Sary: Mankalaza ny Eid Al-Adha i Gaza

Palestinians in Gaza celebrate Eid Al Adha under the hashtags #GazaEid and #غزة_بدها_تعيد (meaning, Gaza wants to celebrate Eid). This photograph shared by the Palestinian Information Center shows children in a busy shopping street marketing the hashtag yesterday

Mankalaza ny Eid Al Adha amin'ny alalan'ny diezy Twitter #GazaEid sy #غزة_بدها_تعيد (midika hoe, te-hankalaza ny Eid i Gaza) ny Palestiniana ao Gaza. Mampiseho ankizy ao amin'ny lalana fivarotana be olona ity sary nozarain'ny Fobem-baovao Palestiniana ity.

Na dia teo aza ireo Palestiniana maherin'ny 2000 niharam-boina tamin'ny fanafihan'i Israely farany tao Gaza, mbola mahita hevitra hankalazana ny Eid Al-Adha Islamika ihany ny olom-pirenena, izay manomboka androany (4 oktobra) manerana ny tontolo Miozolomana.

Ny Eid Al Adha na ny Fetin'ny Sorona no faratampon'ny vanim-potoana Hajj [fivahiniana masina], izay nahasarika mpivahiny 2 tapitrisa manerantany tamin'ity taona ity.

Misy ny fanantenana ao Gaza na dia anatin'ny korotanan-trano rava, ny faharavana sy ny famoizana aza. Nanomboka nanaparitaka ny sarin'ireo arabe sy tsena feno olona ireo mpisera Twitter, ary nizara hafatra mahabe fanantenana amin'ny alalan'ny fampiasana diezy #GazaEid sy #غزة_بدها_تعيد (te-hankalaza ny Eid i Gaza).

Mety hoe nanimba ny fotodrafitrasan'ny tehezantany ny fanafihana naharitra 50 andro, izay namoizana Palestiniana 2.137 farafahakeliny, olo-tsotra avokoa ny ankamaroany, anisan'izany ireo ankizy 577, sy naratra 10 870 hafa saingy tsy nahavita nanindrona ny moralin'ireo olo-tsotra izany, izay nanifika ny korontan-trano rava androany hankalazana ny Eid.

Nisy fiantraikany goavana teo amin'ny toekaren'i Gaza ny fanafihana, potika avokoa ny ankamaroan'ny fotodrafitrasan'olo-tsotra:  trano maherin'ny 18.000 no rava, sekoly maherin'ny 100, tobim-pahasalamana 50 ary hopitaly 17 no simba ary 20 rava.

Nizara sarina tovolahy milalao eo amin'ny kianja filalaovana efa potipotika i Sanaa Mohammed, mpisera Twitter:

Eid ao Gaza, hafa tanteraka

Vao omaly, olo-tsotra mpaka-sary Omar ElQattaa nipika sarina lehilahy milanja fanatitra ho amin'ny Eid:

Lehilahy Palestiniana milanja ondry novidiana teny an-tsena alohan'ny Eid al-Adha ao Gaza

Nandefa karazan-tsakafo amin'ny fikarakarana ny Eid i Sayel ao Gaza:

Fiomanana amin'ny Eid ao Gaza androany vao maraimbe.

Indreto sary maromaro avy amin'i Hasan Mustafa tao an-tsena feno olona ao Gaza tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.

Vonona hifety amin'ny Eid i Gaza taorian'ny vono olona nataon'i Israely nandritra izay volana vitsy izay, mendrika hanana Fiainana i Gaza

Ary mazava loatra hamafisin'ny ma'moul amboarina any an-trano (mofomamy) nentim-paharazana hatrany ny fanahin'ny Eid :

Vonona hifety amin'ny Eid

Na dia eo aza ny fahoriana, hankafy ny Eid ny ankizy hoy i Hiba ao Gaza:

Na dia eo aza ny fahoriana, hankalaza ny Eid ny ankizy ao Gaza.

Despite the pain, the children of Gaza will commemorate Eid

Marobe tao an-tsenan'i Gaza no toa hita ho ambony maoraly (falifaly):

GazaEid mivantana avy eny an-dalambe ao Gaza na dia eo aza ny fahoriana sy ny fahirano Israeliana, hankalaza ny Eid izahay

Te-hankalaza ny Eid i Gaza

Nanipika i Nuseiba fa na dia eo aza ireo sorona sy fahaverezana marobe niaretan'i Gaza tao anatin'izay volana vitsy izay, mbola te-hankalaza ny Eid hatrany ny tanàna:

Tonga aloha tao Gaza ny Fetin'ny Sorona tamin'ity taona ity, izay nanao sorona ireo ankiziny sy ny fananany. Na dia eo aza anefa izany rehetra izany, te-hankalaza ny Eid i Gaza

Niombo-kevitra tamin'i Nuseiba sy ireo mpisera Twitter an-jatony i Farah raha nanamarika ny faharetan'ny Eid, raha mbola tao anatin'ny fanafihana i Gaza:

Tsy nankalaza ny Eid Al-Fitr i Gaza satria tao anatin'ny ady, ka hankalaza Al-Adha Eid roa izahay☺️ #Gaza

Eny tokoa, nankalaza izy ireo:

“Mampianatra ny fiainana izahay, andriamatoa.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.