Manamafy Ny Fitaovam-pifandraisan'Izy Ireo Amin'ny Finday Ny Mpanao Fihetsiketsehana Ao Hong Kong Manoloana Ny Fandrahonana Ara-teknika

Students gathered in numbers on September 29 outside Sogo Department store in Hong Kong's Causeway Bay to continue the fight for democracy in what being called the Umbrella Revolution. Photo by Pete Walker. Copyright Demotix

Marobe ireo mpianatra nitangorona tao ivelan'ny magazay lehibe tao Causeway Bay ao Hong Kong tamin'ny 29 Septembra mba hanohy ny tolona ho amin'ny demaokrasia amin'ilay antsoina hoe Revolisionin'ny Elo. Sary avy amin'i Pete Walker. Zon'ny mpamorona Demotix

Nozaraina ho roa avy amin'ny lahatsoratr'i Oiwan Lam ary navoaka voalohany tamin'ny teny Shinoa tamin'ny 1 Oktobra 2014 tao amin'ny sehatra fampahalalalm-baovao an'olo-tsotra inmediahk.net ity lahatsoratra ity. Nadikan'i Loki Chu tamin'ny teny anglisy ny lahatsoratra ary navoaka indray tato amin'ny Global Voices izay tafiditra ao anatin'ny fifanekena fizarana votoaty. Vakio ato ny fizarana voalohany.

Tamin'ny 28 Septambra, taorian'ny fandefasan'ny polisin'i Hong Kong baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, maro ireo nilaza fa tsy afaka niditra aterineto tamin'ny findain'izy ireo ary voatery nankany amin'ny distrika  Central na Wanchai mba ahafahan'izy ireo mandefa ny hafatr'izy ireo.

Nanomboka teo, mpanao fihetsiketsehana marobe no nitroka ny FireChat mba hiomana amin'ny fifandraisana mandritra ny fahatapahan'ny tambajotra na ny fitohanan'ny tambajotra.

Afaka mandeha amin'ny tambajotra mitampidipiditra (réseau maillé) ny fampiharana FireChat. Rehefa mandefa famantarana marefo [ambany] ny finday tsirairay avy, dia mamadika ny finday rehetra ho lasa vonam-pifandraisana [mpampitohy fifandraisana] izany ka lasa tambajotram-pifandraisana eo amin'ny toerana iray ahafahan'ny mpiserasera mifandefa hafatra.

Saingy nampitandrina ireo manam-pahaizana momba ny fiainana manokana sy ny fiarovana amin'ny aterineto fa marefo ny fiarovana amin'ity rindrambaiko ity ary mety ho mora lasibatry ny mpisompatra. Mety ho azon'ny hafa eny antenantenany ny antso ary mety ho voatsongo dia ireo mpiserasera. Tsy manana rafitra fanamarinana matanjaka hiarovana ny mpiserasera ihany koa ny fampiharana - ka mora tanteraka ny mangalatra ny mombamomba ny mpiserasera hafa, ary mahatonga ny tambajotra ho mora hiharan'ny fisovohana ataon'ireo olona sompatra.

Misy fitaovana azo antoka kokoa noho ny FireChat ve ary azo ampiasaina mandritra ny fitohanana goavana amin'ny fifandraisana (tambajotra)?


Namaly am-pahatsorana ny filohan'ny Fikambanana misahana ny fiarovam-baovao Arak'asa ao Hong Kong, Eric Fan hoe, “Tsia” Nandrisika ireo mpiserasera izy mba tsy hitroka fahantany fampiharana ary tsy hamaha antoka (jailbreak) ny iPhone na iPad-n'izy ireo satria mety hametraka olana ara-piarovana tokoa ny fihetsika tahaka izany. Eny tokoa, mitobaka ny olana ara-piarovana eo amin'ity sehatra ity, ary marobe ny fandrahonana avy amin'ny Shina Tanibe
.

Tamin'ny tapaky ny volana Septambra, nizara fampiharana Android ireo mpanao hosoka (hackers) izay hita fa rindrampitsikilovana afaka mangalatra vaovao avy amin'ny finday raitran'ny mpiserasera ary mitsongo dia ny toerana misy ny mpiserasera amin'ny alalan'ny Baidu Maps izay Google Maps amin'ny endrika Shina Tanibe. Miova endrika toy ny Code4HK, vondrona mpankafy fatratra (geek) teknolojia manohana ny hetsika sosialy ao Hong Kong ireo mpanao hosoka ireo.


Nanonona manam-pahaizana momba ny fiarovana tambajotra ny News service Reuters tamin'ny vaovao tamin'ny 30 Septambra ary nilaza fa miparitaka ny Xsser, cheval de Troie (rindrampitsikilovana miova endrika ho fampiharana azo antoka) izay mikendry ireo iPhones and iPads. Noahiahiana ho nampitombo izany ireo Shinoa mpanao hosoka (hacker) mba hikendrena ny hetsika Bodoy Central manohana ny demaokrasia.

Nanipika i Fan fa raha ny marina, ahitana lesoka ara-piarovana avokoa ny fampiharana maro, ary tokony ho mailo ny mpiserasera amin'ny fiarovana ny fitaovam-pifandraisan'izy ireo. Fanampin'izany, noho ny tambajotram-pifandraisana misosa tsara, manome soso-kevitra ny fampiasana Telegram izy.

Fampiharana mitovy amin'ny WhatsApp ny Telegram, saingy natao sora-miafina ny fifandraisana rehetra ary afaka misafidy hanaisotra ny fandraketan-dresaka amin'ny fotoana maharitra ireo mpiserasera mba hisorohana ny fitsikilovana ireo resaka voarakitra teo aloha raha sendra lasan'ny polisy ny finday na ny solosan'ireo mpiserasera.

Zava-dehibe hoan'ireo mpikatroka kendren'ny fanenjehana ara-politika ity zavatra iray loha ity. Efa fanao mahazatra ny polisy ao Hong Kong ankehitriny ny mandraoka ny findain'ireo mpikarakara fihetsiketsehana, ary indraindray, mahazo baiko hanao savahao sy haka ireo solosaina manokan'ireo mpikarakara fihetsiketsehana ho famotopotorana.

Fitaovam-pifandraisana mahazatra eo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa ny Google Talk. Tsara ny manao fahazarana amin'ny fisafidianana ny “off-the-record (tsy raketina) mba tsy ahafahan'ny hafa mamaky ny “chat” [karajia] ataonao.

Araho ny fitantarana lalindalina kokoa ataonay: Revolisionin'ny Elo ao Hong Kong

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.