Blog Action Day Androany: Andeha Hiresaka Momba Ny Tsy Fitoviana

Photo by Flickr user duncan c. CC BY-NC 2.0

Ny Penina Mahery noho ny Sabatra. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, duncan c. CC BY-NC 2.0

Blog Action Day androany– miaraka amin'ny penina, fafana ary ny kitendry isika amin'ity taona ity mba hiresaka momba ny tsy fitoviana na ny fahasamihafana (inégalité).

Efa nisy hatramin'ny taona 2007 ny Blog Action Day. Hetsika fanao isan-taona izay miteraka fanentanana sy adihevitra lehibe amin'ny alalan'ny fampiraisana ireo bilaogera an'arivony, ary mifantoka amin'ny lohahevitra iray, ary mahazo mpijery sy mpihaino an-tapitrisany. Bilaogera mihoatra ny 1500 no nandray anjara tamin'ity taona ity, avy amin'ireo firenena samihafa an-jatony mahery.

Manan-javatra iray na roa holazaina momba ny tsy fitoviana? 

Mandraisa anjara ary amin'ny #Blogaction14 amin'ny alalan'ny fisoratana ny bilaoginao manokana eto. Soraty amin'izay fiteny mety aminao, na aiza na aiza firenena misy anao. Tsarovy ihany koa fa manana famaritana midadasika ny bilaogy: tafiditra avokoa ny Vlogs(lahatsarylog), podcasts (fandraisam-peo), sary, famoronana sy ny habaka media sosialy. Araho ny ao amin'ny Twitter amin'ny diezy #Blogaction14#Inequality sy#Oct16

Angona avy amin'ny Global Voices: 

Mbola mpiara-miasa ofisialy amin'ity hetsika Blog Action Day ity indray ny Global Voices, ary nandray anjara tao amin'ny bilaoginy manokana ny sasany tamin'ireo mpikambana lehibe ato amintsika. Jereo ny lahatsoratr'izy ireo eto ambany:

The woes of inequality (Ny fahorian'ny tsy fitoviana) nosoratan'i Sanjib Chaudhary
Mitondra ny tantaran'ny tsy fitoviana avy ao amin'ny tanàna nahaterahany ao Atsinanan'i Nepal i Sanjib Chaudhary. Mamaritra ny tsy fitoviana tahaka ny monina any amin'ny ranomasin'ny fahoriana izy.

Bildungsungleichheit durch Homogenisierung (Tsy fitoviana amin'ny Fampianarana avy amin'ny Fampitoviana (homogenization), amin'ny teny Alemana) nosoratan'i Katrin Zinoun
Ao i Katrin Zinoun Manoratra momba ny tsy fitoviana eo amin'ny rafi-pampianarana German (Alemana) izay tsy nahavaha ny fahasamihafana ara-tsosialy.

Desigualdad (en Latinoamérica) (Inequality in Latin America, in Spanish) by Juan Arellano
Juan Arellano discusses inequality in Latin America, .

Desigualdad (en Latinoamérica) (Tsy fitoviana ao Amerika Latina, amin'ny teny Espaniola) nosoratan'i Juan Arellano
Miresaka momba ny tsy fitoviana ao Amerika Latina i Juan Arellano, mampifandray ireo lahatsoratra miresaka ireo indizeny, fihetsiketsehana ara-tsosialy, ny fandrosoana sy ny sisa maro hafa eny amin'ny farany.

#BlogActionDay Desigualdad (#BlogActionDay Tsy fitoviana, amin'ny teny Espaniola) nosoratan'i Juan Tadeo
Mitondra sombin-tantara avy ao Meksika i Juan Tadeo, manasongadina ny tsy fitoviana ara-politika sy ara-toekarena ary ny voka-dratsin'izany ara-tsosialy miteraka fanavakavahana sy herisetra.

inequality

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.