Voromby Baikoan-Davitra Ao Amazonia Manaramaso Ny Tontolo Iainana

Tafika An'habakabaky ny Ala: Mandefa fiaramanidina baikoan-davitra ny Indizeny Hiarovany Ny Tanin'izy Ireo avy amin'i GEORGI TUSHEV tao amin'ny Vimeo

Taorian'ny fiofanana notarihin'ny vondrona Tushevs Aerials tamin'ny volana Aogositra 2014, nahita ireo mpitarika ny vazimba teratany (indizeny) avy ao amin'ny faritra Loreto sy Madre de Dios ao Però fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fanaharamaso ireo loza mety handrahona ny tontolon'ny ala ny fiaramanidina baikoan-davitra (drôna).

Notontosaina tao amin'ny fokonolon'i Saramuro manamorona ny Renirano Marañón ny atrikasa nahitana mpandray anjara 15 avy ao amin'ireo fokonolona Amazoniana isan-karazany, anisan'izany ny avy amin'ny fokonolon'ny Embera-Wounaan ao Panama. Nandray anjara tamin'ny atrikasa mampiasa fitaovam-panazarana fanamoriana voromby sy nianatra momba ny fampiasana rindrambaiko handaminana sidina amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovam-panamoriana mibaiko tena ireo mpandray anjara. Nisy ihany koa ny atrikasa fanombanana tahiry (rakitra) sy famoronana sarintany avy amin'ireo sary voaangon'ny drôna.

Ao amin'ity lahatsary notontosain'ny Fikambanan'ny foko samihafa hoan'ny Fampandrosoana ny Ala Mikitroka Peroviana (AIDESEP amin'ny fanafohezan-teny amin'ny teny espaniola) ity no ahitana ireo mpampiatrano ny atrikasa, nilaza ny ao amin'ny fokonolona fa ahafahana manao fanarahamaso mahomby sy haingana kokoa amin'ireo mety ho fanimbana ny ala tahaka ny fanapahana ny hazo sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ary ny fitsofohana an-tsokosoko, amin'ny alalan'ny fanangonan-tahiry ihany koa ny fiaramanidina baikoan-davitra.

Raha vao nifarana ny atrikasa voalohany, napetraka sahady ny laminasa hikarakarana ny atrikasa manaraka hotontosaina any Panama amin'ny fiandohan'ny taona 2015. Hanokanana fotoana maro hanatsarana ny fahaiza-mibaikolavitra ny drôna sy ny fahaiza-mikirakira ireo rakitra (tahiry) voaangona ireo atrikasa ireo.

Hajiantsary nalaina tao amin'ny pikantsarin'ny lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.