Ny Maso Mibanjina Ny Ho Avin'i Shina, Mihantsy Fisamborana Ireo Avy Ao Amin'ny Tanibe Mba Hanohanana Ny Revolisionan'ny Elo Any Hong Kong.

Netizens from mainland China show their support to Hong Kong democratic protests by spreading photo with supportive message in social media. Photo from Facebook page, Mainland Supporters.

Tamin'ny alalan'ny famoahana sary miaraka amin'ny hafatra maneho firaisan-kina tao amin'ny mediam-bahoaka, naneho ny fanohanan'izy ireo ny mpanohitra miaro ny demokrasia ao Hong Kong ireo mpampiasa aterineto avy ao amin'ny tanibe Shina. Sary nalaina avy ao amin'ny pejy Facebook “Mainland Supporters”

Nodinganin'ireo mpikatroka mafàna fo ao Shina ny sivana ary mananontanona azy ireo ny fisamborana noho ny fanambaràny ampahibemaso ny fanohanan'izy ireo ny mpitolona mpomba ny demokrasia any Hong Kong.

Olona 34 farafahakeliny no voasambotra tamin'ny 6 oktobra, ka fito tamin'izy ireo no mpanakanto avy ao amin'ny foiben-javakanto Sonzhuang ao Beijing. Taorian'ny 22 Septambra nanaovan'ireo mpianatra ao Hong Kong fanaovana ankivy tao am-pianarana mba ho fangatahana fifidianana ara-demokratika no nanomboka ireo fisamborana.

Nilasy sy nanao fitorevahana goavana tao amin'ny distrika manan-karena ao Hong Kong nandritra ny herinandro mahery ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana, hitakiana amin'i Shina mba hisintonany ny fitakiany hoe kaomity mpanendry izay mpomba an'i Beijing no maro ao anatiny no misafidy ny kandidà amin'ny fifidianana izay hirotsaka hofidiana ho lehiben'ny mpanatanteraky ny tanàna manaraka eo. Mba hanakànana ny vaovao momba ny hetsika miandany amin'ny demokrasia, nantsoina hoe “Occupy Central” , tsy hiparitaka any amin'ny tanibe Shina, niharan'ny sivana mahery vaika momba izany ireo mediam-bahoaka, tao anatin'izany ny seha-pifandraisan'ny vahoaka: WeChat sy Sina Weibo.

Nanaitra ireo nàmany tao amin'ny Twitter i Wang Pen tamin'ny fisamborana ny pôeta Wang Zhang, ka ni-bitsika ny sarin'ilay pôeta eo anoloan'ny sainam-pirenenan'i Taiwan sy maneho ny fanohanany an'ilay “revolisionan'ny elo” ao Hong Kong:

Miangavy anareo mba saino kely! Nosamborin'ireo manampahefana tamin'ny 11 ora alina teo ho eo ny pôeta Wang Zhang ny voalohan'ny 1 Oktobra noho ny hafanàm-pony sy ny fanohanany an'i Hong Kong vao haingana. Mpitandro filaminana sy mpiambina ny filaminam-bahoaka teo amin'ny 6 na 7 teo no niditra an-keriny tao amin'ny tranony ny 2 Oktobra tamin'ny 7 ora maraina. Tsy tratra antso izy nandritra ny 24 ora mahery.

Vay iray marary ho an'ny Antoko Kaominista Sinoa ao amin'ny kaontinanta i Taiwan, izay tsy mankatò  ny fahaleovantenan'ilay nosy demokratika. Faritany tantanan'i Sina manokana i Hong Kong na dia misitraka ny velon-tena (fahavitàn-tena) avy amin'i Sina aza , mifanohitra amin'i Taiwan izay faripiadidiana manokan'i Shina. Manamarina ireo manampahefana ao Shina fa tokony atao ho ohatra ho an'ny fampihavanana an'i Taiwan amin'i Shina ilay hoe “firenena iray, fitondrana roa” ampiharina ao Hong Kong. Fampitandremana ho an'ireo mponina ao Taiwan ilay tsy fahombiazana amin'ny fametrahana fitondrana tena ara-demokratika ao Hong Kong manoloana ny fifandraisana akaiky amin'i Shina.

Fa maninona ny tanibe Shina no mirisika haneho fanohanana ny tolona hisian'ny demokrasia ao Hong Kong? Nanazava ny antony ireo mpitantana ny “Support Across the Border”, pejy Facebook iray izay natokana ho fanaparitahana ireo vaovao momba ny “Occupy Central” any Shina, ary mandefa hafatra fanohanana avy any Shina mankao Hong Kong:

有人問我,不論如何你都是內地人,你搞這個你不害怕嗎。
我沒有回答,說實話,我害怕,剛剛還夢見還在牆內的父母被抓走。。我怕得要命。。
但是,那又如何?
這不妨碍我會與香港一起堅持,這不妨碍來自天性的正義和來自本能的良知賜給我勇氣。[…]
那貼牆內在大街小巷宣傳和諧社會的文字,在高壓電與防火牆外面的另外一個世界,香港同胞正用無畏的靜默唱得熱鬧,民主和正義,歌聲嘹亮。

Nanontany ireo olona, amin'ny maha-mponina ao amin'ny tanibe Shina ahy, hoe matahotra ve aho. Tsy namaly aho, fa raha ny marina, mivarahontsana aho. Vao teo, nanonofy aho hoe voasambotra tao ambadiky ny rindrina ny ray aman-dreniko [izany hoe Shina]. Matahotra loatra aho. Kanefa inona àry?
Tsy manakana ahy amin'ny fijoroako ho an'i Hong Kong anefa izany tahotro izany. Tsy hamono ny faherezako hitadiavana ny marina izany ary hihetsika miaraka amin'ny feon'ny fieritreretako izay teraka tato amiko […]
Any amin'ny lafy iray amin'ilay rindrina, miditra any amin'ireo sisin-dalana rehetra ny fampielezan-kevitra momba ny fiarahamonina mirindra, raha fiainana hafa mihitsy no eny amin'ny rindrina sy ny fefy misy herinaratra, eny ireo mponina ao Hong Kong no mihira mafy ho an'ny demokrasia sy ny fahamarinana.

Tao anatin'ny firesahana tamin'ireo mponina ao Hong Kong, nomarihan'ny iray tamin'ireo mpitantana ilay pejy ny lanjan'ny fandrosoana ara-demokratikan'i Hong Kong manoloana an'i Shina :

這不僅僅是香港學生的事了,甚至不僅僅是香港人的事了,而是全國性的,世界性的。這是一場為著民主和自由的革命。[…] 而且不僅僅是我們在香港的內地人,還有在內地的,那些在防火墻裏面信息閉塞的人們,他們也正在使用各種智慧和方法突破重圍,發掘信息,他們無比關切那道窄窄的海矮矮的山對面發生了什麽。他們更加願意,甚至已經,用各種方式在高壓的體制內做著無聲卻持久的抵抗。

Tsy olan'ireo mpianatra ao Hong Kong fotsiny ny amin'io. Tsy olan'ireo mponina ao Hong Kong fotsiny io. Olana nasiônaly sy iraisam-pirenena izy io. Fanovàna ho amin'ny demokrasia sy ny fahafahana io. […] Tsy izahay avy any amin'ny tanibe monina aty Hong Kong ihany, fa ireo olona any amin'ny tanibe Shina ihany koa, toerana izay anakànan'ilay Rindrina Lehibe ny vaovao, no manandrana mampiasa hevitra samihafa mba hahitàna làlana hivoahana, sy mba hamoahana ireo vaovao. Miasa saina momba izay mitranga any amin'ilay elodrano kely sy ireo vohitra kely izy ireo. Vonona ny hampiasa, na efa nampiasa, hevitra maro izy ireo mba hiadiana amin'ilay fitondrana manao didy jadona, am-pilaminana sy amim-pikirizana.

Naneho ny fanohanany ireo mpiandany amin'ny demokrasia ao Hong Kong tamin'ny alalan'ny twitter ihany koa ireo mponina avy any amin'ny tanibe Shina. Nazavain'i IsaacMao, blaogera malaza be ao Shina,ho an'ireo namany ny antony ilàn'i Hong Kong ny demokrasia:

@Andrew_920626 Akaiky ny ivon-toerana mpaninjara zavatra maneran-tany i Hong Kong. Mety ho ivon-toerana sy ho ohatra ho an'ireo tanàna hafa ao amin'ny tanobe Shina i Hong Kong raha vitantsika ny mitazona mba hahomby ny fahalalahany ara-toekarena sy ny rafi-pitsaràny. Ilaina ny fomba ara-demokratika mba hamahàna ireo olana ao amin'io fiarahamonina io, indrindra fa ny tsy fitovian'ireo manan-karena sy ireo mahantra ao amin'io tanàna io. Manaraka izany, hanana fahafahana hanangana orinasa vaovao ireo tanora. Tsy mila mitolona hanaraka ireo lalàna antitra ao amin'io fiarahamonina io intsony izy ireo. Hatanjaka kokoa izy ireo.

Manantena i @guinaigu fa ho maodely ho an'ny demokrasia ao Shina i Hong Kong:

Avy any Guangdong aho. Manantena aho hisy setriny mahafapo ny #OccupyCentral. Manohana ny hetsi-panoheran'ireo mpianatra aho. Raha mandresy ny mpitolona ao Hong Kong, dia hanana demokrasia manerana ny tanibe Shina manontolo isika.

Nohazavain'ny mpitantana iray ao amin'ilay pejy facebook “Support Across the Border”, izay mahatsapa faneriterena, fa enta-mavesatra ho an'ny hetsika miandany amin'ny demokrasia ao Hong Kong ilay hevitra hoe lasa maodely ho an'ny fivoaran'ny demokrasia amin'ny ho avy ao Shina i Hong Kong:

在我來說,這一場運動不只影響香港,還有機會影響內地將來的民主發展。香港現階段的言論、新聞及集會相對自由,而且民主步伐亦比內地快一點點。一旦香港真的跟從人大的落閘決定,推行經過不合理篩選的普選,將來人大可能會以香港作模範,把假普選推行到內地各省市。

Amiko, tsy i Hong Kong ihany no voakitik'io fanoherana io fa manana fahafahana hikitika ny fandrosoan'ny demokrasia ao amin'ny tanibe Shina ihany koa izany. Mbola manana fahalalahana miteny ny mponina ao Hong Kong, fahalalahan'ny gazety, sy fahalalahana mivory, ary malàky noho ny an'ireo ao amin'ny tanibe ny fandehan'izy ireo mankany amin'ny demokrasia. Mety ho ampiasain'ny Kaongresy Nasiônalin'ny Vahoaka ho toy ny ohatra i Hong Kong mba hametrahana io rafi-pifidianana mitanila io any amin'ireo tanàna hafa rehetra ao amin'ny tanibe Shina raha toa ka manaraka ny fanapahan-kevitry ny Kaongresy Nasiônalin'ny Vahoaka ka mampiroborobo io rafi-pifidianana mitanila io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.