Yadiko Uruk – Zanaky ny Paraky, ny Kôka Ary Ny Mangahazo Malefaka

Corregimiento La chorrera, Amazonas

Corregimiento La chorrera, Amazonas, Kolombia

Tanàna monisipaly iray antsoina hoe Milan izahay, miorina adiny roa miala eo amin'ny renirano La Chorrera ao Kolombia araka ny hitanao ao amin'ny sarintany eo ambony. Tsy mahafantatra ny fampiasana teknolojia ny ankamaroanay, saingy tsy maintsy ataonay ny hahaizana mana izany handraketana ny hiranay sy hanapariaka ny resaka Yadiko fomba am-panaonay, ka mba hipaka any amin'ny olon-kafa izany. Satria manana fahefana manasitrana ny Yadiko. Manasitrana ny vato, ny zavamaniry, ny ankizy, ny antitra, ny ady lehibe ary izay zavatra sokajiana fa manimba ny tontolo izy.

Amin'ny alalan'ny resaka ataonay momba ny dihy “Yadiko”, ny fampahatanjahana sy ny fanangonana amin'ny alalan'ny teny roa [mifanindran-dalana], dia hametraka raki-tahiry momba ny fomba am-panaonay sy ny vakokay izahay. Azo tanterahina amin'ny alalan'ny tahirin-kevitra efa misy ary ahitana ny eritreritry ny razambenay sy ny ray aman-drenibenay ny fanaovana izany. Ankilan'izany, hamokatra vontoaty vaovao momba ny fomba fiainanay, ny fomba fisainana sy ny kolontsainay izahay, tahaka ny mozika, ny fomba fiompiana sy ny fambolena, ny fampiantranoana, ny fomba fihazàna sy fanjonoana, ny fahandroana sakafo ary ny fikarakarana sakafo.

Hahafahanay mitahiry ny fomba amam-panaonay sy hiaro azy ireo hoan'ny zanakay izay hiaina teknolojia izay tsy azo ihodivirana ity hetsika ity. Mino izahay fa tsy manimba ny kolontsainay ny teknolojia nomerika vaovao, ary fitaovana mampifanohy ny fahalavirana ary mandrava ny sakana ara-jeografika sy ireo fepetra ara-jeografika sy ara-politika. Amin'izany, raha hita maso ny fomba am-panaonay ary hitan'izao tontolo izao, afaka miantoka izahay fa ho voaaro ny sisintaninay.

Ireto avy ireo ekipa mpandrindra:

  • Ever Giralgo Kuiru Naforo
  • Juan Augusto Kuiru Naforo
  • Miguel Angel Kuiru Naforo
  • Calisto Kuiru, propietario de la Maloka.

Anisan'ny manan-danja eo anivon'ny fiarahamonina ny ankizinay sy ny tanoranay, ary miaraka amin'izy ireo, mitotaly 121 ny mpikambana.

Ireo mpikambana rehetra ao amin'ny filan-kevitry ny tanàna no hahazo tombotsoa, ary koa ny olom-piserasera manerantany izay ho afaka hiditra ao amin'ny vontoaty vokarinay sy mahafantatra ny momba anay.

Chorrera1

Jibina, dɨona, farekatofe urikɨ – 
Ny zanaky ny paraky, koka, ary ny mangahazo malefaka

Ny fianakaviam-piteny Uitoto dia ao anatin'ilay antsoina ankehitriny fa vahoakan'ny Afovoany na Zanaky ny paraky, kôkà ary mangahazo malefaka, mieli-patrana amin'ny morondranon'i Caqueta, Caraparaná, Putumayo, Igaraparaná ary ny reniranon'i Amazonas (Leticia e Iquitos). Ny anton'izany fiparitahana izany dia noho ireo asa ratsy heloka bevava nataon'ny Casa Arana [tranon'i Arana] amin'ny alalan'ny fitrandrahana fingotra sy ireo karazan'asa hafa tsy ara-dalàna (tigrillada, fivarotana rongony sy hazo an-tsokosoko).

Ahitana vondron-tenim-poko fito ao anatin'ny Fianakaviamben'ny teninay : Uitoto, Ocaina, Nonuya, Bora, miraña, Muinane, Andoque. Ny vondrona Uitoto izay efa mizara ho tenim-paritra efatra no misy anay: mɨnɨka, mɨka, Bué ary nɨpode midika ara-bakiteny hoe: “Inona ity” Na izany aza, hafahafa amin'ny kolontsainay ny voambolana “Uitoto» izay avy amin'ny teny “karijona”, ary midika hoe “Vitsika Mihinan'olona)”

Yadiko uai

Kaɨ Jitómagaro atɨa dɨbenedo.
Bie mei ua moo uai, arera
Uikonide, iemo ɨkoɨfenide
Jiaɨno atɨa dɨbenedo ite
Yadiko uai.

Bie mei baɨna uzumamo
komuide rafue uai.
Dama e jenua baɨmo,
Dama e nɨkaɨa baɨmo
Eri jobide,
Nabefue moo mona.

Dɨnona baɨ kue jɨaɨe uzumamo
afe rafuedo biya,
ua dai kue jiaɨe uzuma afe rafue atɨa.
Dai baɨ kue moo
afe uai yɨnoga.

Meita afemɨe fɨnoka
yadiko rafue iraɨnomo.
iadɨ afe rafue atonomo fɨebide
e tɨiya meinori.

Iadɨ mei kaɨmo
Afe uaiyaɨna fɨebite.
Afe rafue uai
jeire oyena
bie fɨnodɨkue.

Kaɨ naɨraɨ komekɨ
jiyotayena,
Kaɨmataiyena
jietayena.

Yadiko nɨ rafuenɨaɨ mona
ɨere aiyono.
Nɨ moo nanoide jito.
Bie rafue bini ñue
uiñoyena fɨnoka.
Nana kadɨkaɨ ñue iyena
Afe uaiya ite.
Meita jamanomo jitairede.
Afe rafuemo aiyo guye ite,
Jibie, yera,
ñue komɨnɨ kaimataiyena aiyo iga
Ua rua royena afemo
Ñue kaɨ jiyoiyena.
Moo uaiza.
Fɨenidɨnona iñede
Nana kaimafue.

Yadiko uai Yadiko uai
Ny tenin'i yadiko

Tahaka izao no nitondranay azy, ny Jitómagaros.
Ity ny tenin'ny Moo, mivelatra
Tsy manana teboka fanombohana na fiafarana
Ny hafa manana fomba fitondrana hafa
ny tenin'ny Yadiko
Satria na talohan'ny razambentsika aza
no teraka ity tenin'ny dihy ity
Amin'ny farany, irery no nahitany
Farany, irery no nahamamo azy
nohitsiana izy
Mivantana avy amin'i Moo.
Avy eo, ny raibeko hafa
tonga niaraka tamin'izany tenin'ny dihy
ary ny hafa iray nitondra ity dihy ity
nanaraka ny raiko
nandray izany teny izany
ary nampihatra azy
ny dihin'ny Yadiko amin'ny farany
mba hijanona eo anivony ity fokon'olona ity
taorian'ny fahafatesany
Na dia izany aza,
Nitoetra tao anatinay ireo teny ireo
Ity tenin'ny dihy
mba hamalifaliana
nataoko izao
mba ho sitrana
ny fon'ny olona,
hifalifaly,
ary hazoto hiasa
Ny dihy Yadiko
no tena zava-dehibe indrindra
izy no zanaka lahimatoan'i Moo
Natao ity dihy ity
mba hiarovana tsara ity tany ity
mba hanao ny tsara ny olombelona rehetra
Izany no antony mampisy ity teny ity
Izany no mahatonga azy ilaina ihany
Amin'ity dihy ity misy sakafo betsaka
fototra kôkà, fototra paraky
Ka mba hifaly ny vahoaka,
ampy ny ao
ka ho sitrana isika rehetra .
Izany ny tenin'ny Moo
Tsy misy ny ratsy
Fifaliana sy haravoana avokoa ny rehetra

Dikateny nataon'i Thalia Rahme.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.