Kashmir Niatrika ‘Herisetra Ratsy Indrindra Tao Anatin'ny Folo Taona” Teo Amin'ny Indiana sy Ny Pakistaney

Indian villagers carry the dead bodies of Akram Hussain who was killed in alleged Pakistan mortar firing at Jeora village of R.S Pura border sector about 32 km from Jammu, India. Image by Amarjeet Singh. Copyright Demotix (23/8/2014)

Mponina ambanivohitra Indiana mitondra ny nofo mangatsiakan'i Akram Hussain, izay namoy ny ainy tamin'ilay tifitra tafondro lazaina fa avy any Pakistana tao an-tanànan'i Jeora ao amin'ny sisintanin'i R.S Pura, 32 km miala ao Jammu, India. Sary avy amin'i Amarjeet Singh. Copyright Demotix (23/8/2014)

Miverina indray ny fanafihana ao Kashmir, eo amin'ny faritry ny Tsipiky ny fanaraha-maso (Line of Control ) “LOC”, manelanelana ny sisintany Indiana sy Pakistaney tamin'ity indray mitoraka ity. Tao anatin'ny andro vitsy, nifampitifitra tao amin'ny sisintany ireo firenena roa mpifanolo-bodirindrina ireo, ka sivily 17 no namoy ny ainy ary an'arivony ireo nandositra ny faritra.

Efa ho roa herinandro no nisian'izany gidragidra vaovao izany, tamin'ny 7 Oktobra, raha namono olona mpandalo sivy ny fifampitifiran'ny miaramila Indiana sy Pakistaney. Taorian'ny fifandonana, nifanome tsiny ny hafa ho nitarika herisetra ny roa tonta. Toa tsy nisy ny fahanginana andro vitsy taorian'izany, satria nifampitifitra tafondro sy basimarovava i India sy i Pakistana, ka namoizana ain'olona enina hafa ao an-toerana, anisan'izany ny ankizy anankitelo.

Ao anatin'ny ezaka hanalefahana ny ady, nametraka laharana an-tariby ny komandan'ny miaramila ao India sy Pakistana mba hifandraisan'ireo tafika ao amin'ny firenena roa tonta matetika. Hatramin'izao, tsy mba nisy zavatra goavana vitan'izany ezaka izany.

Nanangana ny LOC i India sy Pakistana tamin'ny taona 1972, taorian'ny fifandonana mahery vaika tao Kashmir. Tsy nahavita nitondra filaminana ny famoronana ara-jeografika, saingy nanasonia fampitsaharana ady ny firenena roa tonta tamin'ny 2003, taorian'ny fifampitifirana manamorona ny sisintany naharitra 14 taona.

Nantsoina ho “ratsy indrindra tao anatin'ny folo taona” ny rotaka farany tao amin'ny LOC, ary maro ny matahotra fa mety hanimba manontolo ny fampitsaharana ady tamin'ny 2003 izany. Tsy nahomby ireo ezaka hanarina ny fifandraisana. Nandà tsy hamonjy an'i Pakistana tamin'ny fivoriana niarahana tamin'ireo separatistan'i Kashmir i India,  ary nanafoana ny tetikasa hiresaka amin'ny Pakistaney tamin'ny volana Aogositra ny praiminisitra Indiana Narendra Modi.

Araka ny filazan'ny manampahefana Pakistaney, tsy nanao na inona na inona hampisy ny fanafihan'ny Indiana i Islamabad. “Tsy mazava aminay mihitsy hoe nahoana no kendren'ny Indiana ny vahoaka sivily pakistaney,” hoy ny jeneraly Pakistaney iray tamin'ny gazety tamin'ny 8 Oktobra.

Milaza tantara mitovy amin'izany ihany koa tafika Indiana, saingy mifamadika ny andraikitra.

Efa misara-kevitra ny fampitam-baovao manoloana ny gidragidra. Ny Times of India, ohatra namoaka lahatsoratra tahaka ny hoe “Pakistan May Continue Border Firing Until Diwali (Mety Hanohy Ny Fitifirana Ny Sisintany hatrao Diwali i Pakistan),” ary miampanga an'i Islamabad ho “nanitsakitsaka indray ny fampitsaharana ny ady” ilay gazety. Ny Express Tribune kosa etsy andaniny toa hita mazava fa mpomba ny Pakistaney, ary namoaka lahatsoratra toy ny hoe “Escalating Tensions: As India Resumes Shelling, Pakistan Warns of Payback (Fifampihenjanana : Nidaroka baomba indray i India, Mampitandrina Ny Hamaly bontana i Pakistana», izay midika fa i India no nitarika ny herisetra. Nanome tsiny ny tafika Indiana ho nitififra voalohany ihany koa ny gazety liberaly hiringiriny.

Maro ireo naneho hevitra tao amin'ny Twitter mikasika ny fahasamihafan'ny tati-baovao. Ny ambaratongan-tsy fahalalàna menatra no mampisy ireo valinteny isan-karazany. Omar Waraich, ohatra, nanoratra momba ny krizin'ny sisintany ao amin'ny LOC :

Fifandonana ao amin'ny Line-of-control: Fampahalalam-baovao Pakistaney: Pakistaney 5 no namoy ny ainy: http://t.co/c2kCEZZu95 Fampahalalam-baovao Indiana: Indiana 6 no namoy ny ainy http://t.co/kBb323Qw2a

Nahatezitra ireo mpiserasera aterineto ny fanjavozavoan'ny fampitam-baovao. Nilaza i Salman Akram Raja fa manampy trotraka ny ady an-kitifitifitra eny an-dalambe ny adim-baovao.

Samy mamorona teny mirazotra mampahatezitra sy mampitebiteby ny fampahalalam-baovao ao India sy Pakistana. Ampolony ny Fahitalavitra fa tsy misy manakatra ny fijerin'ny ankilany.

Voahitsakitsaka in-11 ny fampitsaharana ady ao amin'ny LOC hatramin'ny fiandohan'ny volana Oktobra, samy tsy miaiky amin'ny fomba ofisialy ny andraikiny ho nitarika ady na i India na i Pakistana. Toa hita fa tsy hisy fihatsarany, miandry sy manantena sisa no azon'ny ao amin'ny faritra atao mba tsy hihomboan'ny fifamelazana eo amin'ireo mpifanandrina samy manana fitaovam-piadiana nokleary ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.