Inona no Tokony ho Fantatry ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Hong Kong (sy ny any An-kafa) Momba ny FireChat

Cartoon by Storymaker.cc, used with permission.

Sariitatry ny tetikasan'ny Guardian, nahazoana alalana.

Nandray anjara tamin'ny famokarana ity lahatsoratra ity i Nathan Freitas sy i Oiwan Lam.

Tamin'ny alatsinainy 29 Septambra, mirongatra ny fandokandokafan'ny mpiondana media sosialy sy ny seha-mpampahalalam-baovao tandrefana ny fampiasan'ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia ao Hong Kong ny fampihatra fanaovana karajia FireChat. Na dia hita aza fa tahaka ny manitatra amin'ny lazan'ny fampihatra ny maro amin'ireo kaonty, dia mieritreritra ny mpikatroka sy ny mpikaroka momba ny fiarovana fa zava-dehibe ny fampafantarana amin'ny vahoaka hoe fampihatra manao ahoana moa izy ity — ary inona ny tsy ataony [tsy vitany].

Voalohany, tsy fampihatra fandefasan-kafatra [an-tsoratra] ny FireChat. Efitrano an-tserasera iray fanaovana karajia [chat] ny FireChat, sehatra iray handefan-kafatra tsy voaaro amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny aterineto ao amin'ny faritra ara-jeografika misy anao.

Vantany vao tafapetraka ny fampihatra dia mitaky amin'ny mpisera hisoratra anarany amin'ny tena anarany (izay mety efa feno mialoha araka ny napetraka tao amin'ny iOS na finday Android), ny anarana maha-mpisera ary ny adiresy mailaka. Rehefa tafiditra ao ka nahavita ny tenimiafina, dia afa-miditra amin'ny kiefitrefitra fikarajiana ny mpiserasera, na manangana iray vaovao, na mandefa hafatra mivantana amin'ny rehetra eo amin'ny manodidina azy izay miditra ao amin'ny FireChat ihany koa. Miampitampita finday amin'ny alalan'ny teknolojian'ny Bluetooth ireny hafatra mivantana ireny. Ka avy amin'izany, rehefa nandeha ny tsaho fa mikasa ny hanakatona ny tambajotran'ny finday ny manampahefana, dia natao dokambarotra ho fomba ahafahana mi-chat [mikarajia araka ny efa voasoratra eny ambony] tsy mila fifandraisana amin'ny aterineto ny FireChat.

Maro ny hevi-diso hatreny ifotony momba ny tanjaka, ny fahafaha-miresaka an-jorony ary ny fiarovan'ny FireChat, ka andao hijery ny marina momba azy ity isika: 

Tsy voaaro ny FireChat. Tsy natao ahafahan'ny mpisera miresaka an-jorony tsy misy mahafantatra izay resahina na soratana izy io.

Tsy manana rafitra ahafahana manamarina ny mpiserasera ny FireChat. Raha misy ireo hafatra avy amin'ny heverina ho anarana malaza iray (mpandrindra ny fihetsiketsehana ohatra na mpitati-baovao), dia tsy misy mihitsy ny ahafahana manamarina hoe tena avy any tokoa ve izy io. Afaka manohintohina olona iray malaza sy mandefa vaovao diso na mampiely rohy hitrohana sy hametrahana rindram-pitsikilovana [spyware] ny mpanafika iray. Efa nitranga im-betsaka izany tamin'ireo mpikatroka tao an-toerana tao anatin'izay herinandro vitsivitsy izay.

Mandrisika ny mpikatroka tsy hampiasa ny tena anarany sy tsy handefa hafatra manokana na mety hanohintohina ireo mpikaroka ara-piarovana efa zatra teknolojia. Tsarovy fa mety hisy ny fitsofotsofohana any anatin'ireo mpanao fihetsiketsehana manangona ny hafatra amin'ny alalan'ny FireChat, izay voararakitra ao amin'ny fitaovanao sy nalefa tamin'ny tambajotra tsy misy fanafena-kafatra. Raha tianao ny hahazo ny antsipirihany momba ny FireChat, dia vakio ity fanadihadiana (vonona amin'ny teny anglisy irery ihany) avy amin'ny Laboratoaran'ny Oniversiten'i Toronto ity.

BynY07jCYAES3L9

Misy ny fahalemena ara-piarovana rehefa mampiasa Bluetooth. Amin'ny ankapobeny, na mampiasa na tsia ny FireChat, mety ho tratran'ny fanafihana ny findain'olona iray mamelona Bluetooth, ary ahafahan'ireo mpiditra an-tsokosoko hanisa sy hamantatra ny findain'ireo mpanao fihetsiketsehana eo am-piseraserana. Ny zavamisy, tao anatin'ny andro vitsivitsy izay dia maro ny tatitra fisian'ny fanafihan'ny rindram-pitsikilovana namelezana ny mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong.

Na dia tsy fanta-pototra aza ny tatitra sasany, misy ny resaka azo inoana amin'ny fielezan'ny hafatra novolavolaina manokana hisintonana ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Occupy Central [bodoy ny foibe] sy ny mpianatra manao fitokonana ao Hong Kong hitroka sy hametraka fampihatra tahaka ny natao handrindrana ny fihetsiketsehana, nefa ny tena zavamisy dia rindrampitsikilovana natao handrakitra ny antso am-pinday, hangalarana imailaka, ary hakana ny lisitra ny mpifandray amin'ny tompon'ny finday izy io, ary natao ihany koa hitsongoana ny toerana jeografika misy anao.

Iray amin'ireny fanafihana faobe ireny ny nozaraina tamin'ny alalan'ny WhatsApp (jereo ny sary etsy ankavia). Tokony ho mailo ny mpanao fihetsiketsehana rehefa mahazo hafatra manolo-kevitra ny tokony hitrohana sy hametrahana fampihatra, indrindra rehefa tsy notadiavina izany.

Raha misy ny tatitra hatreto fa nalefa tamin'ny alalan'ny WhatsApp ihany ny rindram-pisomparana, dia azo heverina ihany koa fa mety ho efa nisy ihany koa ny fanaparitahana amin'ny alalan'ny fitaovam-piseraserana hafa tahaka ny imailaka sy forum ary FireChat.

Hafatrafatra ho an'ny mpanao fihetsiketsehana

Nisy manampahaizana manokana avy amin'ny Tibet Action Institute [Ivontoeran-katrok'i Tibet] nandrafitra fitaovam-piarovana an-tserasera CyberSuperHero, misy amin'ny teny Shinoa sy Anglisy, tokony hojeren'ny mpikatroka an-tserasera sy ny mpanao fihetsiketsehana hanampy amin'ny fifandraisana aterineto tsy mihetsika an-trano sy amin'ny finday. Nanomana ireto toro-hevitra ireto ho an'ny Global Voices ihany koa ry zareo:
 
1. Aza manindry ireo rohy mivoaka tampoka nalefa tamin'ny alalan'ny SMS, Bluetooth na vondrona karajia avy amin'ny olon-tsy fantatra.
 
2. Raha tsy mila ny telefoninao ianao iseraserana, dia ataovy amin'ny fomba rehefa eny ambony fiaramanidina – afa-manapika sary ihany ianao, sns fa ho sarotra kokoa ho anao ny ho voatsongo dia na andefasana spam.
 
3. Ataovy izay ametrahana PIN na tenimiafina amin'ny findainao, sao sanatria voaraoka iny na misy mangalatra. Hanampy amin'ny fiarovana ny rakitra rehetra mifandraika amin'ny namanao, vondrona misy anao ary ny tambajotranao izany.

Zava-dehibe ho an'ny olona ao Hong Kong ny ho mailo amin'ny fisian'ny fitsinjarazarana rehefa mampiasa fampihatram-pifandraisana sy mamoaka hafatra ary tokony hitandrina koa amin'ny mety ho fisian'ny fanafihana. Koa satria mihamafy ny fihetsiketsehana ary mahazo tsindry iraisampirenena ny fitondrana hampihana ny fidirana an-tsehatry ny polisy, dia mety hiakatra ny isan'ny fanafihana amin'ny alalan'ny solosaina sy ny finday.

Araho ny tatitra lalindalina kokoa ataonay momba ny Revolisionan'ny Elo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.