Izao No Mitranga Rehefa Nahasarika Ireo Hira Malazan'i Ricky Martin

Foto por calciostreaming tomada de Flickr bajo Licencia CC BY 2.0.

Ricky Martin. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr calciostreaming. CC BY 2.0.

Nosoratan'i Alfredo Richner, mpanorina sy mpamoaka lahatsoratra ao amina bilaogy ara-kanto sy ara-kolontsaina Porto Rico Indie monina ao San Juan ity lahatsoratra natao tamin'ny teny Espaniola tany am-boalohany ity.

Folo volana lasa izay, nanomboka nandinika fomba vaovao hahatsiarovana ny tsingerintaona fahadimin'ny Puerto Rico Indie aho, bilaogy izay natsangako tamin'ny tapaky ny taona 2009 mba hanoratana indrindra momba ny mozika sy hitantarana ny fampisehoana ao an-toerana. Izany no nampisy ny hevitra “Indie Martin”, hiran'i Ricky Martin nangonin'ireo mpanakanto avy amin'ny fampisehoana mozika tsy miankina ao Poerto Rico. Navoaka tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 26 Aogositra ny “Indie Martin”, ary afaka trohana maimaim-poana ao amin'ny Discos Diáspora.

Fa, maninona no Ricky Martin?

Fa maninona no tsy i Ricky Martin? Samy manana ny fijeriny azy sy ny mozika nataony nandritra ny taona maro ny tsirairay, saingy ny azo antoka dia nahatonga an'izao tontolo izao ho liana amin'ny nosinay i Ricky Martin, izay tokony hampirehareha anay. Mety ho izy no mpihira iraisampirenena ankafizina indrindra eto Poerto Rico, “superstar” tena izy izay manana hira miteronterona eo amin'ny tabilaon'ny hira malaza indrindra manerantany tahaka ny  “Livin ‘La Vida Loca” sy ny hira fanevan'ny Fiadiana ny Tompondaka Manerantany “The Cup of Life” (Ny Amboaran'ny Fiainana). Tianay ny hanasa ireo manan-tsofina liana hihaino ny feon'ny mozika an-tsehatra mahaleotenan'i Poerto Rico amin'ny alalan'ireo hira fanta-daza, feno fahatsiarovana sy embona ny lasa. Ary angamba hitarika ny mpihaino hizaha ny mozika orizinalin'ireo mpanakanto nandray anjara tamin'ny tetikasa.

Nikasa hanambatra izany tontolo anankiroan'ny mozika izany izahay, izay tahaka ny hafa mihitsy amin'ny ao an'eritreritry ny fampahalalam-baovao mahazatra, ny indostrian'ny mozika eny fa na dia amin'ireo mpihaino marobe aza. Amin'izany ihany, te-hifanamby amin'ireo mpanakanto tsy miankina mba hampiasa ny fitaovan'i Ricky ho azy ireo manokana, ka lasa manome dika vaovaon'ny hira. Bitika saingy mampihetsi-po ny seho Indie ao Puerto Rico, ary tao anatin'izay taona vitsy izay, nahazo fankasitrahana hatrany avy amin'ny gazety manokana ao Amerika Latina sy ao Etazonia noho ny fahamaroan'ireo mpanakanto manan-talenta sy ny fanoratan-kira mahery vaika ananany. Seho nahitàm-pandrosoana na teo amin'ny fanehoana azy na tamin'ny fipàkany, indrindra indrindra noho ny fampiroborobona sy ny fanentanana tsy an-kiato ao amin'ny Aterineto.

16 tamin'ireo hira malazany notontosain'ireo mpanakanto isan-karazany no voaangona tamin'ny vokatra farany, miainga amin'ny menavazana amin'ny seho ao an-toerana tahaka ny Balun, Un.Real, Los Nervios, Ardnaxela sy Habish, hatramin'ireo hetsika vao haingana tahaka ny Cardigan Academy, Guateke ary ny Furry Voyelles (miaraka amin'ny Moreira eto). Hitanao ihany koa ireo endrika elektronika, tahaka ireo avy amin'ny Dino Analog Orchestra sy Dead Hands, ary koa ny endrika haifeo (tsy mampiasa zavamaneno miankina amin'ny herinaratra) an'i Los Niños Estelares sy Eden Cruz. Ahitana dihy pop avy amin'i Los Walters sy punk rock avy amin'i Los Nadies, ary koa ahitana piano avy amin'i Ardnaela sy fandrindrana feon-gitara avy amin'ny mpamokatra sy mpanao fampisehoana Héctor “Stonetape” Hernández ilay rakikira. Nandray andraikitra tamin'ny fitrandrahana ny hira mbola tsy norenesina “She Bangs” avy any amin'ny lavaka mangitsokitsok'i William Hung ao amin'ny American Idol an-taonany maro lasa izay ireo namanay Portorikàna avy ao Santiago, Repoblika Dominikàna, Las Acevedo.

Efa nahazo fotoana manokana tao amin'ireo fampahalalam-baovao iraisampirenena ny “Indie Martin”, tahaka ny fandaharana Alt.Latino sy ny Week-end Edition ao amin'ny NPR ao Etazonia, ny fandaharana Multipista ao amin'ny Radio 3 ao Espaina, ary ireo onjam-peo sy bilaogy ao Brezila, Venezoelà sy tao amin'i Repoblika Dominikàna, ankoatra ireo firenen-kafa. Ravoravo izahay tamin'ny angon-kira sy ny fandraisana azy – ary manantena fa hihaino azy ianao, zarao amin'ireo namanao ka hampahafantaro anay hoe iza no voatra tena ankafizinao. Zarao ny vatomaminao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.