Maminaviana ny Hampandroso Ireo Nosy “Goat” I Jamaika Na Dia Eo Aza Ireo Hetsi-panoherana Miaro Ny Tontolo Iainana

Savegoatislands.org screen capture.

Dikasary avy ao amin'ny Savegoatislands.org.

Manararaotra ny mediam-bahoaka araka izay tratrany ireo mafana fo mpikatroka miaro ny tontolo iainana ao Jamaika ao anatin'ny tolona iray hiadiana amin'ny vinavinan'asa fanamboarana seranan-tsambo eo amin'ny tany voaaro. Mametraka ny governemanta jamaikanina eo amin'ny toerana sarotra ilay vinavinan'asa fampivoarana natolotra, izay tafalatsaka afovoan'ny tosi-bahoaka hiarovana ny tontolo iainana, sy ireo fidiram-bola goavana izay mety hanampy ny tolotra fampindramam-bola vao haingana avy amin'ny FMI.

Rehefa notanterahina ilay Andron'ny Bilaogy andiany faharoa any Jamaika izay fatao isan-taona, talohaloha tamin'ity taona ity izany hoe ny volana Mey teo, dia nitokona nanodidina ny lohahevitra “Tontolo iainana mifanandrina amin'ny Fandrosoana” ireo Mpitoraka bilaogy. Nanazava ireo mpikarakara io hetsika io fa:

Mangotraka io olana momba ny tontolo iainantsika sy ny fandrosoana io: nanomboka tamin'ilay adihevitra henjana izay saika naharitra ho taona iray momba ny fampiasàna ireo Nosy “Goat” sy ilay toerana voaaro ao “Portland Bight” ho anà foibe fampitaovana, ka hatramin'ny […] haintany izay mamely hatrany ny nosy hatramin'izao. Samy miady hevitra daholo ireo mpahay toekarena, mpanao politika, mpahay tontolo iainana, mpanao afera, ny media, sy ireo Jamaikanina “tsotra” na ny ao amin'ny “The Rock” (Haram-bato) izany na ny ao amin'ny “Diaspora” (Zanaka am-pielezana), mikasika ny fomba tokony hitantanan'i Jamaika ny tontolo iainana ao anatin'ny hazakazaka ho amin'ny fandrosoana.

Hatry ny volana Mey, tsy nihena ireo fitaintainana momba ireo Nosy “Goat”. Amin'izao, mihevitra i Richard Conniff avy ao amin'ny “The Jamaican Blogs” fa mety hampidi-doza ny orinasan'ny fizahantany izay mampidi-bola ho an'ny nosy ary hanaratsy ny lazan'i Jamaika eo anivon'izao tontolo izao ny “fifanarahana miafina ho famelàna orinasa Sinoa iray mba hanangana seranan-tsambo ho anà “cargo” lehibe amin'ny faritra natoraly voaaro lehibe indrindra ao amin'ny firenena”.

Mety hanimba faritra iray fantatra noho ny fisian'ny zava-maitso midadasika an-dranomasina, ireo vato harana anaty ranomasina, ireo faritra lonaka, ary ireo ala honko mivalapatra indrindra ao Jamaika, io seranan-tsambo vaovao io. Fonenan'ny “iguanes” Jamaikanina ihany koa io faritra voaaro io, izay karazam-biby iray inoana ho ringana tanteraka hatry ny fahitana azy indray tamin'ny 1990, izay nampitolagaga. Nanomboka teo, nampiasa vola daolara an-tapitrisany maro ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ho an'ny fitahirizana mba hananganana indray ny mponina “iguanes” ao anatinà ala voaaro any “Hellshire Hills”, ampahan'ny faritra voaaro mifanila amin'io seranan-tsambo kasaina hamboarina io. Niankina tamin'ny toky nomen'ny governemanta ny ankabeazan'io fampiasam-bola io, izay tsy voatàna raha ny fahitàna azy, hany ka toa ho lasa fonenan'ireo “iguanes” tanteraka, karazam-biby misy taolana ngeza indrindra ao Jamaika, ireo Nosy “Goat”.

Manameloka ny governemanta ho mpamadika palitao i Conniff: vao tamin'ny herintaona teo, manamafy i Conniff fa “nanao sonia fangatahana tamin'ny UNESCO ny mba hanondroana toerana iray ho Faritry ny Biosfera Voaaro ireo mpiasam-panjakana ireo ihany”, kanefa mety “mampitsiriritra loatra ny fampiasàna vola 1,5 lavitrisa $ hany ka sarotra ny hitodi-doha azy”. Eo amin'ny lafiny toekarena, tsy manana toerana matanjaka i Jamaika, ny antony iray dia satria voafatotry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena izy, izay nanekeny findramam-bola 932 tapitrisa $ tamin'ny 2013. Vao tamin'ity herinandro ity, nitatitra ny “Jamaica Observer” fa namoaka 68,8 tapitrisa $ hafa indray ny FMI.

Nanaitra ny sain'ny olona tamin'io olana io ireo mpandinika ny tontolo iainana, toa an'i Diana McCaulay, izay mitantana ny “Jamaica Environment Trust“, miaraka amin'ireo fiarahamonim-pirenena amin'ny alàlan'ny hetsika fanabeazana sy ireo filazàna tolotra ho an'ny vahoaka, miaraka amin'ny media mahazatra sy ny mediam-bahoaka. Misy vohikala natokana hiarovana ireo Nosy sy hangatahana fanaovan-tsonia ao anaty aterineto izay mikendry ny hanajanonan'ny Praiministra Portia Simpson-Miller ireo laminasa hamadihana ilay faritra ho seranan-tsambo famindrana entana.

Ny 14 Aogositra, nitoraka bitsika i McCaulay, manao hoe:

‘Vitsika roa ihany no mba zava-manan'aina anaty ala hitako tao amin'ny Nosy Goat ary novonoiko izy roa’ tamin'ny alàlan'ny mpitantana orinasa tsy miankina iray. Mahalaza ny zava-drehetra. #tsymisyfanantenana

Hita mazava fa misy tsy fifankahazoana eo amin'ireo mpahay tontolo iainana, izay mihevitra ireo tombontsoa maharitra ho an'ny firenena, sy ireo orinasa lehibe, izay mifototra tanteraka amin'ny ambany indrindra amin'ireo tombony anatin'ny fe-potoana fohy. Mbola mitoetra ny fanontaniana—feon'iza no hangeja ny governemanta Jamaikanina?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.