GV Face: Fitokonana Tsy Mihinankanina, Fotoana Nigadrana, Sy Ny Fikatrohana Ao Bahrain sy Ejypta

Herinandro vitsy izay, nitokona tsy hihinan-kanina sy tany am-ponja i Maryam Al Khawajah sy Alaa Abd El Fattah. Nalaza ny diezy tao amin'ny Twitter mitaky ny famotsorana azy ireo any am-ponja ao Bahrain sy Ejypta.

Amin'ity fizarana amin'ny GV Face no miaraka amintsika avy amin'ny fahafahan'ny fonenany ireo mpikatroka malaza ireo, saingy mbola lavitra ny lalan'ny tolon'izy ireo.
 
Ao Copenhague i Maryam amin'izao fotoana izao, tsy afaka mijery ny rainy, mpikatroka malaza ao Bahrain izay niakatra fitsarana sy mitokona tsy hihinan-kanina indroa hatramin'ny taona 2011.

Ao Ejypta, noafahana tamin'ny fandoavana onitra i Alaa herinandro vitsy lasa izay rehefa nahavita ny fitokonany tsy hihinan-kanina naharitra 40 andro tany am-ponja. Miandry fotoam-pitsarana vaovao izy ankehitriny ary voaràra tsy hivezivezy. Miditra amin'ny faha-47 andro amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina kosa ny anabaviny faravavy 20 taona.

Gadra politika an-jatony ao Ejypta sy Bahrain amin'izao fotoana izao no manao fitokonanana tsy hihinan-kanina .
 
Nisioka ny tolon'izy ireo isan'andro tao anatin'izay telo taona izay i Maryam sy Alaa, nanomboka tamin'ny “Lohataona Arabo” nahazo an-tsary ny eritreritr'ireo olona an'hetsiny manerantany. Manana mpanjohy maherin'ny 636 K ao amin'ny Twitter i Alaa ary manana mpanjohy eo amin'ny 101k eo kosa i Maryam.

 
Ao Ejypta, mpitokona tsy hihinan-kanina sasany no any am-ponja hatramin'ny nipoahan'ny fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana tamin'ny 25 Janoary 2011. Ao Bahrain kosa, izay nanatri-maso ireo fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011, gadra politika maherin'ny 600 no nanao fitokonana tsy hihinan-kanina mba hanoherana ny fampijaliana any am-ponja.
 
Amin'ity fizarana ity, hiresaka amin'i Alaa sy Maryam mikasika ny fikatrohany sy ireo tolona atrehin'izy ireo ao Bahrain sy Ejypta isika, ary koa ny fanantenana mahatonga azy ireo hifikitra ho any amin'ny hoavin'ny firenen'izy ireo.
 
Nahazo fanagadrana na natao fanadihadiana hatrany i Alaa nandritra ny androm-piainany isaky ny miova ny filoham-pirenena Ejipsiana. Tamin'ny taona 2006, nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana milamina izy. Tamin'ny 2011, nigadra roa volana tany am-ponja izy, ka tsy mba nahita ny nahaterahan'ny zanany voalohany. Tamin'ny 2013, nosamborina indray izy ary nogadraina nandritra ny 115 andro tsy nisy fitsarana. Ary miatrika sazy 15 taona an-tranomaizina izy ankehitriny.

 
Nosamborina tao amin'ny seranam-piaramanidina tamin'ny faran'ny volana Aogositra i Maryam  raha niezaka hiditra ao Bahrain mba hitsidika ny rainy, mpikatroka ny zon'olombelona malaza izay niakatra fitsarana nanomboka tamin'ny volana Avrily 2011. Miditra eo amin'ny faha-27 andron'ny fitokonana tsy hihinan-kanina faharoa ny rainy. Nanomboka ny 14 Febroary 2011, tamin'ny fiandohan'ny fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana, gadra politika maherin'ny 600 no nanao fitokonana tsy hihinan-kanina ao Bahrain mba hanoherana ny fampijaliana ao am-ponja. Taorian'ny fisamborana an'i Maryam tao an-tseranam-piaramanidina, voampanga ho nidaroka polisy izy. Nolavin'i Maryam ireo fiampangana ireo. Nanomboka nanao fitokonanana tsy hihinan-kanina izy tany am-ponja. Navotsotra tany am-ponja izy tamin'ny 19 Septambra ary nandao ny firenena avy eo. Mbola any am-ponja ny rainy amin'izao fotoana izao, mpiara-mitantana ny Foiben'ny Zon'olombelona Ao amin'ny Helodrano i Maryam.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.