Hetsika Manohana ny Demaokrasia ‘Occupy Central’ ao Hong Kong An-Tsary

Pro-democracy protesters in central Hong Kong on October 1, 2014. Photo by Flickr user Mario Madrona. CC BY-NC-SA 2.0

Mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia ao amin'ny foiben'i Hong Kong tamin'ny 1 Oktobra 2014. Saripikan'ny mpisera Flickr Mario Madrona. CC BY-NC-SA 2.0

Miditra amin'ny andro fahadimy ankehitriny ny fihetsiketseha-panoherana amin'ny fomba milamina mitaky ny isian'ny fifidianana malalaka ao Hong Kong, ary tsy ahitana soritra hampitsahatra ny tolona eny amin'ny endriky ny mpandray anjara.

Miantso an'i Beijing ny Hong Kongey hamela ny vahoaka hifantina ny kandidà amin'ny fifidianana ny mpitarika ny mpanantateraky ny tanàna amin'ny manaraka. Nilaza i Shina fa hamela an'i Hong Kong, fari-pitantarana manokana misitraka fizakantena lehibebe manoloana ny Tanibe, ho sambany hifidy mivantana amin'ny 2017, saingy nametraka didy fa hisy komity izay pro-Beijing ny ankamaroan'ny mpikambana ao aminy hifantina ny kandidà mialoha ny hamelana azy ireo hofidiana amin'ny fandrotsaham-bato.

Manindry mafy ny Lehiben'ny Mpanantanteraka amin'izao fotoana izao, CY Leung, izay tsy manaiky hihemotra, hametra-pialana, ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana saingy nanaiky hifampiresaka amin'ny [mpanao ny] hetsika. 

Nahavita nanao fampisehoan-kery mahatalanjona ny ‘Occupy Central’ [Bodoy ny Foibe], araka ny ilazàn'ny mpitokozihitra an'aliny azy. Nandrakitra ijerena ny halehiben'ny fihetsiketsehana tamin'ny 29 septambra ny sary nalaina tamin'ny Tantelim-by [drone], izay nohamarinin'ny Storyful:

Mbola nahajoro teo amin'ny toerany hatramin'izao ny fihetsiketsehana nahazo olona betsaka manoloana ny fikasan'ny polisy hanadio ny toerana tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso, tsifotra dipoavatra ary ny kibay. Nampiasa elo ny mpanao fihetsiketsehana hiarovan-dry zareo tena amin'ilay teti-panorona mahery vaika, izay nitarika ny sasantsasany hiantso ny hetsika ho “revolisionan'ny elo” na “fitroaran'ny elo.”

Jereo eto ambany ny sary maromaro avy eny an-tsehatra hahitana topimaso bebe kokoa amin'ny fihovitrovitry ny Occupy Central [Bodoy ny Foibe]. 

Protesters tie yellow ribbons to the arms of those who wish during the Hong Kong protest in Causeway Bay on October 1, 2014. Photo by Guillaume PAYEN. Copyright Demotix

Mpanao fihetsiketsehana mametraka vona mavo eo amin'ny lanton-tanan'izay manaiky izany mandritra ny fihetsiketseham-panoheran'i Hong Kong tao Causeway Bay tamin'ny 1 Oktobra 2014. Saripikan'i Guillaume PAYEN. Copyright Demotix

Protesters at the Central Government Offices in Hong Kong use cellophane wrap and surgical masks to protect themselves against the use of pepper spray on September 27, 2014. Photo by Robert Godden. Copyright Demotix

Mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Biraom-Panjakana Foibe [Central] ao Hong Kong mampiasa selôfanina sy sarombava enti-mandidy ho fanoheran'izy ireo ny fampiasana tsifotra dipoavatra tamin'ny 27 Septambra 2014. Saripikan'i Robert Godden. Copyright Demotix

Protesters staged a sit-in outside government headquarters on September 27 at Admiralty, demanding CY Leung, chief executive of Hong Kong, to meet them to have a dialogue. Photo by P H Yang. Copyright Demotix

Mpanao fihetsiketsehana manao sit-in [mitokozihitra na mitokona mipetraka] eo an-tokotanin'ny foibem-panjakana tamin'ny 27 Septambra ao Admiralty, mitaky an'i CY Leung, lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, hihaona amin'izy ireo hisian'ny fifampiresahana. Saripikan'i P H Yang. Copyright Demotix

Protesters in Hong Kong stand together after police begin to tear gas the gathering on September 28. Photo by P H Yang. Copyright Demotix

Mpanao fihetsiketsehana miara-mijoro rehefa nanomboka nandefa ny entona mandatsa-dranomaso ny polisy tamin'ny 28 Septambra. Saripikan'i P H Yang. Copyright Demotix

A baracade with a meaning, Causeway Bay, Hong Kong. September 29, 2014. Photo by Pete Walker. Copyright Demotix

Sakana manana ny dikany [Tsy mpifahavalo isika], Causeway Bay, Hong Kong. 29 Septambra 2014. Saripikan'i Pete Walker. Copyright Demotix

Signs in various languages supporting democracy on display in Hong Kong on October 1, 2014. Photo by Flickr user Mario Madrona. CC BY-NC-SA 2.0

Teny isan-karazany manohana ny demaokrasia aranty ao Hong Kong tamin'ny 1 Oktobra 2014. Saripikan'ny mpisera Flickr Mario Madrona. CC BY-NC-SA 2.0

A protester holds a sign of 'civil disobedience' in front of a line up of riot police on September 27, 2014 as part of Occupy Central protest outside government headquarters at Admiralty, Hong Kong. Photo by P H Yang. Copyright Demotix

Mpanao fihetsiketsehana iray manandratra ny sora-baventy ‘tsy fankatoavam-bahoaka’ manoloana ireo polisy misahana ny rotaka tamin'ny 27 Septambra 2014 nandritra ny hetsika Bodoy Central teo ivelan'ny foibem-panjakana tao Admiralty, Hong Kong. Saripika noraisin'i P H Yang. Copyright Demotix


Dubbed the politest protesters, Hong Kongers have set up a recycling station to keep the protest sites clean. Photo by Pete Walker. Copyright Demotix

Mahazo ny anaram-bositra ho mpanao fihetsiketsehana be fanajana indrindra, nametraka toerana fanangonana fako hampadio ny toerana hatrany ny Hong Kongey. Saripikan'i Pete Walker. Copyright Demotix



Miala tsiny amin'ny fanelingelenana, Miasa ho an'ny demokrasia izao ny lalana
Araho akaiky ny tatitra manokana momba ny Revolisionan'ny Elo ao Hong Kong

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.