Lahatsary Mampiseho Finamanana Lehibe Eo amin'ilay Lehilahy Breziliana sy Zana-borona Tsikiririoka

Capitura de tela do vídeo de João Silvestrini

Pikantsary tamin'ny lahatsarin'i João Silvestrini. Mampiseho: zanaka kôlôbiria (vorona)

“Iray volana androany no nampahafantaran'ilay Reny ahy ity zanaka tsikiririoka ity!” Izany no anarana nomen'i João Silvestrini, lehilahy Breziliana misotro ronono ny lahatsary nalainy mba hampahafantatra amin'ny namana, ilay zanaka tsikiririoka ao amin'ny Facebook. Ny lahatsary dia mampiseho an'i João miresaka amin'ilay vorona sy ny mpijery mandritra ny roa minitra ary ahitana ilay biby maniditsidina eo akaiky, ary ahatsapana hafanam-pitiavana manafàna ny fon'ireo mpitia biby:

 

Oi! Vem! Vamos filmar aqui, venha aqui, aqui! Vamos conversar aqui pertinho, tá vendo? Vem cá, vamos conversar um pouquinho, senta aqui. Vem beber um pouquinho? Vamos na máquina de novo, vamos? Aí, ó! Olha aí! Tá filmando, heim, tá filmando. Isso, assenta no meu dedo, tá vendo? Isso. Olha aí!

O sem-vergonha fica aqui o dia todo me chamando, ele vai lá me rodeia, rodeia, rodeia. Já faz meia hora que tô deixando ele me chamar. Esse é o filhote. A mãe dele me apresentou ele aqui e largou ele aqui na minha janela, no varal ali. E ele tá acostumado assim, olha, toda hora ele vem me chamar aí, toda hora.

Né? Vem então aí, senta no meu dedo. Vem cá! Vem mais um pouquinho. Isso! Aproveitar o filme aqui, ó. Cê viu? Isso, bebe bem pertinho da máquina. Quer mais não? Não quer? Vou guardar. Pronto, tá guardando.

Eu deixo fechado aqui, ele fica me rodeando, rodeando, aí eu venho aqui e atendo ele.

Manahoana! Mankanesa eto! Andeha hanatontosa lahatsary eto, mankanesa eto, eto! Manatòna akaiky eto mba hiresaka, zany a? Avia, hiresaka vetivety, mipetraha eto. Te-hanala hetaheta? Andeha hifanakaiky ihany amin'ny fakàn-tsary, mety ve? Jereo itsy! Maka sary isika. Izay mihitsy, nitoera eto amin'ny rantsan-tanako, izay indrindra! Inty.

Miantso ahy mandritra ny tontolo andro ity fetsy kely ity, mandehandeha manodidina, manodidina ahy hatrany izy. Navelako hanao izany nandritra ny atsasakadiny izy. Zana-borona io. Nampahafantarin'ny reniny ahy teo amin'ny varavarakeliko izy, ary navelany teo amin'ny tady fanahazan-damba izy. Efa zatra manao izany izy, tonga miantso ahy matetika izy.

Sa tsy izany? Avia eto, mipetraha eto amin'ny rantsan-tanako. Avia! Manatona kely ihany. Eto mihitsy! Andeha haka sarimihetsika maromaro. Afaka manao izany ve isika? Izay mihitsy, misotroa rano eo akaikin'ny fakàntsary. Mbola te-hisotro? Sa tsy izany? Ho raketiko ity avy eo. Okay, okay, eo ampandraketana azy [lahatsary].

Avelako eto izy, ary avy eo manodidina ahy, mihodidina ahy, ka hitsangana aho hikarakara azy.

Raha navoaka tao amin'ny Facebook tamin'ny voalohany Oktobra, nisy nizara in-280.000 ilay lahatsary ary maro ireo karazana fanehoan-kevitra. Naneho hevitra ny zanak'anabaviny Maria Cristina:

TIO O VÍDEO DO SR. JÁ TEM 63.481 COMPARTILHAMENTOS SEM CONTAR OS ACESSOS , TIO O AMOR QUE O SR. TEM POR ESTE BEIJA FLOR É TÃO GRANDE QUE OLHA O RESULTADO , BJS TIO TE AMO

DADATOA, NISY NIZARA IN-63 481 NY LAHATSARINAO TSY LAZAINA INTSONY IREO NIJERY AZY, LEHIBE NY FITIAVANAO ITY ZANAKA TSIKIRIRIOKA ITY, IZAY NO VOKANY, MANOROKA ANAO, DADATOA, TIAKO IANAO.

Flávio Guerra nanasongadina ny fikolokoloan'i João:

Seu João, parabéns. Primeiro por sua boa vontade em servir um pequeno beija flor e nos dá a linda mensagem de que a a única pessoa responsável por nossa felicidade, somos nós mesmo. Continue assim, feliz e com seu pequeno amigo. Abraços do Amazonas!

Miarahaba anao Andriamatoa. João. Voalohany noho ny finiavanao hikarakara zanaka tsikiririoka kely sy noho ny fanomezana anay ity hafatra mahafinaritra ity fa olo-tokana no tompon'andraikitra amin'ny hafalin'izy ireo. Faly tokoa izahay. Tohizo izany, ary mifalia miaraka amin'ity namanao kely ity. Kopa-tanana avy aty Amazonia!

Feno fihetseham-po i Maria Cristina Bisson:

Sr João! Quanta Luz um bichinho tão frágil e pequenino dá a todos que o contempla! E quanta emoção em nosso coração doa a todos quando alguém ama e convive com a natureza como o sr e nos permite sentir e compartilhar um cantinho de seu viver. Muitas alegrias aos dois amigos!Já deu até agora 200.000 compartilhamentos…Abraços de Piracicaba SP.

Andriamatoa. João! Tahaka ny ahoana re ny famirapiratry ny hazavana. Manome antsika zavatra hifantohana ny biby marefo sy bitika tahaka ity! Ary fihetseham-po manao ahoana moa no tonga ao am-pon'ny tsirairay raha misy olona tia sy miara-monina amin'ny zavaboary tahaka ny ataonao. Ary mamela anay hahatsapa sy hizara ny sombin'ny fiainanao ianao. Fifaliana betsaka ho an”ireo mpinamana roa! Efa nisy nizara in-200000 sahady izany hatramin'izao … Kopa-tanana avy aty Piracicaba São Paulo.

 Lasa mpankafy i Rossana de Almeida ankehitriny:

O Sr. João ganhou uma legião de fãs com esse vídeo, pudera, é visível e tocante seu amor e carinho p com o beija- flor,visitante tão especial! O Sr é um Querido!!

Andriamatoa. João, nahazo mpankafy marobe tamin'ity lahatsary ity ianao, tsy mahagaga, hita maso sy mampihetsi-po ny fitiavanao sy ny fankamamianao ity zanaka tsikiririoka vahiny miavaka ity. Tena sakaiza ianao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.