Vondrona Median'ny Fokonolona ao Guatemala Mandrakitra an-Tahirinkevitra ny Fanafihana Mahafaty Atao amin'ny Tanànakely

Photo courtesy @PrensaComunitar via Twitter - https://twitter.com/PrensaComunitar/status/501271337038807040

Saripika avy amin'ny @PrensaComunitar via Twitter – https://twitter.com/PrensaComunitar/status/501271337038807040

Nosoratan'i Madeleine Bair, mpanangona avy amin'ny Human Rights Channel an'ny WITNESS. Nivoaka voalohany tao amin'ny WITNESS blog ny lahatsoratra.

Dimy herinandro izay, maromaro ny tatitra avy any amin'ny faritra avon'i Guatemala fa tafihan'ny hery vondro-tafiky ny polisim-pirenena ny fiaraha-monina vazimba teratany. Nampahatsiahy indray ny tantara Goatemaltekan'ny fandripaham-bahoaka telopolo taona lasa izay, raha nanao herisetra tamin'ny vondro-piarahamonina Maya iray manontolo tamin'izany fotoana izany ny tafika, ny fijoroana vavolombelona fidarohana ny lehilahy sy ny fandraofana azy ireo eo anoloan'ny fianakaviana, miaraka amin'ny sarin'ny fandoroana trano eny an-toerana. Raha mbola tsy mazava tsara ny antsipirihan'ny raharaha noho ny halalin'ny loza atrehin'ny mpikatroka sy ny mpanao gazety mahaleotena miasa ao amin'ny faritra, ny tatitra an-tserasera avy amin'ny seha-pampahalalam-baovaom-piarahamonina no mandoko ny sarin'ny fanafihana maharitra telo andro mahafaty olona mihatra amin'ny tanàna ambanivohitr'ireo vazimba teratany.

Misy ireo solontena avy amin'ny Prensa Comunitaria Km. 169 sy ny vondrom-pampahalalam-baovao nanangona ny tahirin-kevitra momba ny toe-draharaha, izay nanomboka tamin'ny 14 aogositra tany amin'ireo fiaraha-monina maro manamorina ny reninanon'i Rio Dolores river ao amin'ny faritra Goatelmatekan'i Alta Verapaz. Nandritra ny taona maro ny vondrom-piarahamonina Maya be mponina indrindra Q’eqchí no nijoro hanohitra ny tolotra fananganana ny tohodrano hamokarana herinaratra Santa Rita, izay nolazain-dry zareo fa lasa tsy nisy fanontaniana ny hevitry ry zareo nefa mety hanimba ny otrikarena ara-boajanahary sy ny sisintanin-dry zareo.

Ny lahatsary etsy ambony, mitondra ny lohateny hoe “Fanesorana ao Rio Dolores,” no lazaina ho mampiseho ny fiaraha-monin'i Monte Olivo tamin'ny 14 Aogositra. Hita ao ny fifanatrehana ao anaty arabe maloto ifanaovan'ny polisy goatemalteka sy ireo ankizy avy amin'ny fiaraha-monina manohitra ny fanesorana. Fantatra amin'ny mahafoiben'ny fanoherana ny fananganana tohodrano famokarana herinjiro azy i Monte Olivo. Ankizy roa no voatifitra sy maty tao tamin'ny herintaona izay ahiana ho novonoin'ireo nifampiraharaha tamin'ny orinasa ambadik'ilay tetikasa.

Ity sary manaraka ity indray no lazaina ho mampiseho ny fiaraha-monin'i Semococh ny andro manaraka. Avy amin'ny toerana ambony iray mahita ny arabe, hita ao ny fiaran'ny polisy am-polony manakana ny arabe, sy ireo olona mitora-bato azy ireo. Tamin'ny fotoana nialan'ireo fiara ireo teo no nipoahan'ny baomba mandatsa-dranomaso, avy eo nanao tampody fohy nandeha an-tongotra tampoka ny polisy, mihazakazaka manao fanamiana miady amin'ny rotaka nankao an-tanànakely. Heno nipoapoaka ao anatin'ny lahatsary ny feombasy.

Nisy tati-baovao navoakan'ny Prensa Comunitaria tamin'ny 15 Aogositra nanome ny antsipirihan'ny fanafihana nitranga tamin'io fotoana io, ary tafiditra tanatin'izany ny namonoana mponina ambanivohitra Q’ecqhí roa (nisy fahatelo maty noho ny ratra nahazo azy taty aoriandriana), ny fitazonana tsy misy didy ny olona dimy, ary ny faharatran'olona mihoatra ny 60. 

Ny lahatsary etsy ambony no lazaina ho fijoroana vavolombelona avy amin'ny mponina iray avy ao Semococh mitantara ny zava-nitranga tamin'io fotoana io. Tamin'ny teny Q’eqchí (manomboka amin'ny 4:05 ny dika amin'ny teny espaniola), notantarainy indray ny naneren'ny polisy azy ireo hody ao an-tranony. Raha niezaka ny miaro ny zanany tsy ho tratran'ny entona mandatsa-dranomaso ravehivavy, dia midaroka an-drangahy vadiny amin'ny basy sy mitaritarika azy hivoaka ny trano kosa ny polisy. Nampian'ilay mpandika teny ho amin'ny teny espaniola (eo amin'ny 5:57) fa henony aza ny iray amin'izy ireo fa saika hamono an-dravehivavy. “Saingy nisy manamboninahitra nilaza ny handao azy. Maharatsy vintana,” hoy ry zareo, “ny mamono vehivavy mbola mitrotro zaza.”

Ny andro manaraka ny Prensa Comunitaria no namoaka sarin'ireo polisy mijoro eo akaikin'ny fanorenana nodorana, sy andiam-piaran'ny polisy manavatsava arabe maloto hatrany amin'ny fara-tazamaso. Araka ny lahatsoratra, potika tao anatin'ny ora vitsivitsy ny fonenan'ny fianakaviana Q’eqchí 50. Nolazain'ilay seha-baovao fa maro ny fiaraha-monina manodidina no niharan'izany fanafihana izany ihany koa nataon'andiam-polisy nasionaly maro dia maro nanomboka ny 14 ka hatramin'ny 16 Aogositra 14.

Nilaza tamin'ny fampitam-baovao ny mpitondra tenin'ny polisy fa ny fahafatesana telo dia vokatry ny fifandonan'ireo fokonolona vazimba teratany tamin'ireo mankasitraka ny tetikasa famokarana herinjiro.

Fandrahonana ireo mpitati-baovao

Nanamarika ny tati-baovaon'ny Prensa Comunitaria nivoaka tamin'ny 15 aogositra fa nahazo fampilazana ry zareo fa tadiavin'ny polisy ireo mpanoratra gazety roa izay nanangom-baovao ho an'ity sehatra ity (sady namokatra ny lahatsary vavolombelona etsy ambony, Rony Morales sy Alfredo Rax). Nanameloka izao fandrahonana mivantana azon'ny mpanangom-baovaony izao ihany koa ny Centro de Medios Independientes-Guatemala. Tamin'ny herinandro ny Komity Fiarovana ny Mpanao Gazety no namoaka tatitra vaovao momba ny fandrahonana azon'ny mpanao gazety ao Amerika Afovoany.

Tahirin-kevitra sy Fijoroana vavolombelona hafa

Raha hijery lahatsarin'ny hetsika famoretana ireo fokonolona vazimba teratany ao Alta Verapaz, Guatemala, dia jereo ity angon-tsarin'ny Fantsona YouTube-n'ny Mpandala ny Zon'Olombelona ity. Raha fijoroana vavolombelona hafa tamin'ny fanafihana, dia ahitana fijoroana vavolombelona avy amin'ny nanatri-maso, sisa niangana, ary ny fianakavian'ireo efa nitsidika ny fonja ity tatitry ny Prensa Comunitaria tamin'ny 23 Aogositra ity.

Hanaraka ny lahatsary navoakan'ny mpikatroka sy ny olom-pirenena farany indrindra ahitana fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny tany, zohio ny @ythumanrights ao amin'ny Twitter ary mamandriha ao amin'ny YouTube-n'ny Human Rights Channel.

Ny sary nasongadina avy amin'ny @PrensaComunitar via Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.