by the Black Island Youth. CC BY-NC 2.0.

Ireo mpanohana avy amin'ny Black Island Youth (Tanoran'ny Nosy Mainty).’ Sary an'ny  Black Island Youth. CC BY-NC 2.0.

Rohy mankany amin'ny pejy miteny Shinoa sy Anglisy raha tsy misy fanamarihana manokana

Raha ny sitrapon'i Beijing fotsiny dia efa natambatra tamin'ny tanibe ny nosy demaokratika Taiwan, eo ambanin'ilay rafitra politika voapetraka, tsy hafa fa fantatra amin'ny hoe “firenena iray, rafitra roa” izay manome ampaham-pizakantena an'i Hong Kong manoloana ny governemanta foibe (na farafaharatsiny araka izay novinavinaina). 

Saingy an'arivony ireo manohy manao hetsi-panoherana ao Hong Kong mitaky ny hanaovana fifidianana mangarahara ary voatsenan'ny entona mandatsa-dranomaso sy ny tsifotra dipoavatra. Heverin'ireo Taioanezy sasany fa nandamoaka ny “firenena iray, rafitra roa” ary fita-bitro ny fizakantena “sitrahan'i”  Hong Kong. 

Nasehon'ireo Taioanezy mpianatra mpikatroka mafàna fo ny fanohanany ireo mpianatra nibodo tsy niditra an-dakilasy tany Hong Kong tamin'ny 22 Septambera 2014, tao anatin'ny fanantenana fa mba hahatonga saina an'i Taiwan ny familiviliana ataon'i Beijing ny resaka fanavaozana ny rafi-pifidianana ao Hong Kong.

Ho setrin'ireo fifandonana nahery vaika teo amin'ny mpianatra sy ny polisin'i Hong Kong tamin'ny 27 Septambra ary ny fanombohan'ilay fitorevahana faobe nomena anarana hoe “Occupy Central” ny andro nanaraka izay, maherin'ny arivo ireo olona tonga nifamory tao amin'ny “Freedom Square” tao Taiwan mba haneho ny firaisankinan-dry zareo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana ao Hong Kong.

Hamela ity zanatany Britanika fahiny ity hanao fifidianana mivantana i Beijing amin'ny fifidianana izay ho filoha manaraka eo hitarika azy, saingy alohan'ny hivoahan'ny anarany eny anaty biletàm-pifidianana dia takiana amin'ireo mpirotsaka ny hahazoany mialoha ny fanohanan'ireo mpikambana ao anatin'ny kaomity mpanendry, izay ny mpomba an'i Beijing no maro an'isa ao anatiny. Amafisin'ireo mpanao hetsi-panoherana fa ity rafi-pifidianana ity, izay ny kaomity maharitra ao amin'ny Kaongresim-pirenen'ny Vahoaka no nanolotra azy, dia mizotra mifanohitra amin'ny fifidianana andraisan'ny rehetra anjara izay nampanantenaina an'i Hong Kong.  

Ao amin'ny pejy Facebook-ny,  nohazavain'ny “Black Island Youth”, vondronà mpikatroka mafàna fo amin'ny Hetsika Tanamasoandro – Sunflower Movement ao Taiwan ny antony anohanan-dry zareo ny hetsi-panoherana ao Hong Kong :

黑色島國青年陣線過去一年來,在臺灣反對同樣罔顧人民聲音的中國國民黨,並抵抗其背後日益鮮明的「中國因素」。我們對於香港青年在香港抵抗中國共產黨的勇氣與努力非常敬佩。

Nihetsika ny Black Island Youth – Tanoran'ny Nosy Mainty – mba hanoherany ny Kuomintang [lay antoko mpandàla ny fampiraisana] , izay manohy minia tsy mihaino ny feon'ny vahoaka Taioanezy, sady niaritra ny ‘singa Shina ’, izay mbola manana dia manana dindo tokoa ao amin'ny Kuomintang. Vokany, tena hajainay fatratra tokoa ny fahasahiana sy ny ezaka nataon'ireo tanora ao Hong Kong nasehonareo tamin'ny alàlan'ny hetsi-panoherana ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP).

Lavin'i Beijing ny fahaleovantenan'i Taiwan ary raisiny ho toy ny faritany misintaka ilay nosy.

Tsipihan'ilay Taioanezy bilaogera, shophist4ever,  fa hoe ny rafitra fifidianana teren'i Beijing hapetraka ao Hong Kong dia taratry ny tsy fanjarian'ilay “firenena iray, rafitra roa”:

其實中國政府可以不用作的這麼難看,畢竟一國兩制有示範給台灣看的目的存在。結果現在中國端出來的所謂「政改框架」,根本就是由北京來欽定特首的設計,真正看過民主國家普選制度的人,一定是無法接受的。

Tsy mila mamadika ny zavatra rehetra ho ratsy tahaka izao ny governemanta Shinoa. Ny ‘firenena iray, rafitra roa’  ao Hong Kong koa dia manana endrika fanehoan-kery ho an'i Taiwan. Kanefa, ilay antsoina hoe “rafi-panavaozana ny fifidianana’ natolotry ny governemantan'i Shina, raha ny tena marina, dia novolavolaina ho an'izay lehiben'ny mpanatanteraka voafidin'i Beihing [ho an'i Hong Kong]. Ho an'ny olona iray nahita ny tena atao hoe fifidianana tao anatinà firenena iray demaokratika, tsy hanaiky tolotra tahaka izany mihitsy ry zareo.

Kuo-Chang Huang, iray amin'ireo mpitarika ny Hetsika Tanamasoandro, izay nibodo ny Tranoben'ny antenimera mpanao lalàna tao Taiwan nandritry ny telo herinandro ho fanoherana ny fifanarahana miafina nifanaovana tamin'i Shina, dia nanipika fa ny fisisihana an-tsokosoko nataon'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) tao Hong Kong no nikiky ny maha firenena tan-dalàna azy ary nampitandrina an'i Taiwan izy tsy hanaraka ny dian'i Hong Kong:

如果你要看中共滲透一個社會的方式,你去看香港。他們已經到讓人難以理解的程度,本來香港不該容許這種事,以前英國殖民時,香港沒有民主,但有法治;但現在香港法治的實際實踐,會讓你覺得香港沒有民主,連法制也逐漸在流失當中。

Raha tianareo ho hita ny fidirana an-tsokosokon'ny CCP ao anaty fiarahamonina, i Hong Kong no tokony banjininareo. Niova be ny zavatra rehetra ka lasa sarotra takarina. Tsy tokony holeferina ny zavatra tahaka izany aty Hong Kong. Fony nifehy an'i Hong Kong ny Britanika, tsy nisy ny demaokrasia, saingy nisy ny rafitra ara-dalàna. Ankehitriny, miainga avy amin'ny fampiharana ireo andrim-panjakana napetraky ny lalàna eto Hong Kong, mety ho tsapanareo fa tsy misy demaokrasia na kely aza, ary mihasimba ny rafitra ara-dalàna eto.

香港之前一國兩制、選特首、五十年不變的承諾,中國可以說翻臉就翻臉,他當然知道這樣翻臉有政治代價,你就是說話不算話的政權,自己作的承諾都可以公然毀棄,但他為何敢做?因為香港已經是中國的囊中物了,我已經把你放在口袋裡了--香港人,你們放棄反抗,我已經把你緊緊握在手上,你奈我何?

Nampanantena ny ‘firenena iray, rafitra roa’ tamin'i Hong Kong ny CCP, ny zo ho afaka hifidy izay ho lehibe mpanatanteraka ao amin-dry zareo, ary ny tsy hisian'ny fiovàna ao anatin'ny 50 taona. Na izany aza, tsy tratry ny andro maraina dia efa novain'ny CCP izay tao an-tsainy. Azo antoka fa takatry ny CCP tsara mihitsy ny vidin'ny famadihana ara-politika nataon-dry zareo—io no lasa fihetsika fihatsaram-belatsihy izay nanimba imasom-bahoaka ny fampanantenana nataony. Fa naninona no sahy nanao tahàka io ny CCP? Satria ao am-paosin'i Shina i Hong Kong— o ry zareo “Hong Kongers” a!  ato am-paosiko ianareo. Atsaharo ny fanoheranareo. Hatramin'ny naha-teto an-tànako anareo, inona no azonareo atao?

從中國角度來看是這樣的,對台灣也一樣,中共希望台灣在經濟上不斷依存中國市場,這樣他就可以慢慢把台灣收入口袋中,之後在政治上,他有太多籌碼,讓台灣人認知現實,「你已經逃不出我的手掌心,你還要跟我談什麼?」這是兩岸關係的最後結果,是把台灣慢慢配合中共統戰策略、放到中共口袋中

Raha ny fomba fijerin'i Shina, dia lasitra iray amin'izay misy an'i Taiwan no misy an'i Hong Kong. Volavolain'i CCP hifampiankina amin'ny tsenan'i Shina i Taiwana eo amin'ny lafiny toekarena mba hahafahana mametraka tsikelikely an'i Taiwan ho ao anaty poaosiny. Aorian'izany, hanana lanja be any anatin'ny fifanarahana ara-politika ny CCP. Ho avelan'ny CCP hahita ny tena zava-misy ry zareo Taioanezy. ‘Tsy afaka ny hiala eto an-tànako ianao. noho izany inona no tianao hifampiraharahàna amiko?’ Ny tena fiafaràn'ny lalao eo amin'ny fifandraisan'ireo dia ny hampiraisana an'i Taiwan sy hametrahana an'i Taiwan ao anaty paosin'ny CCP.

The supporters in the Freedom Square.' Photo by the United Social Press. CC BY-NC 2.0.

Ireo mpanohana tao amin'ny “Freedom Square”. Sary an'ny United Social Press. CC BY-NC 2.0.

Na izany aza anefa, niteraka aingam-panahy ho an'ireo Taioanezy mpikatroka mafàna fo ireo hetsi-panoherana ao Hong Kong. Profesora iray efa misotro ronono, Chin-Hsing Liu, niteny momba izay hitany nandritry ny diany tany Hong Kong tamin'ny volana Jona tamin'ny fotoana nanaovana fitsapankevi-bahoaka tsy ofisialy momba ny zo ara-pifidianana, izay nahangonana sonia an'arivony maro:

這次香港行,給我很大的震撼,過去我以為香港既已回歸,土地相連,人民都自認是中國人,怎麼可能脫離「祖國」的魔掌?[…]我錯了。已經孵化的小雞,不可能再塞回蛋殼去。曾經擁有自由的人,也不會放棄自由的。香港的民主運動起步雖遲,卻方向堅定,力道十足。

Nandòna ahy ity diako tany Hong Kong ity. Tany am-boalohany dia noheveriko fa, satria efa nihisaka ho any Shina ny fiandrianam-pirenen'i Hong Kong, dia tafiditra ho zara-tany ao anatin'i Shina izany i Hong Kong, ary dia efa fahazarana ho an'ireo “Hong Kongers” ny mihevi-tena ho Shinoa, fomba ahoana no hahafahan-dry zareo miala eo an-tànan'ny Shina? […] Diso aho. Tsy vitanao ny hanery akoho iray hiverina hiditra anaty atody. Ny olona iray efa zatra nanana fahalalahana tsy hamotsotra velively ny fahalalahany. Na dia taraiky aza vao nanomboka ny hetsika ho an'ny demaokrasia tao Hong Kong, dia hentitra ny fitantanan-dry zareo azy ary feno hery tanteraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.