Ho Tapaka Tanteraka Ve Ny Aterineto Ao Hong-Kong?

Mobile phones light up the crowd of pro-democracy protesters in Hong Kong on September 30, 2014. Photo by Flickr user Pasu Au Yeung. CC BY 2.0

Nampamirapiratrany hetsiky ny mpanohana ny demokrasia tao Hong Kong tamin'ny 30 Septambra 2014 ny fipendrapendran'ny finday. Saripika avy amin'ny Flickr nampiasan'i Pasu Au Yeung.

Ity lahatsoratra ity dia nozaraina roa, nosoratan'i Oiwan Lam ary ny fototra izay nivoaka tamin'ny teny Sinoa ny 1 Oktobra 2014 tamin'ny alalan'ny mediam-bahoaka “inmediahk.net”. Loki Chu no nandika azy avy eo ary navoaka indray teto amin'ny Global Voices mba hifampizarana ny vontoatiny.

Tamin'ny 28 Septambra, nihazakazaka tahaka ny afo tsy voafehy ny tsaho fa nangataka tamin'ny mpandraharahan'ny fifandraisana am-pinday ny polisin'ny Hong Kong hanapaka ny fifandraisana an-tserasera amin'ny faritry ny Admiralty ao Hong Kong. Nihanafana avy hatrany ny toe-draharaha rehefa nampiasa etona mandatsa-dranomaso tamin'ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny demokrasia ny polisy ora vitsivitsy monja mialoha izany.

Ny federasionan'ny sendikan'ny mpianatra oniversite, izay fikambanana mitana ny andraikitra fototra amin'ny fanetsehana ity  ity hetsika “Occupy Central” ity, no niantso avy hatrany ireo mpanao fihetsiketsehana mba hisintaka avy hatrany, raha toa ka tapaka ny tambajotra.

Miparitaka ihany koa eny amin'ny median-tsosialy, ireo hafatra maro samihafa mandrisika ireo mpanao fihetsiketsehana hitroka sy hametraka ny “Firechat” (fanaovana karajia), fampihatra azo ampiasaina amin'ny alalan'ny aterineto na amin'ny “Bleutooth”. Azon'ireo mpikirakira azy atao tsara ny mifampiresaka amin'ireo akaiky amin'ny alalan'ny ovan'ny FireChat Bluetooth tsy misy aterineto finday. Maro dia maro ireo mpanao fihetsiketsehana no nitroka ity “Firechat” ity mba ahafahana mifampiserasera hatrany mandritra ny fihetsiketsehana raha sanatria tapaka ny tambajotra aterineto, dia eo aza mety lesoka ara-piarovana ao amin'ity fampihatra ity. Fa hatreto aloha dia mbola tsy nisy ny fahatapahan'ny tambajotra serasera.

Manontany tena ny rehetra ankehitriny ny mety hihetezan'izany fanakatonana tanteraka ny tambajotra ao Hong Kong izany. Mpitranga izany any amin'ny faritry ny Shina Tanibe tahaka an'i Xinjiang, izay ampiharan'ireo manampahefana ny fanapahana aterineto mba hifehezana ny rotaka ara-poko ao amin'ny faritry ny foko vitsy an'isa Uyghur. Tsy misy ihany koa ny fanarahamaso akaiky ny fotodrafitrasan'ny tambajotra sy ny fitantanana orinasa ao amin'ny fari-piadidiana manokan'i Hong-Kong

Charles Mok, mpanolotsaina ara-panaovan-dalàna eo amin'ny sehatry ny teknolojian'ny fifandraisan-davitra, fa manify dia manify ny ahafahana manakatona tanteraka ny tambajotra.

Didy roa no mametraka ny fahefan'ny governemanta hampihatra ny fanakatonana tanteraka ny tambajotra. Milaza ny Didin'ny Fifandraisandavitr'i Hong Kong fa manoloana ny filatsahana an-katerena, fa raha manapa-kevitra ny lehiben'ny fampandehanan-draharaha (manam-pahefana faratampony ao an-toerana) fa tsy maintsy mametraka ny fanarahamaso ny orinasam-pifandraisandavitra ny governemanta, dia afaka mamoaka taratasin-didy voasoniany hanaovana izany ary mampiasa ny tambajotra handefasana hafatra ho an'ny vahoaka. Na dia tsy tokony hampiharina mihoatra ny herinandro aza ny taratasin-didy, dia azo atao ny mamoaka taratasin-didy isan-kerinandro. Tsy mamaritra ny antsoina hoe “filatsahana an-katerena” kosa anefa ity didy ity.

Manambara ny Didim-Pifehezana ny Vonjy Taitra ao amin'ny faritra fa: “Amin'ny fotoana rehetra izay hiheveran'ny lehiben'ny fampandehan-draharaha mandritra ny filankevitra ho misy vonjy taitra na mety hanohintohina ny vahoaka, dia azony atao ny mandray ny fepetra rehetra ho amin'ny tombontsoan'ny vahoaka.

Raha lazaina amin'ny fomba hafa, dia tokony ho anatin'ny fotoana (fariparitana ankapobeny ho) “mihotakotaka” i Hong Kong vao afa-mitaky amin'ny mpamatsy aterineto mba hanidy ny tambajotran'izy ireo ny governemanta, na izany amin'ny firenena manontolo na amin'ny faritra manokana.

Nanipika i Charles Mok, fa ho sarotra ho an'ny governemanta ny hampihatra ny fahefana nomen'ireo didy roa ireo satria miasa ao anatin'ny tsena misokatra ao Hong Kong ireo servisin'ny tambajotra na finday na an-tariby. Araka ny atontan-tahiry navoakan'ny Vaomieran'ny Fampandrosoana ara-Barotra ao Hong-Kong dia mitontaly 20 ireo mpandraharahan'ny fifandraisana an-tariby tamin'ny Jona 2013, dimy ny mpandraharahan'ny tambajotra finday tamin'ny Desambra 2012 ary 194 ny Mpamatsy aterineto tamin'ny Jona 2013. Azontsika saintsainina ny havaventin'ny fiantraikany tsy maintsy mamoaka taratasy misy ny didy miisa 106. Ankoatra izay, tsy maintsy avantana any amin'ny Filoha Tale Jeneraly na ny Filankevi-pitantanana mivantana ny taratasin'ny didy, ary alohan'ny handraisan'ireo mpandraharaha vahiny ny taratasy, dia tokony mbola mandeha ihany ny fifandraisandavitra.

Nanampy hatrany i Charles Mok fa raha tsy maintsy hanapaka ny fifandraisana ny governemanta, dia tsy mety ho vita ihany izany amin'ny mpandraharahan'ny serasera finday 3G sy 4G, fa raha vao tapaka ny tambajotra, dia tapaka ihany koa ny fifampiresahana amin'ny finday, ka tsy ho azo refesina ny vokatr'izany.

Araho lalindalina kokoa ny tatitra manokana: Revolision'ny Elo ao Hong Kong

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.